Hafatra PASKA 2018.

 

PASKA FIOVAM-PO!

Ry Havana Malala,

“Finaritra!

Ho aminareo anie ny fiadanana!”, hoy I JESOA KRISTY nitsangana tamin’ny maty, Izy Izay deraina mandrakizay mandrakizay miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina! Amen.

Miarahaba antsika, velona, afaka miaina izao Paska 2018 izao, Paska ato anatin’ny Taon-Jobilin’ny FJKM.

Miarahaba antsika mandray ny Vaovao Mahafaly nentin’ny anjely hoe: “Efa nitsangana Izy!” (Lio.24.6).

Miarahaba antsika afaka mandini-tena hoe:

Efa nitsangana Izy”, fa izaho kosa, sao mbola mipetraka?

Efa nitsangana Izy”, fa izaho kosa, soa mbola matory?

“Efa nitsangana Izy”, fa izaho kosa, sao mbola maty?

Tonga ny fotoana tsy maintsy hanapahantsika tsirairay avy hevitra:

Tsy hipetraka intsony fa handehanantsika hitory ny Vaovao Mahafalin’I JESOA KRISTY amin’ny manodidina antsika!

Tonga ny fotoana tsy maintsy hanapahantsika tsirairay avy hevitra:

Tsy hatory intsony ao amin’ny torimason’ny fihatsarambelatsihy, itondrana anarana hoe: “kristianina”, nefa kristianina matory mitsangana, tsy sahy mitonona ho Kristianina fa raha fantatry ny olona dia hotondroiny molotra sy hataony firesaka!

Tonga  ny fotoana tsy maintsy hanapahantsika tsirairay avy hevitra:

Hanaiky ho faty marina tokoa miaraka amin’I Kristy.

Ary rehefa maty ilay “Izaho andevom-pahotana”, dia tsy havelantsika hitsangana intsony fa halevina impito mandifotra olona.

Ary rehefa maty ilay “izaho mpanompon’I Mamôna” dia tsy hanangatra, mbola handehandeha hampihorohoro eny anivon’ny toeram-piasana samihafa rehetra eny intsony!

Fa manomboka amin’izao Paska Jobily izao, dia hahita Kristianina vaovao, Kristianina marina ny fiarahamonina misy antsika, dia Kristianina tsy miteny fa miaina izay nambaran’I Paoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona, fa I Kristy no velona ato anatiko, fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Gal.2.20)

Koa ho vavaka sahintsika iombonana anie izao vavaka izao, ry Havana malalan’Andriamanitra:

“RY JESOA KRISTY velona ô,

Tsy ampy ny teny hideranay Anao noho ny fitiavana nanoloranao ny ainao hamonjy anay, noho ny herinao tsy takatry ny sainay nandresenao ny fahafatesana! Haleloia! Deraina mandrakizay ny Anaranao mahery sy mahavonjy!

RY JESOA KRISTY velona ô,

Paska anio! Koa raiso koa izahay hiara-maty tokoa aminao ny amin’ny fahotana sy hiara-belona aminao amin’ny fiainam-baovao. Tsy ho Paska handatsa anay anie izao Paska izao! Fa, noho ny herinao miasa ao anatinay amin’ny alalan’ny FanahyMasina, dia tsy hihiboka ao amin’ny fasan’ny tsy finoana, ny fasan’ny fanompoan-tsampy, ny fasan’ny fahalovana, ny fitiavam-bola, ny fasan’ny fijangajangana, ny fasan’ny lainga sy ny fihatsarambelatsihy, ny fasan’ny fankahalana, izahay. Fa hiara-mitsangan-ko velona aminao, velona tena velona fa tsy faty mandehandeha manapoizina ny firenena. Fa vonona hibebaka izahay, hiova fo sy fisaina ary fiaina, noho ny herin’ny fitsangananao tamin’ny maty, ka hamadika takila vaovao eo amin’ny fiainanay manokana, ny fiainan’ny ankohonanay, ny fiainan’ny Fiangonana misy anay, ny fiainan’I Madagasikara tanindrazanay!

Hohenoinao anie izany, ry Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina ô, ka hovalianao

Ho voninahitry ny Anaranao,

Ho fampandrosoana ny Fiangonanao,

Ho famonjena ny mpanota,

Ho fitahiana ny firenenay,

Fa ataonay amin’ny Anaran’I JESOA KRISTY. Amen.

Dia manaova Paska sambatra amin’izay, ry Havana

 

IRAKO Andriamahazosoa Ammi ,

Mpitandrina , Filohan’ny FJKM.

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV