SP IA19/ Fiofanan’ny Biraon’ny Sampana

Synodam-paritany Iarivo Avaradrano

VINA: 
« Sampana isam-pitandremana
mino, mamiratra ary manompo »

Ny zava-misy ankehitriny dia vitsy ny mpikambana ao anaty sampana raha mitaha amin’ ny isan’ ny kristiana ao am- piangonana,tsy mahasarika  olona ho mpikambana ny sampana ary na dia ny efa mpikambana aza dia mangatsiatsiaka . Izany no anisany naharesy lahatra ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano nitondra fampiofanana ho an’ny Biraon’ny Sampana rehetra isaky ny fitandremana ao anatin’ny SP.19 ny Sabotsy 31 Martsa 2018 teo tetsy amin’ny FJKM Ambohipanja  fitiavana.

Tari-dàlana sy toromarika ary vahaolana no nifampizarana tamin’izany mba hananana sampana: “manam-pinoana, mamirapiratra, mirotsaka an-tsehatra amin‘ny fanompoana ary  hisy asa vaovao aterak’izany rehetra izany”. Mila birao resy lahatry ny Filazantsara ny sampana, vontom- pinoana,  vonona sy mahatsapa tena, mandray ny fampiofanana tanterahan’ ny Mpitandrina na Katekista Delege maharitra sy mitohy mba hatanjaka ny foto- pinoana sy ny fanoloran- tena, manaraka drafitra sy rafi-pitantanana mazava ary manana fomba fiasa mirindra.

Nantitranterin’ny Prezidà Synodaly Rabetokotany Miharilaza Mpitandrina fa Jesoa Kristy no fototra hijoroan’ny fiangonana sy ny Sampana ary Sampanasa. Koa maty ireo raha tsy mamaka tsara ao amin’ny Tompo satria mifaningotra aina.

Mikendry ny hitaona ny olona rehetra handre ny tenin’Andriamanitra ny SP 19, ka ireo hanapa-kevitra handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra eo amin’ny fiainany eny anivon’ny sampana misy azy. Ary hataon’ny isan-tsampana ho zava-dehibe kosa ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-mandinika Soratra Masina, ny fampianarana, ny fanofanana ary ny fiaraha-miasa amin’ny mpanompon’Andriamanitra . Marihina fa vao avy nampiofana ireo Biraom-piangonana isam-pitandremana koa ny Synodam-paritany faha-19. Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Veronica Andrianarison

 (Santatra Fahazavana )

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV