SP 12 / FJKM ANONIMASINA ZIONA Ambatolampikely

Synodamparitany Antananarivo Atsinanana

 

“…ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako .” (MAT 16.18)

“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.” (2 KOR 9.15).

Izany no andalan-tsoratra Masina ambaranay eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny nanirahany anay eto amin’ny FJKM ANONIMASINA ZIONA. Lanonana maro sosona no nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny.

Napetraka ny Alahady 13 novambra 2016 ny Mpitandrina RASOANAIVO Rinà hitondra sy hitaiza ny Fitandremana, izy no Mpitandrina faha-roa ambinifolo eto amin’ny Fitandremana nandritra ny 54 taona niorenan’ny Fiangonana, Mpitandrina vehivavy voalohany nirahina eto. Ny Mpitandrina RANDRIANARISOA Manana Harinivo, Mpandraharahan’ny Synodamparitany no iraky ny synodamparitany nanatanteraka

izany, sady nitondra ny hafatr’ Andriamanitra rahateo niainga tamin’ny 1 TIM 5.1-8.

Nampahatsiaroviny ny antony anirahana mpanompo amin’ny toerana iray dia hitaiza

amin’ny maha-olona feno sy ny olona manontolo indrindra ny ara-panahy, hanitsy. Nambarany ihany koa izay miandry ny Fiangonana amin’ny fiahiana, ny fitondrana ny mpiasam-piangonana araka ny Fotodalana sy ny Fitsipika ary ny Fitondrana faoben’ny Mpiasa FJKM. Natao nandritra ity fotoana ity ihany koa ny fankasitrahana ny Filohan’ny Zanaka am-pielezana teo aloha , nitondra ny fikambanana nandritra ny 26 taona Ramatoa Georgette RAKOTOMALALA . Ny Filoha amperinasa mitantana izany Fikambanana izany dia Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Gérard.

Niara-niombom-pifaliana tamin’ny Fiangonana sy ny Zanaka ampielezana ny Katekomena avy any amin’ny FJKM Ambohimandroso Fiorenana Itaosy (SP 10) notarihan’ny Mpitandrina SOAVINARIVO Tiburce, izay nanao Tafika Masina teto an-toerana nandritra ny hateloana.

Nankalazaina ny Alahady 20 novambra 2016 ny faha-10 taona ny Rantsana Fanantenana

Sampana Vokovokomanga , izay notokanana araka ny fomban’ny Fiangonana niaraka tamin’ny fanamiana koa. Notsofindrano sy natolotra ny Fiangonana tamin’izany koa ireo Mpiandraikitra Rantsana Fanantenana fito mianadahy mianaka. Nisy ny fitokanana Takelabato fahatsiarovana izao fotoan-dehibe izao. Andriamatoa RABEMANARIVO Tiarisoa no Filohan’izany Sampana izany ankehitriny. Notarihan’ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry, Tonian’ny SVM Foibe izany.

Samy nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ireo lanonana samihafa ireo ho fiombonam-pifaliana sy manamarika ny maha-zanak’Andriamanitra.

“  Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. “ (3 JAO 4)

 

RASOANAIVO Rinà, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV