Hafatry ny Filoha / « Efa nibebaka aho »

 

« Efa nibebaka aho! »

Hafatra tamin’ny fihaonan’ny Birao Foibe FJKM tamin’ireo zanaky ny fiangonana teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny Sabotsy 17 Martsa 2018

Ry Havana Malala,

Ilay Mpitandrina Amerikana malaza, i Martin Luther KING dia nanao antso tsy lefy laza hoe: “I have a dream” (ara-bakiteny) : “Manana nofy (nofy) aho; izaho kosa anio hilaza hoe: “I have a hope!” (Manana fanantenana aho!).

MANANTENA AHO fa manomboka anio indray dia hibanjina an’ANDRIAMANITRA RAINTSIKA isika ka hitondra tena amin’ny maha zanak’Andriamanitra mitandro ny voninahitr’Andriamanitra any amin’ny andraikitra tanantsika avy any, ka ho  afaka hiteny hoe: “EFA NIBEBAKA AHO”

MANANTENA AHO  fa mihoatra noho ny tamin’ny lasa, dia hiorina marina amin’ny finoana an’i JESOA KRISTY Tompontsika isika ka hahatsiaro fa tsy ny fehin-kevitra tsara akory no andrasany amintsika, fa ny fanapahan-kevitra ombam-pahavononana ataontsika tsirairay avy sy miaraka, hampihatra izany any amin’ny toerana misy antsika avy, ka ho afaka hiteny hoe: “EFA NIBEBAKA AHO”.

MANANTENA AHO fa rehefa tafaverina any amin’ny toeram-piasantsika avy isika, aorian’ity fotoana ity dia mbola hofenoin’ny Fanahy Masina hatrany ka tsy ho menatra hiova, tsy ho menatra ny fanarabian’ny olona, fa ho sahy hijoro ho kristiana marina sy kristiana masina afaka hiteny hoe: “EFA NIBEBAKA AHO”

MANANTENA AHO fa  tsy ho marina intsony ilay fiteniko hoe: “Manantena mandrakariva aho, na dia diso fanantenana matetika aza”, satria isika tsirairay avy ireto dia efa niteny hoe: “EFA NIBEBAKA AHO! “

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany! Amen.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina,

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV