Hafatry ny Filoha (7)
Hafatry ny Filoha / Antso avo fahafito
7-Manao antso avo izahay mba hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika ka, eo anoloan’ny maha olom-pirenena malagasy antsika, ny zanaky ny FJKM rehetra, mahatsiaro fa nantsoin’Andriamanitra ho amin’izany, dia handray anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena amin’ny sehatra rehetra sy amin’ny toerana rehetra ilana olona eo amin’ny fitondram-panjakana. Ary amin’izany rehetra izany dia ho tena Kristiana sahy miavaka, sahy madio, ho fitahiana ho an’ny firenena sy fanasin’ny tany tokoa ny zanaky FJKM mandray andraikitra eo amin’ny fitondram-panjakana rehetra! Ary izay mirotsaka eo amin’ny sehatra politika dia hanao izany amin’ny toe-panahy kristiana, ho fanasoavana tokoa ny sarambabem-bahoaka ary tsy hitenenan-dratsy ny anaran’i JESOA KRISTY ! Ho politika ho enti-manompo ny vahoaka tokoa, atao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no hataon’ny zanaky ny FJKM rehetra! “Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”.
Ry havana Malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and. 265.8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM.
Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4: 1)
IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM