SAF FJKM / Cyber.

Ao amin’ny
fivarotam-boky ANTSO Analakely.

     Misokatra nanomboka ny talata 11 Jolay lasa teo ny « Cyber » ao amin’ny trano fivarotam-boky ANTSO Analakely. Natao ho an’ny rehetra izy io ka afaka miditra manao serasera ao avokoa ny tanora, ny ray aman-dreny, ny Mpitandrina, sns. Manao ny asa rehetra fahita amin’ireny toerana ity napetraka ity (multiservices: impression, scan, reliure,…), ary azo atao ihany koa ny mifandray amin’ny any ivelany amin’ny alalan’ny Webcam. Misokatra izy manomboka amin’ny 8 ora sy 30 mn maraina ary tsy mihidy raha tsy amin’ny 4 ora sy 30 mn hariva.

     Fiaraha-miasan’ny SAF FJKM sy ny Diakonie, izay fikambanana any Alemaiña miankina amin’ny fiangonana, ity toeram-piseraserana ity. Miara-miasa amin’ny Tranomboky ANTSO kosa ny SAF amin’ny  resaka toerana misy azy izao.

     Firenena andalovan’ny rivodoza isan-taona i Madagasikara, ary miara-dalana amin’izany ny olana sy voina samihafa aterany toy ny tondradrano, sns.  Ho fandraisana anjara biriky amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana sy ny firenena amin’ny fotoana toy izany no nahatonga ny FJKM nanangona mpilatsaka an-tsitrapo « volontaires ». Miisa  2000 latsaka izy ireo ankehitriny no miasa any amin’ireo toerana samihafa izay lasibatry  ny loza voajanahary. Misy faritra miisa efatra, ankoatra ny eny amin’ny tanàna avaratr’Antananarivo, dia ny faritr’i Boeny, Atsimo atsinanana, Menabe, ary Atsinanana ( Soanierana Ivongo) no iasany. Mba hahafahana mampiodina sy mandrindra ny asan’ireo “volontaires” ireo, dia tsy maintsy napetraka ny rafitra amin’ny asa mampidi-bola, ka anisan’izany ity ”Cyber” ity. Izay indrindra no hanentanana ny kristiana FJKM rehetra ho amin’ny fanohanana izany.

R.Ph

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV