Fantaro ny momba ny FIFA FJKM !
1-INONA MOA NO ATAO HOE « FIFA »?
FIFA =Fitantanana ny fananana dia iray amin’ireo Komity natsangan’ny Synoda Lehibe FJKM, mba hanamora ny fanatanterahana ny vinany.
2- TANTARANY
Lava dia lava ny tantara,fa indro kosa misy zavatra vitsivitsy ho tsongaina :
- TAONA 1968: SYNODA LEHIBE I
Nitsangana ny FJKM , ary napetraka tamin’ireo Mpiandraikitra Foibe ny fananganana ireo Vaomiera samihafa
- TAONA 1970: SYNODA LEHIBE II
Iray amin’ireo vaomiera natsangan’ny FJKM ny Vaomieran ‘ny fananana, ary niova ho Komity Fitantanana ny Fananana taty aoriana, izay tendren’ny Mpiandraikitra Foibe mivantana, ireo mpikambana ao aminy.
- TAONA 1996 : SYNODA LEHIBE XIII
Tapaka fa hanangana SOCIETE IMMOBILIERE ny FJKM , hitantana ny fananany, tahaka ny efa nataon’ireo fiangonana nipoiran’ny FJKM (ny MPF ohatra,dia efa nanana izany SOCIETE IMMOBILIERE izany)
IZA AVY IREO FILOHA NIFANDIMBY ?
- RAKOTONIRINA CLAUDE
- RAJAON DAVID
- RAKOTONDRAMBONINA SOLOFO
- RAKOTOARISOA FELIX
TAONA 2016: SYNODA LEHIBE XVIII
Ireo Komitin’ny FIFA Ankehitriny
- SEKRETERA JENERALY
- TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY MPIASA SY NY VOLA
- RAKOTOARISOA Felix
- RAJAONARY Zo
- ANDRIANIRINA R. Vololona
- RAKOTONDRAMBONINA Solofo
- RASOLOFO Bernard
- RAKOTOARIMANANA Andriatsizehina
- RAKOTOMALALA Robert
- RAKOTONDRATSIMA Robinson
- RANDRIANASOLO Bodoarilanto
- RANDRIAMANANA Liva Falisoa
- RATOVONELIMANANA Denis
- ANDRIAMAMONJISOA Noro
- RANAIVO-HARISOA Rajerison
HAFATRA AVY AMIN’NY KOMITY FIFA
Ry Havana
Hampitombona mandrakariva aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory tamin’ny volana Oktobra 2015, dia nanapakevitra fa ny Alahady faharoa amin’ny volana Novambra dia natokana hitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny Fananana , manerana ny sahan’ny FJKM .
Ny vina ny Komity dia ny hoe : « FANANANA VITA ARA-DALANA HANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA SY HAMPANDROSOANA NY FIANGONANA. », ka mba hanatsarana hatrany ny fitantanana ny fananan’ny FJKM. dia manana andraikitra ny Komity FIFA :hamantatra, hamita ara-dalàna ny fanoratana ny fananana ho amin’ny anaran’ny FJKM araka ny Foto-dalàna sy Fitsipika ary ny lalàm-panjakana , hiaro, hampamokatra ary hampitombo izany.
Koa izany indrindra no hiantsoana sy hanentanana antsika rehetra mba hifanohana am-bavaka sy hifanome tanana, ka hanatsara hatrany ny fitantanana ny fananan’ny Fiangonana isan’Ambaratongan-drafitra : Fitandremana, Synodamparitany, sy ireo sampana, sampanasa ary asa.
Hamporisihana isika hanangana ny Vaomieran’ny Fananana.
Ny dinika na fanazavana ilaintsika amin’izany dia azonao atao ny manatona ao amin’ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely, rihana faha 6, varavarana 601.
Misaotra anareo sahady amin’ny rakitra sy ny fanohanana izay atolotrareo , izay haterina mivantana ao amin’ny Foibe FJKM varavaravana 208, na arotsaka ao amin’ny kaonty FJKM/FFF 00009 05020 1 100111011 3 48 BOA « B » Antaninarenina, na koa atambatratreo any amin’ny Synodamparitany izay handrotsaka izany aty amin’ny Foibe.
Manao veloma finaritra ombam-pitahian’ny Tompo ary misaotra sahady ny amin’izay hataonareo
“Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora, “ (Mat 25:13).
Amin’ny anaran’ny Komity FIFA
Ny Filoha : RAKOTOARISOA Felix
Ny Tale : RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja ,Mpitandrina
tale.fifa1@gmail.com na 033 37 991 38