FFPM / Famindrana andraikitra 2018 .

FIOMBONAN’NY FIANGONANA PROTESTANTA ETO MADAGASIKARA

Nanatanteraka fifamindrana andraikitra

Manao antso avo mamporisika ny amin’ny fandriampahalemana sy amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara na ny FFPM. Anisan’ny hafatra nataon’ny Pastora Dr. RAKOTONIRINA  David, filohan’ny FLM no sady Filohan’ny FFPM amin’ity taona 2018 ity io. Ny Alatsinainy 22 Janoary 2018 lasa teo no notanterahana teny Vohipiraisana ny fiaraha-mivavaka sy fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 ho an’ny fianakaviamben’ny FFPM.

Notanterahana tamin’io andro io koa ny famindrana andraikitra, izay nifanaovan’ny filohan’ny FFPM ny taona 2017, Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM, sy ny filoha ankehitriny avy amin’ny FLM.

Marihina, fa indray mandeha isam-bolana, isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana, no manao fotoam-bavaka eny Vohipiraisana ny fianakaviamben’ny FFPM.

Teny faneva noraisin’ny FFPM, dia ny hoe « Ary nihanahery finoana ny Fiangonana sady nihamaro isanandro » (Asa 16 :5).

( Gazety Marturia vavolombelona  lah875 )

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV