Fisotroandronono/ RABEARISOA Hermann

Atoa RABEARISOA Hermann 20 taona niasana teo anivon’ny Fitantanana Fananana ( FIFA) FOIBE FJKM

Nandritra ny 20 taona ( 1998 – 2018 ) niasana teo anivon’ny FIFA. Anisany lehibe ny asany satria niandreketany avokoa ny antontan-taratasy momba ny tanin’ny fiangonana manerana ny Nosy.

Fanetren-tena mandrakariva ary niasa mangina anefa izy nanatontosa izany asany izany nandritra izay taona maro izay. Ho azy mantsy dia ny fahasoavan’Andriamanitra no antony nahavitany izany asa makadiry izany. Izay indrindra no nakany ny teny tao amin’ny Soratra Masina manao hoe  » Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy…Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko » (I Kor. 15 : 10) nentiny nanamarika ny faha-20 taona niasany teo anivon’ny FOIBE FJKM sy ny fandehanany hisotro ronono.

Teny amin’ny Fitandremana Ilanivato Misionera, Synodamparitany Antananarivo Andrefana, no nanatanterahana fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra no ho izany andro lehibe izany ny Sabotsy 16 Desambra 2017. Nitarika ny fanamarihana ny jobily ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis, Filoha Mpanampy Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM. Notolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana izy mivady tao anatin’izany.

Ny 19 Septambra 1957 tao Anosimanjaka -Ambohitrimanjaka izy no teraka. 11 mianadahy izy no mpiray tampo, 7 lahy 4 vavy, ka izy no lahimatoa. Mianadahy ny zanany ary roalahy ny zafikeliny. Asa maro no efa nosahaniny nandritra nialoha ny niasany teo anivon’ny Foibe FJKM. Ankoatra ny tany amin’ny orinasa dia nitana andraikitra maro koa izy na teo anivon’ny fiangonana na ny fiaraha-monina. Olona tsotra, be fitiavana, mpandala fihavanana izy na teo amin’ny fiaraha-monina, na fianakaviana. Olona nitondra soa tokoa tamin’ireo sehatra maro samihafa nandalovany nanaovany asa ny tenany.

R.Philémon

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV