Jobily 25 Taona Sekretera Jeneraly

RADIMISAON  Andriamasinjara Jonah, Mpitandrina

JOBILY FAHA 25 T MAHA MPITANDRINA ( 1992 – 2017)

Notanterahina tao amin’ny FJKM RASALAMA MARITIORA TOLIARA, ny Alahady 19 Novambra 2017 ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra ho famaranana ny jobily faha 25 taona maha Mpitandrina ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM ankehitriny. Ny teny Faneva  nosafidiny mandritra izao fankalazana izao dia ny hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona” (Sal 107. 8). Fa iza tokoa moa izany mpanompon’Andriamanitra izany?

RADIMISAON Jonah, Mpitandrina, teraka tamin’ny 28 Jona 1966, tao Manjakandriana. Zanak’Atoa RADIMISAON, Mpampianatra (efa maty) sy Rtoa RAHANTAMALALA Félaçine. Folo mianadahy no mpiray tampo aminy, ary izy no zaza faha enina. Ny taona 1992, dia nanambady an’Rtoa RANDRIAMAMPIANINA Voahirana Elisa.  Nodimandry ity andefimandriny ity, ary nampakatra an’Rtoa RAVELOARISOA Blandine, Mpitsabo ho vadiny izy taty aoriana. Tokana ny zanany dia  Rtoakely RADIMISON Sedra Sarobidy, izay isaorana ny Tompo fa nahavita ny fianarana ambony tao amin’ny INSCAM Master II amin’ny làlam-piofanana “Commerce Internationale”.

Mbola mpianatra kilasy faha-3, tao amin’ny CEG Avaradrova ny Sekretera Jeneraly, no efa naniry ny hanao ny asan’ny Mpitandrina. Namolavola azy ho amin’izany faniriana izany, ny fanabeazana noraisiny tao amin’ny Fikambanana Tily eto Madagasikara, tao amin’ny FJKM Amboninampamarinana Fivondronana faha-XIX. Nandalovany avokoa ny seha-panabeazana teo anivon’ny Tily, nanomboka tany amin’ny Lovitao, Sampana maitso sy mena ary tonga Mpiandraikitra sy Filoham-paritany taty aoriana.

FANOVOZAM-PAHALALANA. ireto no dingana nolalovany:

  • Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea ankapobeny, dia nianatra tao amin’ny Kolejy Teolojika Ivato, ary nahazo ny mari-pahaizana “Bachelier en Théologie”.
  • Nanohy tao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, ary nahazo ny mari-pahaizana «Licence en Théologie» sy ny «Maitrise en Théologie».
  • Taty aoriana, dia mbola nanohy ny fandalinana tao amin’ny Oniversity FJKM Ravelojaona, ary nahazo ny mari-pahaizana “Master of Theology”.
  • Tany am-pitandranomasina dia nanovo fahalalana tany amin’ireto izy:
  • Ecole Internationale d’Evangélisation tany Kinshasa Zaîre, ka nahazo ny Diplôme de spécialisation dans l’Evangélisation et la Croissance de l’Eglise.
  • Centre Œcuménique Archevêque Desmond Tutu, ao Nairobi Kenya, ka nahazo ny Certificat de Mérite au Cours sur le leadership dispensé aux chefs d’église récemment élus, organisé par la CETA.

Marihina fa tamin’ny fianarana tao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, dia izy no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny mpiara-miofana,Taona faha-5 taminy. Torak’izany koa raha nianatra tany Zaîre ny tenany, tamin’ireo mpiara-mianatra taminy, izay avy amin’ny firenena 12 samihafa, dia mbola izy koa no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany. Nomena azy ny «Prix académinique 1996» tao amin’ity sekoly ity.

( Hotohizana)

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV