Fandalinampinoana /« Aza manahy… »

Fanahiana , ahoana  ny amin’izany ?

Manomboka ny taona vaovao. Fotoana fibanjinana ny hoavy izany ho an’ny ankamaroan’ny olona. Dia teraka eo ny fanahiana, izay misy tsara sy ratsy. Ho jerentsika tsotra ireo karazana fanahiana ireo, hahaizantsika manavaka ny vokany amin’ny ataontsika isanandro.

FANAHIANA TSARA SY RATSY

Ny fanahiana tsara dia mifandray amin’ny fahamailoana sy fitandremana tsy hanao kitoatoa, hamantatra tsara izay hatao sy ny làlana hizorana, ny vatsy tokony hananana eny an-dàlana, ny olona tokony hiarahan-dàlana. Santiona ireo mba hananana ny fanahiana tsara. Raha tsy mieritreritra ireo isika, dia handeha anjambany fotsiny, ary tsy afaka hihatsara mihitsy izay hatao.

Fa misy koa ny fanahiana ratsy, izay tena manimba tokoa ny manana azy sy izay manodidina azy. Ny vokany no azo ijerena azy ity. Na dia olana tsy toy inona akory aza, dia alehibezin’ny fanahiana ratsy, ka tsy resy intsony ny fahitana azy. Raha trotraky ny havizanana ny vatana, dia reraky ny fanahiana kosa ny fanahy. Indroa rendrika ny manana fanahiana ratsy, antsoina koa hoe: be fanahiana. Koa ny hery tokony ho enti-miasa anio dia nongotan’ny fanahiana ratsy, ary ny alahelo atahorany rahampitso anefa dia tsy voafafany akory.

FANAHIANA AO AMIN’NY SORATRA MASINA

Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia hotsongaintsika ireo vitsivitsy miresaka ny fanahiana. Ny Deo 1:29 dia momba ny tahotra ny Kananita (olona) no endriky ny fanahiana. Satria lehibe, matanjaka, mitoetra an-tanàna ka mahafehy ny faritra vao hidiran’ny Zanak’Israely: izany no fanahiana mamely raha hiditra io faritra io. Tsy mampatahotra izany, hoy ny Tompo, fa Izy no hiady hampandresy ny teny fampanantenana efa nolazainy fa handovan’ny Zanak’Israely io tany Kanana io.

Ny Oha 3:25 dia  miteny ny fanahiana raha mamely tampoka ny fampitahorana sy ny rivo-doza (na fandringanana ataon’ny  fahavalo). Zavatra tsy misy ahazoa-miomana firy izany fahavoazana izany. Nampanantena ny Tompo, amin’ny famelezan’ny olon-dratsy, na ny afitsoky ny loza natoraly, dia eo Izy ho toky sy hiaro ny olony.

Ny Mat 6:31-34 dia miteny ny fanahiana mifandray amin’ny filana fototra (sakafo, fitafiana). Tsy azo ihodivirana mihitsy izany, fa hiantohan’ny fahavelomana an-tany. Ekena eran-tany fa, voalohany amin’ny soatoavina (valeurs) izany, raha asiana ambaratongany. Fa izay tian’i Jesoa ho soatoavina ambony indrindra, dia ny amin’Andriamanitra : fanjakany sy fahamarinany. Ireo filana fototra ireo dia homen’ny Tompo, satria fantany fa tokony ho antsika zanany.

HANDRESENA NY FANAHIANA

Ny Fil 4:4-7 dia manolotra mazava izay handresena ny fanahiana ratsy ao amintsika. Ataony endrika 3FI izany: Fifaliana (and-4), Fivavahana (and-6) ary Fiadanana (and-7). Ny Fifaliana lalandava dia manafoana ny fiakaran’ny tosidra, manafoana ny rari-tsaina (stress), ahitana torimaso feno tsara, mampahavitrika hiasa, ary maha ela velona aza.

Ny Fivavahana dia mahalaza ny zavatra rehetra toy ny Fifonana, izay hanesorana ny lotom-panahy sy loton-tsaina manapoizina ny tena amam-panahy. Ny fisaorana dia manokatra ny mampahita ny tànan’ny Tompo nanolotra izay ananantsika, ka mitoetra amin’ny fanetrentena tsy mizahozaho mihitsy isika.

Ny Fiadanana dia zavatra ambony sy tsara lavitra mihoatra noho izay fitambaran’ny fahalalana rehetra ety ambany masoandro. Izany hoe, raha misy olona iray manana ny Fiadanan’ny olona voavela heloka, dia tsara lavitra izany noho izay saina ao amin’ny  olona 7 miliara ety ambonin’ny tany ankehitriny!

Dia “aza manahy” ary raha hiatrika ny taona vaovao, fa eo ny Tompo Jesoa miaraka amintsika ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Tony ary milamin-tsaina isika miaraka Aminy.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV