Hafatry ny Filoha Feb 18 / Soraty ny tantara
Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara !
Andeha soraty ny Tantara
Na ho ratsy na ho tsara,
safidinao irery izany
saingy tadidio hatrany
fa ‘zay asa ataonao ‘zao
no voasoratra ho anao
tsy azonao fafana intsony,
k’alaovy ambany, alaovy ambony.
Ianao io ve
Manaiky handeha,
tena vonona hankato
Mba ho irak’i Jesoa?
Sa hinia ho bemarenina
Ka any am-parany hanenina
Fa naditra sy nanda
Satria kamo na tsy sahy?
Fa ny Tompo mila anao
Ho mpiara-miasa izao
Fa tena betsaka ny vokatra,
ny varavarana misokatra
tokony hohararaotintsika!
Nahoana ianao no hangatsiaka?
Fa misy olo-marobe
Izay tsy mbola mahare
Ito Filazantsara
Eto Madagasikara,
olo-maro sesehena,
tian’ny Tompo hovonjena
olom-bery tena tiany!
Ianao no antsoiny ankehitriny.
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Irako Andriamahazosoa AMMI , Mpitandrina
Filohan’ny FJKM