Sambatra sady salama / Ny raritsaina
AZO TANTANINA NY STRESS !
Ny Stress dia adikan’ ny Malagasy hoe « Raritsaina ». Rehefa misy fanerena (contraintes) mahazo ny vatana, dia mipoitra ny Raritsaina. Ny adin-tsaina, ny tebiteby, ny aretina, ny asa mafy : samy mety miteraka ny Raritsaina avokoa izany. Hahazoana aretim-bavony, tsy fahitan-tory, famoizampo, korontana ara-pananahana, sns, ny Raritsaina. Azo tantanina tsara anefa ny Raritsaina na Stress.
STRESS ROA KARAZANA
Tsy azo eritreretina mihitsy izany hoe tsy ho tratry ny Stress izany, ary ny vatana aza dia mila azy io, amin’ny lafiny tsara, mba hahavitana zavatra lehibe. Eo ny Stress tsara, izay mitaona ny tenantsika hiady na handositra rehefa misy fanerena mahazo azy. Miantoka ny fahavelomana izany, ka tsy azo idifiana velively. Rehefa ambony sy mitohy kosa anefa io Stress io, dia mety hanimba ny vatana sy ny saina amam-panahy. Manampy trotraka azy ny karazan-tsakafo hohanina, ny fihetsika isan’andro, ny tsy fahaizana miteny « tsia », ny fifantohana be loatra nefa tsy mba mihanihany (humour), ny fampiasana telefaonina lava, sns.
C.I.N.E
Rehefa mipoitra ny toe-javatra CINE, dia tonga ny Stress, ary isika ihany no matetika mampiditra azy. Toe-javatra tsy voafehy (Contrôle), toe-javatra tsy ampoizina (Imprévisible), toe-javatra vaovao (Nouvelle), ary toe-javatra mahakitika ny fitiavantena (Ego) : ireo no miteraka ny Stress na Raritsaina. Amin’izany, dia tsy misy lalàna raikitra io fa ny isam-batan’olona dia samy manana ny fomba hiatrehany ny Stress. Sady tsy zavatra tsotra ny miatrika azy, no tsy misy fomba iombonana ihany koa momba izany.
MIAINA MIARAKA AMIN’NY STRESS
Misy fomba roa iainana miaraka amin’ny Stress. Voalohany, dia ny fiatrehana ny olana (actif), izay tsara kokoa. Aza mandray andraikitra na asa tsy ho vita rehefa betsaka ny efa sahanina. Mahaiza maka lesona tamin’ny zavatra niteraka ny Stress, dia ialao izany tsy hahavoa intsony. Faharoa, dia ny fanomezana laka ny fihetsehampo (passif), izay tsy tsara mihitsy. Manome tsiny ny hafa, mitaraina hoe tsy rariny, noho ny asa betsaka nasaina natao : ireo no anisan’ny ampisehoana ny fihetsehampo rehefa tafihan’ny Stress.
TETIKA MAHOMBY
Tsy misy olona tonga lafatra, na ny mpiara-miasa na ny tena. Misy lesoka avokoa, dia mba ekeo araka izany ny tsirairay. Mitaky fifandraisana amin’ny hafa izany, mba tsy ho giazan’ny Stress irery eo. Fantaro ary izay nahavoa, dia aza iverenana atao intsony. Fantaro koa izay tsara vita, dia tohizo hatrany. Mahaiza mifehy tena sy fotoana rehefa miasa, ary manaraka ny tanjona napetraka mialoha. Santionany ireo handresena ny Stress manimba,ary efa nahitan’ny maro tombontsoa tokoa.
Gazety Marturia vavolombelona