AFIFAB /Herinandron’ny Fifandraisana 2018.
HETSIKY NY ASA FIFANDRAISANA SY
FAMPAHALALAMBAOVAO FOIBE FJKM
Hankalazaina manerana ny FJKM amin’ ny Alahady faha-25 Martsa 2018 izao ny andro natokana ho an’ ny FIFANDRAISANA FJKM; fotoana itondrana am-bavaka ny asan’ ny Fifandraisana Foibe, any amin’ ny Synodamparitany sy Fitandremana izany.
Ao anatin’ izay ny hankalazantsika ny Herinandron’ ny Fifandraisana ny 20-23 Martsa 2018: fampirantiana ny seha-pifandraisana Foibe, Synodamparitany sy Fitandremana.Indro ny andinindininy sy ny fanasana ho antsika rehetra ho amin’ ny Fifanotronana:
-Fampirantiana ny 20-23 Martsa 2018: Foibe FJKM eto Analakely efitra 201
-Fitondrana am-bavaka sy famangiana Fitandremana (maraina) sy Antsan-kira eny @ FJKM Andravoahangy Fivavahana ny tolakandro.
N.B: raha misy fitandremana na SP na rafitra fifandraisana mbola te-handray anjara hampiranty ny momba azy( Gazety na dia afaka manatona aty amin’ ny Foibe Fifandraisana, rihana faha-6.