Asa FIfandraisana sy FAmpahalalamBaovao 2018.

Fandaharana iombonana 

Alahadin’ny AFIFAB  25 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo 

1-  Fiarahabana  Apostolika : Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa                   Kristy        Tompontsika

2-Fisaorana sy fiderana : Sal 105.1-7

Hira 36.1,2

Vavaka fiderana

3-Fanambarana ny  sitrapon’ Andriamanitra : Isaia 60 .1-3

Sambatra ny mahitsy làlana …

Hira 317.4

4-Vavaka fiaikenkeloka 

Hira FF 33.1-3

5-Famelankeloka  (mitsangana ny fiangonana)

Sambatra ny olona izay  voavela ny helony …

Hira FF26.2

6-Fanekempinoana Apostolika  (mipetraka  aorian’ny Fanekempinoana)

Fotoana  ho an’ny ankizy  sy ny tanora

7-Raharaham-piangonana  sy famakiana ny HAFATRA /AFIFAB-FOIBE 

Rakitra : Hiran’ny Antoko mpihira na sampana

Fanolorana ny Rakitra  : »Ry Tompon’ny harena ô »

8-Soratra masina :

Hira  200 .3

Vavaka vakiteny

Vakiteny :

Zakaria 9.9-11

Mat 21.1-11

1 Pet 2.1-10

« Ray  masina ô , manamasina anay amin’ny  fahamarinana , ny  teninao no fahamarinana « 

Hira 190.1,3

9-Toriteny:

Hira : Antoko mpihira  na sampana

10-Vavaka fangatahana

Hira 351.1,2

Tsodrano

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

………………………………………………………………………………………………………………………….

 

HAFATRA

Ho aminareo  mandrakariva anie  ny fiadanan’ ny Tompo

Isaorantsika Andriamanitra  fa noho  ny fitahiany  dia mizotra  tsara  ny asan’ny AFIFAB FJKM hatramin’izao  dia ireo  sehatra  efatra  izany : Radio Fahazavana , Gazety Marturia vavolombelona , ny Tranokalampifandraisana (site web) ary ny Arofenitra .

Afaka  nankalaza  Azy  isika  tamin’iny  taona  iny  noho ny faha- 35 taonan’ny AFIFAB-FJKM sy ny faha- 20 taonan’ny Radio Fahazavana .

Raha  mbola sitrapony ihany koa   dia hitokana  ilay pylônen’ny Radio Fahazavana etsy Ambohibe Ilafy isika  amin’ny volana Aprily  izao .

Isaorana ny  Foibe FJKM, ny Synodamparitany , ny Fitandremana , ny Sampana samihafa  eo anivon’ny fiangonana , ny  kristiana  tsirairay nanohana ny AFIFAB tamin’ireo asa ireo . Na teo amin’ny fitondrana am-bavaka na teo  amin’ny fanampiana sy ny tolo-tànana samihafa  teo amin’ireo ezaka  niantsoana antsika rehetra . Matoa  ireo asa ireo no tanteraka  dia noho  ny tsirairay  nanao izay  manandrify azy : ny mpiasa , ny teknisiana ,ny mpikirakira samihafa ary indrindra isika vahoaka  kristiana FJKM manomboka  any  amin’ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe  ka hatrany  amin’ny kristiana  isam-pitandremana .

Ankasitrahana isika fitandremana  nanao rakitra  ho  fanohanana ny asan’ny AFIFAB, ny  fotoana toy izao  mantsy  no hanohanantsika amin’ny endrika  hita  maso  sy am-bavaka  ny asan’ny  Fifandraisana , ka eo  ny hanao izany  amin’ity  andro anio ity   na amin’ny andro mahamety  izany  . Tsarovy  fa « Andriamanitra  tsy  mba tsy marina  ka hanadino   ny  fitiavana  nasehonareo  ho voninahitry ny anarany .  Hebreo 6.10a

Isaorantsika ny  fitondram-panjakana   fa azo   ny  alalana  hanitatra  ny Radio Fahazavana  amin’ireto  toerana  manaraka ireto : Ambatondrazaka , Sambava, Tomasina, Fianarantsoa,Miarinarivo,Moramanga sy Ambatolampy . Manantena  isika fa ho azo  tsy  ho  ela  koa ny fanokafana  ny televizionan’ny FJKM .

Amin’izao   taon-jobilly iainan’ny Fiangonana izao  sy aoa anatin’ny ezaka  « Vontosy Filazantsara ny  Nosy Madagasikara » dia fitaovana  tsy azo  ihodivirana  sy tena ilaina  ny sehatry  ny fampahalalambaovao , na ny Radio  na ny Gazety  na ny Tranokala na ny famokarana  fandaharana  amin’ny Televiziona  ihany  koa  dia tena ilaina  tokoa  hanapariahana  ny Filazantsara   . Koa mba  hahafahana  mampahanatatra  ny asan’ny  Fiangonana eto  amin’ny firenena  sy manerantany  , entina  hitoriana ny Filazantsara  dia manao antso  avo  izahay   amintsika mba hifanohana . Koa raha  misy àry  isika manana faniriana  hanao tolo-tànana  hanampiana  ireo sehatra asa ireo , indrindra  ihany  koa  hitondra  ny anjara biriky  amin’ny  fampitaovana  ho fanapariahana  ny Radio  any  amin’ny faritra  dia raisinay  am-pitiavana  ao  amin’ny AFIFAB ao  amin’ny Foibe FJKM, trano Ifanomezantsoa  Analakely , Rihana faha- 6 izay anjara   biriky  entinareo  ary isaorana  anareo              am-pitiavana  etoana  izany .

Manonona  ny  fiadanan’ny Tompo  ho aminareo  rehetra izany .

Ny  Filohan’ny  Komitin’ny AFIFAB-FJKM

Rafanonerantsoa Valisoa , Mpitandrina

Ny Talen’ny AFIFAB

RAZAFIMALALA Tantely H.

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV