FJKM Ambodihady vaovao (SP 10)

SAMPANDROFIA ANKALAMANJANA

Mikarakara fitoriana filazantsara ankalamanjana lehibe ny FJKM Ambodihady Vaovao, izay tarihin’ny Mpitandrina  RAVELOSON Mamy, sy ny fiangonana manontolo. Sampandrofia ankalamanjana no iantsoana izany hetsika izany, satria ny alahady 25 martsa 2018 izay sampandrofia no hanatanterahana azy.

Ny toerana dia ao amin’ny carrière Ambodihady (Kianja filalaovam-baolina). Ity no hetsika faharoa nataon’ny fiangonana Ambodihady fa  tamin’iny taona lasa iny  ny alahady faran’ny volana martsa 2017  no nanaovana ny hetsika voalohany, izay nitetezana tokantrano isam-baravarana. Fa amin’ity kosa dia fanompoam-pivavahana ankalamanjana no atao. Izany dia ho famontosana ny filazantsaran’i Kristy. Hita taratra na aiza na aiza fa betsaka kokoa ny tsy mandeha mivavaka noho ny mivavaka rehefa alahady.

Fotoam-pivavahana feno no atao amin’izany arahina asa sy fampaherezana ataon’ny Mpiandry eo an-toerana sy ny Mpiandry amin’ny fari-bohitr’Ambohimanarina misalahy. Misy fitsaboana maimaim-poana atolotry ny fiangonana ho an’ireo tsy salama ka tonga eny an-toerana ary fanomezana fanafody sahaza ny aretina tsirairay.

Misy ny fizarana fanomezana azo avy amin’ny fiangonana toy ny fitafiana sy ny maro hafa ankoatry ny efa nomanina manokana. Tsy endrika ivelany ihany fa ny  zava-dehibe indrindra dia ny fitaomana ireo olona mba handray an’i Jesoa Kristy hanjaka eo amin’ny fiainany manontolo.

Ny antoko mpihira eo an-toerana no hanafana ny fotoana amin’izany. Marihina fa ny hetsika rodobe  tahaka izao no indray mandeha isan-taona fa isam-bolana dia misy ny tafika masina ataon’ny sampana tsirairay izay tompom-bokatra. Hikatona ny fiangonana amin’io andro io. Misy filaharanam-be hamakivaky ny lalana mandra-pahatonga eny amin’ny toerana hanaovana ny fitoriana filazantsara.

Ny FJKM Ambodihady Vaovao dia manao ho loha-laharana ny fitoriana ny filazantsara amin’ny endriny maro loko. Porofon’izany ohatra ny fanohanany amin’ny endrika rehetra ireo misionera (SE.MI) miisa 7 izay namita iraka tany amin’ny kaominina Sahatòna Ambohimahasoa Fianarantsoa ny faran’ny herinandro lasa teo.

Evariste RASOLOHERY, Santatra Fahazavana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV