Fiarahaban’ny FILOHA / Taombaovao 2017 .
HAFATRA TAOM-BAOVAO 2017 .
Amin’ny hafaliana be
No anoloram-piarahabana
Ho antsika mianakavy
nahatratra soa aman-tsara
izao taona vaovao izao !
Eny , isaorana ny Ray
Izay nitahy hatram’izay,
ary ankehitriny indray
Dia manavao ny indrafony
Ka manolotra ny Taona !
Enga anie ity taona ity
Hisehoan’ny Voninahiny
Mihoatra noho ny hatram’izay,
ka isika rehetrarehetra
Na ny isam-batan’olona
Na ny isan-tokantrano
Ho fahazavana sy ho fanasina
Izany Anarany malaza!
Enga anie ka hotahiana
Ny fikasana tsara maro
Tsy hitoetra ho eritreritra
Na hatory an-taratasy
fa hivadika ho bainga,
tena asan’ny finoana
hiderana an’i Jesoa!
Enga anie isika rehetra
Izay mikambana ho Fiangonany
Tena ho feno ny Fanahy,
Tena hahajoro marina
Sy havitrika tokoa,
hiara-miezaka , hilofo,
ary tsisy hialangalana
Hamonto Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara!
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi
Mpitandrina
Filohan’ny FJKM