SP Toliara Fihavaozana / Fiangonana Beroroha

Isaorantsika Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny fitokanana ny Trano fiangonana FJKM FAHAZAVANA FANJAKANA Beroroha, SP Toliara Fihavaozana ny Alahady 20 Novambra 2016. Trano Fiangonana izay natao ho Tsangambaton’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taona ny Asa Fitoriana ny Filazantsara.

Isaorana manokana eto ireto sokajy telo tonta ireto izay nifarimbona tamin’ny fiantohana ny lany tamin’ny fanamboarana ny trano :

Ny AFF Foibe,

ny FJKM Isotry Fitiavana,

ny FJKM Analakely.
Nanomboka ny taona no namaky lay tany an-toerana isika tamin’ny alalan’ny FJKM TSARAZARA Ankazoabo Atsimo izay notarihin’ny Mpitandrina RANDRIAMANANJARA Nonot Daniel. Lavitra tokoa ny toerana misy an’i Beroroha satria 1040 km izy raha miala avy aty Antananarivo.

Fomba roa no ahafahana tonga any an-toerana : na avy eo Sakaraha no miditra na avy eo Ranohira. Izay samy lalan-dratsy tokoa ary andehanan’ny fiara 4×4 matanjaka eo amin’ny adiny valo hatramin’ny adiny folo eo ho eo.
Ny FJKM Fahazavana Fanjakana no Fiangonana FJKM niorina voalohany manerana ny distrikan’i Beroroha. Ny Mpitandrina voalaza anarana etsy ambony no Mpitandrina faharoa mitandrina ao. Ny mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis, Filoha Mpanampy ny FJKM sy ny Sekretera Jeneraly ary ny Prezida Synodaly Toliara ary ny Mpitandrina FJKM Analakely sy ireo kristiana avy ao Isotry Fitiavana no tonga nifanotrona tany an-toerana tamin’ny fotoam-pitokanana.
Marihina fa ny toerana misy ny Commune Fanjakana sy ny renivohitry ny Distrika Beroroha dia mbola misy elanelana 8 km, làlam-pasika ary miampita renirano lehibe roa dia i Mangoky sy i Malio. Tsy nijanona tao Fanjakana izahay fa niezaka niampita nankany Beroroha renivohitra. Efa misy vondronolona FJKM miara-mivavaka ao, saingy mbola ao amin’ny efitranon’ny Sekoly EPP izy ireo no mivavaka. Misy mpino manodidina ny 10 eo ho eo izy ireo no tonga miangona ao. Efa nahazo tany mirefy 1ha 500 izy ireo mba hanorenana Fiangonana. Ramatoa RASOANANDRASANA Georgette, no mitarika ny fiaraha-mivavaka any an-toerana. Ity no laharana Finday ahazoana azy 034 66 418 54.
Tena saha vaovao ho antsika FJKM ary mbola hanjakan’ny aizina ny any an-toerana. Koa manao antso ho antsika, mba hanohanana ny asa any an-toerana (Tafika Masina, fanomezana, fitrotroana am-bavaka, sns …). Azontsika atao tsara ny miantso ilay laharana Finday. Zava-dehibe koa raha misy Fiangonana vonona ny haniraka sy hiantoka Katekista hiasa any an-toerana.
RADIMISAON Jonah, Mpitandrina
Sekretera Jeneraly FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV