AFIFAB / Herinandro

TATITRA FANOKAFANA  NY

HERINANDRON’NY FIFANDRAISANA

Nosokafana omaly  Talata 20 Martsa ny Herinandron’ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao ( AFIFAB) 2018  tamin’ny alalan’ny varavarana misokatra izay atao  ao amin’ny FOIBE FJKM , Varavarana faha-201  ary azon’ny rehetra tsidihana .

Ny solotenan’ny BMF , ny Mpitandrina Andriamampianina  Zaka  no nanokatra izany Herinandron’ny AFIFAB izany , izay nialohavan’ny Fanompoampivavahana notarihan’ny Filohan’ny Komitin’ny AFIFAB , ny Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa .Tonga nanome voninahitra ny fotoam-panokafana koa ny Sekretera Jeneraly sy ny Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly .

Ny nampiavaka  ity fampirantiana 2018 ity dia ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra AFIFAB  any amin’ny SP sy Fitandremana manodidina notarihan’ireo « Andiany Santatra Fahazavana » , mpiofana momba  ny seraseram-pifandraisana , navoakan’ny AFIFAB FOIBE ny taona 2017.

 Na dia tsy mbola nahenika ny fiangonana aza ny fisian’  ny sehatra asa Fifandraisana dia mahavelombolo ny mahita sy mahafantatra fa tsy zavatra kely amin’ny fiangonana ny fampitana ny vaovao mahafaly  amin’ny alalan’ny soratra sy ny sary ary ny feo , ary dia miroborobo tokoa izany amin’ireo  fiangonana efa mampiasa izany .

Ny fampirantiana dia haharitra hatramin’ny Zoma  23 Martsa 2018 maraina . Ny Alahady 25 Martsa 2018 tolakandro kosa dia hisy ny RINDRA GASY izay hanasana  ny kristiana rehetra ho tonga ao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana , manomboka amin’ny 3ora sy sasany tolakandro .

Alao hery àry ry havana ,mandehana raha mbola manana ny mazava ianao , fa ho avy ny alina ka tsy afa-miasa intsony ny  olona  (Jao 9.4). Mifampilazà , tongava maro .

Sahondramalala Vololona

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV