SP AA11 / F. Katekomena 2018.

FIHAONAMBEN’NY KATEKOMENA

        Tontosa  soamantsara  ny  fihaonamben’ny  katekomena  teto  amin’ny  synodam-paritany  Antananarivo  Atsimo  ny  Alakamisy  29  martsa  2018  lasa  teo  teny  amin’ny  FJKM  Malaza  Gileada .Nanomboka  tamin’ny  9ora  maraina  ny  fotoana  izay  natomboka  tamin’ny  fanompoam-pivavahana  notarihin’ny  Mpitandrina  RANDRIANARIMANANARIVO  Tsimbaharison.

Ny  Tenin’Andriamanitra  tamin’izany  dia  noraisina  tao  amin’ny  Matio  26 :30-35  izay  nitondra  ny  hafatra  hoe : ny  Tompo  dia  mitarika  antsika  hivavaka  sy  hanao fiderana ,mitarika  ihany  koa  mba  hahalala  fa  i Jesoa  Kristy  no famonjena antsika amin’ny fahotantsika  ka  hibebahantsika Aminy  .

 Araka  ny  fandaharam-potoana  dia  fiofanana  andiany  roa  no  natao  tamin’izany.

Lohahevitra  voalohanyny  Katekomena  sy  ny  Adidy”  izay  novelabelarin’ny  Mpitandrina  RABELISON HARIMANITRA  Manassé  (Presidà  synodaly).Navoitrany  tamin’izany  ny  famaritana  ny  adidy,ny  olona  tokony  hanao  izay,ireo  karazana  adidy  sy  ny  anton’ny  adidy  ary  ny  toe- tsaina  enti-manatanteraka   izany  .

Faharoa  manaraka  izany  « ny  Katekomena  mandray  anjara  amin’ny  asa  fitoriana  ny Filazantsara »tontosain’ny  Mpitandrina  RANDRIANARISON  Emmanuel(filohan’ny  AFF SP) .Nasongadiny  tao  anatin’izany  ny  atao  hoe  katekomena ,ireo  fepetra  tsy maintsy  arahina  amin’ny  fianaran’ny  Katekomena .Eo  ihany  koa  ny  hoe :mandray  anjara  amin’ny  fitoriana  ny Filazantsara  ny  Katekomena  ary  ny  hoe : momba  antsika  ny  Tompo .

Koa  ny  tanjona  kendren’ny  Synodamparitany  amin’izao  Fihaonambe  izao  dia  ny  mba  hisian’ny  fitoviam-pijery  sy  ny  mba  hisian’ny  fitoviam-pahalalana  isaky ny  Fiangonana  ary  ny  mba  hisarihana  azy  ireo  amin’ny  famonjem-pivoriana.Ity  fihaonamben’ny  Katekomena  ity    dia  efa  fandaharam-potoana  raikitra  eto  anivon’ny  Synodamparitany  Antananarivo  Atsimo.

                                                                      RATOVELO  Mahery  (santatra  fahazavana)

                                                                   RAKOTOARIMANANA  Tsanta  Finaritra 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV