Misionera tany ANDRANOHILAHY ( Toliara II)

Ny dian’ny misionera tany Andranohinaly – Toliara II
Ny vavaka no nampilatsaka indray ny orana

Misionera 3 mianadahy no niantafika tany amin’ny Kaominina Andranohinaly – Distrika Toliara II nandritra ny herinandro. Rehefa avy nandray ny toromarika rehetra nomen’ny Foibe FJKM izy ireo dia niala teto Antananarivo ny tolakandron’ny Alarobia 21 Febroary 2018, nigadona tao Toliara ny ampitson’iny ary nanatona avy hatrany ny Prezidà Synodaly Toliara Fihavaozana naka ny tsara ho fantatra rehetra mahakasika ny any an-toerana.

Nanainga indray ny Zoma maraina hihazo ny Kaominina Andranohinaly izay 41km miala an’i Toliara manaraka ny RN7 iny. Nivantana tao amin’ny biraon’ny kaominina izy ireo ka noraisin’ny Ben’ny tanàna tamim-pitiavana ary notolorany efitrano iray hivantanana mandritra ny fivahinianana. Ny dinidinika nifanaovana teo no nahafantarana fa ny tena manahirana mafy ny mponina dia ny tsi-fisian’ny orana efa fotoana ela ka miteraka tsi-fahampian-tsakafo. Koa rehefa nitety tanàna nitory Filazantsara sy nivavaka ireo misionera dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra momba sy mitahy ny irany satria namaly vavaka Izy dia nirotsaka tokoa ny orana ny harivan’io Zoma io sy ny ampitso Sabotsy alina ka faly ny rehetra sady nisaotra ny Tompo. Efa maro rahateo ny kristiana any an-toerana satria efa misy fiangonana rahavavy vitsivitsy ao an-tanàna.

Fa misy ihany koa ireo tsy isan’izy ireny ka resy lahatra nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompony. Nanomboka tamina olon-dehibe iray sy tanora efatra ary ankizy madinika maromaro izany fanoloran-tena izany. Nitohy ny Sabotsy tontolo indray ny fitoriana ny Filazantsara isan-tanàna ary niafara tamin’ny fampivondronana ny olona rehetra ny hariva. Teo no nampaherezana azy ireo haharitra amin’ny vavaka, sy nanendrena ny zokiolona iray ho mpitarika izao vondron’olona mpiara-mivavaka tafatsangana izao, ary nitondrana fanazavana momba ny fanohizana ny asa. Fahombiazana iray azo tsapain-tanana nandritra izany koa ny nisian’ny tovolahy iray nandray an’i Kristy ka niala tamin’ny asa ratsy fanaony sy namerina ny odiny tany amin’ireo mpamatsy azy.

Izany tokoa no manamarina fa ny fidiran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona no manafaka azy amin’ny aizina ho ao amin’ny fahazavana mahagaga. Nofaranana tamin’ny fiaraha-mivavaka ny Alahady maraina 25 Febroary 2018 ity dian’ny misionera ity dia nitodi-doha namonjy an’Antananarivo tamin’ny fifalian’ny Tompo izy ireo ary namela ny fiadanana ho an’ny tanànan’Andranohinaly.

Zava-dehibe tokoa ny fijoroana vavolombelona toy izao satria mitory ny fahalehibeazan’ny Andriamanitra tompointsika, maneho ny fandresentsika kristiana eo anatrehan’ny asan’i Satana, ary mampahery koa ireo misionera namana eo am-panatanterahana ny asa fanompoana ataony.

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra amin’izany rehetra izany.

Niry Rakoto, Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV