Jobily 50T sy 200T …

KOMITIN’NY JOBILY FAHA-50 TAONAN’NY FJKM

Izao taon-jobily izao dia taom-panafahana

Nampahatsiahy ny tantaran’ny FJKM ny Komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taonan’ny nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny LMS.

Niorina ny taona 1968 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM izay avy tamin’ny fitambaran’ny misiona telo dia ny LMS, ny FFMA,ary ny MPF. Ny misionera LMS, ny Reverend David JONES sy ny Reverend Thomas BEVAN, no tonga voalohany teto Madagasikara ny 18 Aogositra 1818 tao Toamasina.

Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny Zoma 19 Janoary 2018 lasa teo no niampahatsiahivana izany tantara izany. Nohazavaina ihany koa ny endriky ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny taon-jobily mandritra ity 2018 ity. Araka izany ary dia hisy ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatanjahantena toy ny Diabe mitaingina bisikileta Antananarivo-Toamasina, lalao baolina kitra, Koltorallye, fitsidihana toerana manan-tantara, sns… Eo ihany koa ny fanompoam-pivavahana sy tsangambato, ka ny ivon’ny Jobily dia hatao any Toamasina ny Alahady 12 – Alahady 19 Aogositra 2018 sady hitokanana ny tsangambato trano sekoly vaovao Thomas BEVAN sy David JONES.

Ny famaranana kosa dia hatao eto Antananarivo ny volana Oktobra 2018 ka hitokanana ny trano lehibe misy rihana telo eo amin’ny tanin’ny FJKM eny Ivato ho fanitarana sy fanatsarana ny tontolon’ny fanomanana Mpitandrina FJKM. Tolotra vokatry ny fitiavana avy amin’ny isam-batan’olona na isam-piangonana na Synodamparitany no hoenti-manana ireo tsangambato ireo.

 Nambara teo am-pamaranana fa izao taon-jobily izao dia tena taom-panafahana tokoa amin’ny endriny dimy: fanafahana ho an’ny tany sy ny firenena mba tsy hisy olona ho very tanindrazana, fanafahana amin’ny fanandevozana ho amin’ny fitovian-jo, fanafahana trosa izay midika fifamelan-keloka, fanafahana amin’ny gadra izay midika ara-bakiteny famoahana ny voafonja, ary fanafahana amin’ny lolom-po ho amin’ny fifankatiavana sy halemem-panahy.

Koa manao antso avo ary ny Birao sy ny Komitin’ny Jobily tarihin’ny Filohany Marc RAVALOMANANA mba hiara-mientana amin’izao Jobily fanafahana izao isika zanaky ny Fiangonana FJKM rehetra: mpitondra fivavahana, mpandraharaha, mpahay kanto, mpanao fanatanjahantena, mpahay momba ny fizahantany, mpahay fifandraisana, sns… araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo antsika tsirairay avy.

Niry RAKOTO

(Santatra Fahazavana)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV