FFP / Antso ho Talen’ny S.A Fikarohana sy Fandalinampinoana

FILATSAHAN-KOFIDIANA HO

TALEN’NY SAMPANASA FFP FOIBE FJKM

  1. Mpitandrina voatokana vita fiofanana tamin’ny Faculté de Théologie neken’ny FJKM.
  2. Manana ny mari-pahaizana Maîtrise en Théologie farafahakeliny.
  3. Efa niasa 10 taona teo amin’ny sahan’ny FJKM farafahakeliny.
  4. Manaiky sy manaja ny Foto-Dalàna sy Fitsipika FJKM ary ny Fitsipika Fototra sy ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Sampanasa FFP Foibe.
  5. Mahafehy  ny teny malagasy ary tenim-pirenena hafa (Frantsay, Anglisy…)
  6. Tia manoratra sy manao asa fikarohana. Tombony kokoa ny efa nahasoratra boky.
  7. Manaiky hanatsara ny fari-pahaizana sy ny fari-pahalalana ananany.
  8. Marin-tokatrano raha manambady ary tsara fitondrantena raha tsy manambady
  9. Mahay mifandray amin’olona.
  10. Tsara toe-pahasalamana

TARATASY ILAINA AMIN’NY FIROTSAHANA

Ny taratasy firotsahana dia ahitana ireto  antontan-taratasy manaraka ireto :

  • Taratasy maneho ny fahavononana hanao ny asa (Lettre de motivation)
  • Taratasy milaza ny momba ny tena miaraka amin’ny sary (CV)
  • Taratasy fanolorana avy amin’ny Ambaratonga mpiahy (Synodamparitany, Foibe)

FARA-FANDRAISANA NY ANTONTAN-TARATASY : Alarobia 28 Febroary 2018. Azo aterina mivantana ao amin’ny Biraon’ny Sampanasa FFP, Varavarana 504, Rihana faha-5, Foibe FJKM, na alefa paositra amin’izao adiresy izao :

SAMPANASA FIKAROHANA SY FANDALINAM-PINOANA (FFP-FJKM)

BP 623 – ANTANANARIVO (101)

FANAMARIHANA : Raha tapitra ny fe-potoana firotsahana ka tsy misy antotan-taratasy filatsahan-kofidiana tonga na nisy fa tsy nahafeno ny fepetra  takiana dia ny Biraon’ny Sampanasa FFP no manatona sy manolotra izay olona heveriny fa tokony hanao ny asa.

Ny KOMITIN’NY SAMPANASA FFP  hivory amin’ny 22 MARTSA 2018 no hifidy ny Tale vaovao.

Ny Filohan’ny Sampanasa FFP

RAMAMONJISOA Philibert, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV