Radio Fahazavana / Fanofanana

Nofanina ny mpamokatra fandaharana rehetra

Tsy ny fitaovana ihany no ahitana fanatsarana ato anatin’ny Radio Fahazavana ho mariky ny fandrosoana fa hatsaraina ihany koa ankehitriny ny kalitaon’ny fandaharana ary ny mpamokatra fandaharana sy ny mpanentana dia mihavao miaraka amin’izay. Izany no anton’ny fiofanana ny mpamokatra sy mpanatontosa fandaharana ny tontolo andron’ny Talata 27 Febroary 2018 tao amin’ny Foibe FJKM Analakely varavarana 201. Nisongadina nandritra izao fiofanana izao ny fanatevenana ny fahalalana ho an’ireo izay efa niofana tamin’ny taona 2016, fa fanovozam-pahalalana kosa ho an’ny hafa.

Lohahevitra maromaro no voaresaka tamin’izany dia ny hoe mila miofana mandrakariva ny mpikirakira fandaharana ao amin’ny radio mba handranitana ny fahalalana ananany sy hanatsarana ny zavatra atolotra ny mpihaino satria misy hatrany ny zava-baovao tokony ho fantatra amin’ny fivoaran’ny fandaharana radio. Noresahana tao koa ny fomba fiteny amin’ny radio izay tsy mitovy velively amin’ny fomba firesaka andavanandro sy ny fomba fanoratra mba ho soratra tenenina fa tsy soratra vakina fotsiny toy ny sora-boky. Nampitaina tao koa ny fomba famoronana na famokarana fandaharana sy ny fomba fanentanana ary ny fomba fandrefesana ny mpihaino.

 Nanazava ny Talen’ny famoahana ao amin’ny Radio Fahazavana, Atoa SOAVINARIVO Tiburce, Mpitandrina sady mpampiofana, fa nampiavaka ity fiofanana ity ny fisian’ny asam-baomiera maromaro nahafahan’ny mpiofana namolaka ny fahalalany araka ny zava-misy.

Maherin’ny 50 ny mpiofana avy amin’ny Sampana, Sampanasa, Asa, Fikambanana samihafa, ary olon-tsotra izay samy manana fandaharana ao amin’ny radio avokoa. Notsindriana manokana ny fahaiza-manolotra amin’ny teny tsotra sady fohy nefa mazava, sy ny fampiasana ny fifandraisana miako amin’ny alalan’ny fanomezana ny laharana finday sy adiresy samihafa hahafahan’ny mpihaino maneho hevitra fa izany no ahazoana mandrefy ny fihainoan’ny olona ny radio.

Fa mba firy amin’ny kristiana FJKM an-tapitrisa eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tokoa re no tena mihaino tsy tapaka ity Radio Fahazavana FM 88.6MHz ity e? Ary manao ahoana ny hafanampon’ny isam-batan’olona na ny isam-pitandremana amin’ny fifanentanana hankafy sy hanohana ity radiontsika FJKM ity? Samy mandini-tena ny tsirairay eo am-pamaliana izany fanontaniana izany, fa ny mahafaly sy mampisaotra an’Andriamanitra dia ny maridrefy eo am-pelatanan’ny tomponandraikitra maneho fa tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ny mpihaino sy mpankafy ity radio ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo ity.

Niry Rakoto, Santatra Fahazavana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV