S.DORKASY / Lasy tselatra I
FANASANA
Miarahaba anareo rehetra nahatafita soa ny krismasy 2016 ka nahatratra izao taona vaovao 2017 izao . Ho taona hitomboana mandrakariva amin’ny fanompoana ny Tompo anie izao taona vaovao diavintsika izao .
Araka ny fandaharam-potoan’ny Foibe Dorkasy dia hotanterahina ny ALAKAMISY 02 FEBROARY 2017 ho avy izao ny Lasy Tselatra voalohany amin’ity taona ity . Izany dia hatao ao amin’ny FJKM Ambonin’ Ampamarinana , SP Antananarivo Andrefana (SP AA 10). Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 2 ora tolakandro .
Koa manasa antsika rehetra ho tonga hanatrika aizany fotoana izany .
Ny Birao .