Aumônerie / Famaranana faha- 10T

Famaranana ny faha 10 taonan’ny
Aumônerie Foibe FJKM

Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny 20,21,22,23,24 Febroary 2018 ho avy izao, ry havana, ny herinandro famaranana ny faha 10 taonan’ny Aumônerie Foibe FJKM, koa manasa anareo izahay hitsidika ny Varavarana misokatra izay hampirantiana ny Asan’ny Aumônerie ny Talata 20 hatramin’ny Alakamisy 22 Febroary ho avy izao, ao amin’ny varavarana 201, Foibe FJKM.

Ny Zoma 23 Febroary 2018 , amin’ny 9ora hatramin’ny 11 ora dia hisy ny Fitsidihana ny Fonjabe Tsiafahy, ka mangataka izay foinareo ho an’ny voafonja lehilahy miisa 1000 izahay satria ankoatra ny fanompoam-pivavahana dia hisy fotoana atokana anolorana zavatra ny voafonja amin’io fotoana io. Raha sitrakareo dia aterina aty amin’ny Aumônerie Foibe FJKM izay fanomezana atolotrareo mba hahafahana mandrindra izany mialoha.Toy ny mofo dipaina sy akondro, akanjo, vary , sira, menaka , fanafody, savony, harona plastika kely sy lehibe miisa 1000 avy sns…

Ny Sabotsy 24 Febroary 2018 : Hasaina hatrany ianareo hanatrika ny Fanompoampivavahana Famaranana, eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, manomboka amin’ny 09 ora maraina. Amin’io no hamoahana ny bokim-piofanan’ny Aumôniers. Nizara valopy tany amin’ny isam-piangonana ny Aumônerie. Vitsy ihany anefa izany, fa isika rehetra dia antenainay fa samy afaka ny hanohana ny asan’ny Aumônerie avokoa.

Manantena ny fitondrana am-bavaka sy ny fanotronanareo, indrindra fa ny fanaovanareo ho zava-dehibe ny Asan’ny Aumônerie FJKM, ho voninahitr’Andriamanitra.

Ny Mpandrindra Nasionaly

RANDRIANAIVOARIVELO Rado Bera, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV