Fandalinam-pinoana / Ny Teolojian’ny vatana
Ny Soratra Masina dia manana fampianarana matanjaka tokoa momba ny vatana. Rehefa raisin’ny Fiangonana tsirairay anefa izany, dia tsy mitovy avokoa ny toerana omeny ny vatana.
FAMPIANARANA SAMY HAFA
Misy fiantraikany be dia be tamin’ny Fiangonana voalohany, ny fampianarana grika momba ny vatana, Ny vatana, tamin’ny Grika, dia zavatra ratsy. Io no managadra ny fivelaran’ny fanahy, fonja ho azy. Koa rehefa mijaly na maty mihitsy ny vatana, dia afaka amin’izany fonja izany ny fanahy. Fitaovan’ny ota mihitsy no nandraisan’ny Fiangonana sasany ny vatana, ka tsy maintsy nampijaliana.
Etsy ankilan’izay anefa, dia mahita ao amin’ny Soratra Masina isika fa, misy lanjany lehibe tokoa ny vatana, matoa tonga nofo i Jesoa Kristy Andriamanitra. Azon’ny Tompo notanterahina ny famonjena antsika,; na dia tsy tonga nofo na vatana aza Izy. Ary raha nitsangana tamin’ny maty Izy, dia fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany. Samy mampiseho ireo fa, manan-toerana ao amin’ny famonjena tokoa ny vatana, na ankehitriny na rahatrizay.
Any amin’ny Tononkiran’i Solomona, dia asehon’ny Soratra Masina miharihary tokoa fa, omeny dera sy lanja ny hasoan’ny vatana. Voateniny amin’ny antsipiriany ny singa rehetra (tarehy, volo, maso, tongotra, …) amin’ny vatana. Ny fifankatiavan’ny mpivady no sehatra anehoany izany : tsy mahamenatra mihitsy amin’izany, ny mifandinika sy mianoka ny fahatsaran’ny vatana iray manontolo, ao amin’ny tontolon’ny fitiavana.
Ny I Kor 12 dia maka ny tena na vatana ho ohatra ilazany ny fahasamihafan’ny fanomezam-pahasoavana ao amin’ny Fiangonana, nefa misy fifamenoana lehibe.
TANDREMANA ANEFA
Tsy tonga mihitsy any amin’ny fivavahana amin’ny vatana (culte du corps) mihitsy ny Soratra Masina raha miteny ny hasoan’ny vatana. Endrika isehoan’ny fivavahana amin’ny vatana ny mikikitra amin’ny fikojakojana tafahoatra azy, satria angamba te ho tanora hatrany.
Eo ny tsy fihinanana sakafo mba hananana endri-batana marotsaka toy ny “miss”. Mety ho tonga amin’ny anorexie izany: tsy fihinanana mihitsy noho ny tsy fisian’ny fahazotoan-komana. Ny vehivavy no tena tratran’ity anorexie ity, satria 9/10 dia vehivavy avokoa.
Eo ny fikojakojam-batana atao hoe “bodybuilding”. Tadiavina izay hahazoana endri-batana mivohibohitra mahafinaritra ny maso, miaraka amin’ny fahaizana miala sasatra sy ny fahaiza-misakafo.
Efa irohotana any ivelany, ary manomboka misy eto an-toerana, ny fandidiana ny tarehy sy bika, hahazoana vatana manintona sy tsara. Olona salama tsara izy ireo fa, noho izay antony te hanana vatana manintona izay no antony hidirany amin’ny fandidiana izany.
TEOLOJIA
Ny vatana dia nataon’Andriamanitra hifandraisantsika amin’ny manodidinana (olona, zavaboary), fa tsy ho antsika samy irery akory. Izany no misakana ny mpino tsy ho latsaka amin’ny fivavahana amin’ny vatana, izay ataon’ny olona tia irery ny tenany. Ny I Kor 12 no iaingantsika eto.
1.Mifanampy isika rehetra
Hoy i Karl Marx : “ny tanjaky ny rojo iray dia refesina amin’ny faritra malemy aminy”. Raha afaka mifanampy izany ny vatana iray manontolo, ka tohanan’ny matanjaka ny osa sy malemy, dia hatanjaka io vatana io. Azo ampiharina izany amin’ny Sampana ao am-piangonana, izay tsy mitovy tanjaka sy hery tokoa.
2.Omeo toerana ny osa
Izay kely voninahitra dia omena voninahitra bebe kokoa, fa ny efa be voninahitra dia tsy mila izany intsony (I Kor 12:23-24). Misy fijery manandratra izay osa sy malemy ary kely eto, mba hitovy voninahitra ny tena manontolo.
3.Tsy misy sarobidy noho ny hafa
Manimba ny vatana ny fanindrahindrana ampahany aminy. Mifampiankina sy mifameno ny vatana manontolo, ka ny fahavoazan’ny iray dia fahasimban’ny rehetra koa. Fahararian’ny taova iray natao tsinontsinona dia mety tsy hampihetsika ny vatana manontolo. Ary ny fanomezana vahana loatra ny iray (oh, misakafo be loatra ny vavony) dia mety ho aretina handavo ny vatana manontolo koa.
Andriamampianina Zaka, Mpitandrina