Alahadin’ny S.AFF 2017 .

SAMPANASA  FITORIANA NY FILAZANTSARA

Fiangonana  ho  an’ny isan-tanàna

Filazantsara  ho an’isam-batan’olona

Alahadin’ny AFF 2017.

10 Septambra 2017

Fiarahabana  Apostolika

Fiderana  an’ Andriamanitra

Salamo 33.1-6  ( and 1-3 mpitarika , and 4-6  fiangonana)

Hira 18.1,3,4

Vavaka

Fankalazana  ny Tenin’ Andriamanitra

5 mn Sekoly Alahady

Hira 216 : 1,3

Vavaka

Vakiteny :  Dan 3.19-30 / Mar 8.34-38 / 2 Tim 1.3-12

Toriteny

Fiaikenkeloka

Vavaka

Hira 408.1,4,5

Famelankeloka : Jer 31.10-12

Hira 430 .1,3

«  Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany »

Fanekempinoana  lah . III

Filazandraharaha

Fanatitra

Asa vavolombelona

Famaranana

Hira 231

Tsodrano

Hira 338

Amin’ny Anaran’ny Ray   sy ny  Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amena

………………………………………………………………………………………………………………..

TORITENY

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika “ II Tim 1/8

Ity andinin-tsoratra Masina ity dia teny fampirisihana nataon’i Paoly tamin’i Timoty; nefa koa dia noraisin’ny FJKM mba ho teny faneva hanentanana ny kristiana sy ny fiangonana rehetra hijoro ho vavolombelon’ny Tompo, ka hamonto Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Fisaorana an’Andriamanitra sy fampirisihana ary firotsahana an-tsehatra no ampitan’i Paoly ny hafatra .

I-Fisaorana an’Andriamanitra ( IITim 1/ 3-5)

Misaotra an’Andriamanitra i Paoly ; fa ny tena manosika azy hisaotra an’Andriamanitra dia ny fahatsiarovany ny nitondran’ireo raiamandreniny azy tamin’ny fivavahana izay narahany. Fantantsika tsara koa ny fifikiran’I Paoly tamin’ny fivavahana Jiosy ; ka na efa tonga kristiana aza izy dia mbola ny hafanam-po sy fitiavana nirehitra tao anatiny no nentiny nanompoan’i Jesoa Kristy . Teo koa ny fahatsiarovany an’i Timoty sy ny finoana nolovany tamin’ny renibeny sy ny reniny.

Tonga hery ho an’i Paoly nisedrany ny làlan-tsarotra nodiaviny izany fahatsiarovana tao aminy izany. Maro ny toe-javatra ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika , ary ireny rehetra ireny dia mahatonga antsika hisaotra an’Andriamanitra ,satria entiny hampaherezany ny mpanompony hanatanteraka ny fijoroana ho vavolombelony ary mihoatra noho izany dia mampirisika an’i Timoty i Paoly.

II- Fampirisihana mba tsy ho menatra ( II Tim 1/6-8)

Mihoatra noho izany toe-javatra nahatonga an’I Paoly hisaotra an’Andriamanitra izany ny fampirisihana an’I Timoty mba tsy ho menatra na hatahotra fa ho sahy ho vavolombelona .Ny vavolombelona dia olona mahazo antoka ny fahamarinana tànany, ka tsy miala amin’izany na dia mihatra amin’ny ainy aza ( maritiora ) . Tsy vitan’ny fisainan’olombelona izany fa asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny . Koa izany no hampahatsiarovan’I Paoly an’i Timoty satria vavolombelona manatri-maso I Paoly, fa efa nandray ny Fanahy Masina I Timoty, ary ny herin’ny Fanahy Masina no ahazoany manatanteraka izany.

Ny Fanahy Masina dia raisina avy amin’Andriamanitra amin’ny fandraisan-tànana ary mila tandremana mandrakariva . Hoy i Paoly ao amin’ny I Tim 4 /14 : « Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao , izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy fametrahan-tanan’ny loholona « Afo mafana ny Fanahy Masina , ary io no ahazoana misedra zava-tsarotra sy fahoriana . Mila arehitra mandrakariva koa anefa izany araka ny I Tes 5/19 hoe : » Aza mamono ny Fanahy  » , vavaka tsy mitsahatra sy fiainana ny tenin’Andriamanitra ihany anefa no amelomana izany fanomezam-pahasoavana izany. Tsy natao ho tehirizina fotsiny anefa io Fanahy Mahery io, fa mitondra ny olona hirotsaka amin’ny fitoriana ny Filazantsara.

III – Firotsahana amin’ny fitoriana ny Filazantsara ( II Tim 1/9-12)

Ny Fanahy dia mampahatsiaro hatrany ny fiantsoana izay niantsoan’Andriamanitra ny mpanompony , dia ny hitory ny filazantsara .

Ny Filazantsara, hoy I Paoly dia : fikasan’Andriamanitra sy fahasoavany izay nomena tao amin’i JESOA Kristy . Izany dia tiany hampaherezana hatrany an’ i Timoty sy ny mpitory Filazantsara rehetra , fa Andriamanitra dia miara-dia mandrakariva amin’ny irany, satria hatrany am-piandohana koa no efa nanomanany ny famonjena ho azy ireo.

Nasehony tao amin’i Jesoa Kristy io herin’ny Filazantsara io ka nandreseny ny herin’ny ratsy rehetra hatramin’ny fahafatesana . Mifototra ao amin’i Jesoa Kristy ny Famonjena dia ny fampisehoana mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana .

Io Filazantsara izay zavatra lehibe indrindra amini Paoly io no natolotra azy ka noraisiny ho adidy ( ITim 1/11) ; ary mivonona izy hitondra izany Filazantsara izany ho amin’ny Jentilisa izay olona tsy manana an’Andriamanitra , sy hanao ny tatitra amin’ny andro lehibe izay hampamoahana azy ny asa fitoriana nataony. Milaza izany fa ny asa fitoriana ny Filazantsara dia asa fototra niantsoana ny mpanompon’Andriamanitra na ny Fiangonana; tsy vitan’ny herin’olombelona fa tohanan’Andriamanitra ary hivononana hotanterahana mandra-piavin’ny Tompo hanaovana ny tatitra tamin’izay natao.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra . Amen!

 

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV