Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
<< MAMONJY AMIN'NY FAHAFATESANA NY TOMPO.>>

Navigation

Fandaharana MaTV

«FJKM FAHAZAVANA»

Romana 1:17

Fanambaram-pinoan’ny FJKM

 

Vakio ihany koa

Vakio ihany koa

NY FANAMBARAM-PINOAN’NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

Tamin’ny fivoriana nataony tamin’ny 21 - 25 avrily 1958 no nanapahan’ny Komity Lehiben’ny Firaisana ny « Fanambaram-pinoan’ny Fiangonan’i Kristy aty Madagasikara-Avaratra », fa izany no anarana niantsoana ny Fiangonana Miray, izay « ho FJKM », tamin’izay..Navoaka teo amin’ny trakitra nampitondraina ny lohateny hoe : "Komitin’ny Firaisana, ny zava-dehibe vitany" tamin’ny Jolay 1961 io Fanambaram-pinoana io. Satria isan’ny asa nampanaovina ny Komitin’ny Firaisana izy io, dia mety aloha ny hanaovantsika topimaso amin’ny loharano niteraka ny ony, vao manazava ny tantaran’ny Fanambaram-pinoana. Ny hamaranantsika ny famoaboasan-kevitra dia ny fanehoana ny eritreritra vitsivitsy.

1. NY TANTARAN’NY FANAMBARAM-PINOANA

1.1. Ny niandohan’ny Komitin’ny Firaisana

Loharano telo no niteraka ny FJKM dia ireo Fiangonana naorin’ny LMS, ny FFMA ary ny MPF. Samy nanana ny faritra niasany izy ireo nefa nisy fotoana nampiray azy toy ny fananana Baiboly sy Fihirana iombonana, ny fahazoana mifanakalo Alitara sy Polipitra, ny fiaraha-miasa tamin’ny alàlan’ny Isan’Enim-Bolan’Imerina. Nirin’ny ankamaroan’ny Kristiana malagasy ny hiraisan’ny Fiangonana telo satria noheveriny fa tsy misy vato lehibe nisakana izany, fa ny Misionera no nitondra ny fisarahana nisy tany aminy nanketo amintsika ; ohatra : jereo ny lahateny nataon’i Pasteur Rabary tamin’ireo solontena vahiny namonjy ny Konferansa Intermisionera voalohany (1913).

Azo lazaina fa ny Ady Lehibe Faharoa (1939 – 1945) sy ny vokatra naterany no nanokatra ny mason’ny Misiona, ka nanetsika azy ireo hiteraka ny Fiangonana naoriny ho amin’ny firaisana sy ny fizakan-tena :

- Sahirana tamin’ny fanarenana ny rava ny tany Andafy ka nahatsiaro fa sarotra ny miloloha rano roa siny ;

- Ny « Tabataba tamin’ny 1947 » dia niseho indrindra teo amin’ny sahan’ny LMS, FFMA, MPF. Raha namangy teto Madagasikara ny Rev Hurst, Sekretera tao amin’ny Foiben’ny LMS tamin’ny 1947 dia naneho mazava ny tokony hizakan’ny Fiangonana miray amin’ny LMS, FFMA, MPF tena ka hampizorana azy amin’ny firaisana (jereo ny tatitra nataony).

Tamin’ny 1947 ihany, namangy teto ny Pasteur Marc Boegner, Filohan’ny MPF sy ny Pasteur André Roux, Directeur Adjoint. Nanatona azy ireo Andriamatoa isany : Ravelojaona, Ravelomanana, Joseph Rajaonarivony, J. B. Ralambomahay, ka nanolotra antontan-taratasy manazava ny tokony hampitomboana ny andraikitra hapetraka amin’ny teratany sy hanovàna ny fomba fiasa ao amin’ny MPF eto Madagasikara.

Nahatsapa ny tokony hiovàna famindra koa ny Konferansa Intermisionera fahenina nivory teto Antananarivo tamin’ny 5 – 9 Aogositra 1948 ; hoy indrindra ny Pasteur J. Vernier hoe : "Raha bangoina izay tokony hitondrana ny Fiangonana eto Madagasikara dia ireto ampehezany telo ireto no hilazako azy :

- 1. Tsy maintsy mitaiza azy ho amin’ny fizakan-tena ;

- 2. Tsy maintsy manomana azy ho amin’ny firaisana ;

- 3. Tsy maintsy mitarika azy hijoro eo afovoan’izao tontolo izao …

Ary dia tsy maintsy hanana fotopinoana tafaorina mafy tsara ny Fiangonana mahazaka tena, dia hevitra teolojika avy amin’ny fo malagasy, vokatry ny fandinihana ny Soratra Masina".

Ny taona 1950 no nahaterahan’ny Komitin’ny Firaisana. Nisy ambaratonga toy izao no nijoroany :

- 20 Janoary 1950 : nivory ny Komitin’ny FFMA handinika ny toe-javatra nisy, indrindra ny fahasahiranan’ny Foibe haniraka Misionera ho aty Madagasikara. Nanatrika izany i Miss Margaret Emmutt, solontenan’ny Foibe avy any Londres.

- 08 Febroary 1950 : nivory voalohany ny "Comité d’Etudes" nahitana solontena telo avy isaky ny Misiona (LMS, FFMA, MPF).

- 11 Marsa 1950 : nanoratra taratasy tamin’ny LMS sy ny MPF ny Isan-Kerin-Taonan’ny FFMA naneho ny faniriany ny handinihana ny hampiraisana ny Fiangonana miray amin’ny Misiona telo tonta.

- Mey 1950 : rehefa naneho ny fanekeny ny Fiangonana miray amin’ny LMS sy MPF dia samy nanendry solontena malagasy roa avy isaky ny Misiona miampy solontena iray avy, irahin’ny I 6 B.

- 8 Novambra 1950 : nivory voalohany ny Comité Mixte. Nanato hoe Comité Mixte satria niaraka ny solontenan’ny Misiona efa tao amin’ny Comité d’Etudes sy ireo solontena malagasy.

Fanapahan-kevitra noraisina : hirvory in-droa isam-bolana ny Comité Mixte mandra-pahatanteraky ny fijoroan’ny Fiangonana Miray.

Fanamarihana : Matoa ela vao tanteraka ny fijoroan’ny Komitin’ny Firaisana (Cf lahatenin’ny Pasteur Rabary, 1913), dia tsy tokony hadinoina fa misy "akony politika" goavana ny fijoroan’ny Fiangonana protestanta ho amin’ny fizakan-tena sy firaisana : Ny fizakan-tenan’ny Fiangonana dia noheverin’ny mpanjanatany ho endriky ny fahaleovantenan’ny Firenena.

Manaraka izany, nomarihin’i Rev. Hurst fa nanaitra azy loatra ny fiankinan’ny Kristiana malagasy main’ny "Ray aman-dreny Misionera" sy ny fanajany azy ireo, raha ampitahaina amin’ny Fiangonana any India Atsimo. Izany no ela fa andeha hojerentsika ny Tantaran’ny Fanambaram-Pinoana.

1.2. NY TANTARAN’NY FANAMBARAM-PINOANA

Nanahirana fatratra ny Komitin’ny Firaisana ny mikasika ny Fanambaram-Pinoana. Tamin’ny voalohany, nolavina mihitsy ny hanaovana izany. Raha nandroso anefa ny asany dia tsapa ny hilana ny Fanambaram-Pinoana fototra. Izay vao niditra amin’ny fanekena handrafitra ny Fanambaram-pinoana izay nandaniana fotoana lava. Hojerentsika ireo dingana telo ireo :

1.2.1. Ny fandavana

Andriamatoa Pasteur Jacques Vernier no nanao ny tatitry ny asan’ny Comité d’Etudes tamin’ny fotoana voalohany nivorian’ny Comité Mixte (7 Novambra 1950). Nambarany fa andraikitry ny Fiangonana ny mandrafitra ny Fanambaram-Pinoany rahatrizay tanteraka ny firaisana. Ny fandinihana ny mikasika ny Fitsipiky ny Fiangonana no anjarany. Ny fotopinoana mampisaraka, fa ny asa no mampiray.

Noho izany, ny asa natolotra hodinihin’ny Komitin’ny Firaisana amin’ny fivoriany manaraka dia ireto :

- Ny fanokanana ny Mpitandrina ;

- Ny fanofanana ny Mpitandrina ;

- Ireo fanompoana samihafa ao amin’ny Fiangonana ;

- Ny fahefana sy ny ambaratongam-pahefana ;

- Ny Litorjia ;

- Ny boky sy ny gazety ilain’ny Fiangonana.

Tsy nasian-teny ny tokony hanaovana fanambaram-pinoana.

1.2.2. Ny Fanambaram-Pinoana Fototra

Tsapa teo amin’ny fiainan’ny FUACE sy ny COE fa ilaina ny hananana Fanambaram-Pinoana Fototra hahazoana miara-miasa. Noho izany, ny Komitin’ny Firaisana dia nifanara-tsaina hanambara fa : « Jesosy Kristy no eken’ny Fiangonan’i Kristy eto Mdagasikara Avaratra ho Tompony sy Mpamonjy azy ary ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Soratra Masina sy izay anazavan’ny Fanahy Masina azy no raisiny ho loharano sy fitsipky ny finoany sy ny fiainany » (Avrily 1952).

Hita ao amin’ny Fotodalàn’ny FJKM io Fanambarana Fototra io.

1.2.3. Fanambaram-Pinoana

Nivory tany Londres ny solontenan’ny Misiona telo (LMS, FFMA, MPF) tamin’ny Septambra 1952 ary nasehon’ny LMS tamin’izany fa ilaina ny handrafetan’ny Fiangonana Mlagasy Fanambaram-Pinoana. Tsapa ny hilàna izany araka izay hita tany India Atsimo.

Naposaky ny Rev. J T Hardyman tao amin’ny Komitin’ny Firaisana izany hevitry ny LMS izany, nefa nisy mpanohitra.

Hoy ny FFMA : "Lavitra loatra i Londres" (ka tsy mahalala ny olana aty Madagasikara).

Hoy ny MPF : "Tsy anjaran’ny Komity no manao Fanambaram-Pinoana, fa anjaran’ny Fiangonana. Ny anjaran’ny Komity dia manatanteraka ny firaisana".

Raha nivory nefa ny Synoda Jeneralin’ny LMS (1954) dia nitaky tamin’ny fomba hentitra fa ilaina ny handrafetan’ny Komitin’ny Firaisana Fanambaram-Pinoana. Nekena ny fotokevitra, ka teo anelanelan’ny Novambra 1954 – Jona 1955 no nanaovana izany.

Mety ny manamarika fa tsy nanana fahefana feno akory ny Komitin’ny Firaisana fa volavolan-kevitra no atolony hodinihin’ny Fahefam-piangonana vao averina any aminy. Mba hahitantsika ny fahasahiranana, ny fotoana lanin’ireo mpialoha làlana antsika dia indro fintinina ireo dingana samihafa nolalovan’ny Fanambaram-Pinoana.

1.2.3.1. JONA 1955

SASIN-TENY : "Mahatsiaro ny Komity fa tokony hamafisina indrindra hatrany ny hoe : Jesosy no eken’ny Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara Avaratra ho Tompony sy Mpamonjy azy". Tao an-tsainay koa ny maha-zanaky ny Fanitsiam-pivavahana tamin’ny zato taona faha-XVI ny Fiangonantsika eto Madagasikara. Ary izahay dia mahatsiaro mandrakariva amin’ny fanetren-tena fa ny fomba fitenintsika olombelona dia tsy afaka hilaza tsara araka izay tokony ho izy ny fanambarana avy amin’Andriamanitra. Koa amin’izany na dia miankina amin’ny teny avy amin’ny Soratra Masina aza ity Fanambarana ny finoana avy amin’ny Komitin’ny Firaisana ity dia tsy azo lazaina hoe : feno sy tanteraka izy. Mety mahasoa ny Fiangonana sy ny Kristiana tsirairay nefa, raha manondro mazava ny zava-baventy hita ao amin’ny Soratra Masina ity fanambarana ny finoana ity.

ARAKA IZANY NY FIANGONANA DIA MANAIKY SY MANAMBARA :

And. 1 : Ny Soratra Masina, loharanon’ny fahalalana an’Andriamanitra.

And. 2 : Ny Famonjena.

And. 3,4,5 : Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

And. 6 : Fiangonana

FEHIN-TENY : Efesiana 3, 20 – 21.

FANAMARIHANA : nekena ny fangatahan’ny MPF mba hampitomboana ny isan’ny solontena malagasy ao amin’ny Komitin’ny Firaisana ka ho sivy ny Mpitandrina ary enina ny Laika.

1.2.3.2. FEBROARY – MARSA 1957

Nangataka ny Komitin’ny Firaisana mba hampiana Andininy faha-7 ny Fanambaram-Pinoana, hilazana ny "Fiainana ho avy". Napetraka amin’Atoa J.W. Rabemanahaka ny fanoratana izany.

1.2.3.3. 17 JOLAY 1957

Namboarina araka izao ny filaharan’ny andininy :

SASIN-TENY

And. 1,2,3 : Andriamanitra, Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

And. 4 : Ny Soratra Masina.

And. 5 : Ny Famonjena.

And. 6 : ny fiainana ho avy

FEHIN-TENY : Efesiana 3, 20 – 21.

FANAMARIHANA  : Hiova ny nedriky ny Komitin’ny Firaisana ka ilay Komitin’ny Firaisana (K.F.) dia hanjary Soba-Komity ary hatsangana ny Komity Lehibe izay hitambaran’ny Soba-Komity (24) sy ny Solontenan’ny Synoda (12 x 3 = 36). Tsy haverina hodinihin’ny Synoda intsony ny hevitra tapaky ny Komity Lehibe fa manan-kery avy hatrany.

1.2.3.4. 21 – 25 AVRILY 1958

Nivory ny Komity Lehibe ary nolaniany tamin’izany ny Fanambaram-Pinoana novolavolain’ny Komittin’ny Firaisana tamin’ny 17 Jolay 1957. Io izany ilay Fanambaram-Pinoana eo am-pelatanantsika saingy misy fanamarihana vitsivitsy hamaranana ity tari-dresaka ity.

1.3. Fanamarihana vitsivitsy

- 1. Misy fanontaniana tsy nahitako valiny ka apetrako amin’ny mpikaroka :

- 1.1. Oviana no nanafoanana tao amin’ny Fanambaram-Pinoana ny

SASIN-TENY izay tena mavesa-danja tokoa ?

- 1.2. Misy nanampy ao amin’ny And. 2, 6 mikasika an’i Jesoa Kristy. Oviana no natao io fanampiana io ary iza no nanampy azy ?

- 2. Rehefa vita ny Fanambaram-Pinoana taorian’ny fandaniam-potoana lava, dia navalona fa tsy nampiasaina ka tsy misy mahalala firy. Inona no mahatonga izany ?

- 3. Nanaovan’ny FJKM fanitsiana ny Litorjia, novana matetika ny Fotodalàna sy Fitsipika. Ilaina ve ny mandinika indray io Fanambaram-Pinoana io alohan’ny faha-25 taonan’ny FJKM sy ny faha 35 taonan’ny naneken’ny Komity Lehiben’ny Firaisana azy ?

FEHIN-TENY

- 1. Zava-dehibe ny fikarohana ataontsika handinihana ny maha-izy azy ny FJKM. Efa nataontsika izany teo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana. Tohizana izany amin’ny alàlan’ny Fanambaram-Pinoana. Tsy tokony hijanona eo antenantenany isika fa hanohy ny fikarohana.

- 2. Ilaina ny mamaritra tsara araka izay azo atao ny Fotopinoana tanantsika. Azo atao tsara ny miainga amin’ny zava-misy dia ny Fanambaram-Pinoana nataon’ny Komity Lehiben’ny Firaisana. Inona no misakana antsika tsy hanaparitaka izany any amin’ny Fitandremana, Synodam-Paritany, Toeram-Panomanana hahitana ny fanamboarana tokony hatao. Anjaran’ny Synoda Lehibe no manao ny fanapahan-kevitra farany. Azo atao koa ny mampitaha ny Fanambaram-Pinoan’ny FJKM amin’ny Fanambaram-Pinoana notapahin’ny Synoda Lehibe tany Antsiranana tamin’ny 1982, ho fanomanana ny firaisany amin’ny FLM. Io Fanambaram-Pinoana io dia lava sy feno kokoa ary azo ampifamenoina amin’ny an’ny FJKM. 

- 3. Ny dingana manaraka dia ny fanazavana amin’ny antsipiriany io Fanambaram-Pinoana io, hanjary ho Dogmatika FJKM. Tsy voatery ho olon-tokana no hanao izany, fa amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa (travail d’équipe). Io Dogmatika FJKM io dia hanjary iray amin’ny fitaovana hampiasaina eny amin’ny TPM, hodinihin’ny mpiasa amperin’asa sy ny Kristiana afaka manao izany.

- 4. Tsy ny Kristiana rehetra nefa no afaka hampiasa ny Dogmatika. Noho izany, ilaina ny mamintina ilay boky hanjary Katekisma. Tsy ho fanomanana ny Katekomena ihany ny Katekisma fa ho fitaizana ny finoan’ny Kristiana rehetra "mba ho fanatanterahana ny olona masina ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny Fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy" (Efes. 4, 12 – 15).

- 5. Ny Fotopinoana mazava no mety hitarika ny fanitsiana ny Fotodalàna sy Fitsipika, ny fanamboarana ny Litorjia izay tokony ho eo am-pelatànan’ny « vahoaka kristiana rehetra » fa tsy ny Mpitarika ihany.

- 6. Marina fa ny fakam-panahy eo amin’ny Fiangonana manana ny "maha-izy" azy dia ny fitompoan-teny fantatra, ny fanadinoana fa ny Fiangonana dia "tokony hitombo sy handroso". Hoy Andriamatoa Jonson Rakotonirainy Mpitadrina hoe : "Fatratra ny Refôrme amin’ny teolojia, fa ny Evanjelika kosa no havanana eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara".

Anjarantsika no mampifandrindra ny fananana Fotopinoana mazava sy ny faatanterahana ny baikon’ny Tompo manao hoe : "Ataovy mpianatra ny firenena rehetra". (Mar. 28, 18 – 20).

RALIBERA Daniel Mpitandrina

2. NY FANAMBARAM-PINOAN’NY FJKM

Ny Fiangonana dia manaiky sy manambara

- 1. Ny finoana an’Andriamanitra tokana, Rain’i Jesoa Kristy sady Rain’ny olona rehetra ao amin’i Jesoa Kristy. Izy no Mpamorona sy mitondra izao rehetra izao. Tompon’ny tantara izy ka miahy sy miantoka ny fiainantsika amin’ny fitiavany mandrakizay (Mat. 6, 32). Andriamanitra masina Izy, kany voninahiny tsy omeny nyhafa (Is. 42, 8). Laviny ny fahavetavetana mbamin’ny fivavahana amin’andriamani-tsi-izy sy amin’ny razana ary ny fanompoan-tsampy ; ohatra : ny finoanoam-poana, ny fitandremana ny fady na inona na inona, ny fankatovana, ny sikidy, ny fanandroana, ny tromba, ny bilo sy ny toy izany.

- 2. Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, Zanakalahy Tokan’Andriamanitra (Jao. 1, 18 : "Iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Jesoa Kristy, izay olona sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra" (I Tim. 2, 5 – 6). Notorontoronina tamin’ny Fanahy MasinaIzy. Naterak’i Maria Virijiny. Nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato. Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana. Maty ka nalevina. Nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Niakatra ho any an-danitra. "Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, fa i Jesoa Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray" (Fil. 2,9 – 11). Koa i Jesoa Kristy ihany no fanantenantsika iandrasantsika ny fandresena farany.

- 3. Ny finoany ny Fanahy Masina, dia ny Fanahin’ny Ray sy ny Zanaka Izay nahatonga finoana ao anaty ho amin’ny fahateraham-baovao, ka andraisana ny famonjena. Izy no Mpampianatra manazava ny Tenin’Andriamanitra amintsika (Jao. 14, 26). Izy no nahatonga antsika hahavokatra asa soa ho voninahitr’Andriamanitra (Gal.5, 22). Izy no "santatry ny lovantsika" rahatrizay (Ef. 1, 14), araka izany finoana izany, ny Fiangonana dia mivavaka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Andriamanitra Telo Izay Iray.

- 4. Ny Fiangonana dia manaiky sy manambara fa ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Soratra Masina sy araka ny fanazavan’ny Fanahy masina, no misy ny fanambaran’Andriamanitra feno ny tenany amintsika sy ny asa nataony tao amin’ny Zanany ho famonjena izao tontolo izao. Noho izany dia vonona izy hanitsy sy hanavao ny tenany araka ny fampianarana hita ao amin’ny Soratra Masina. Koa dia laviny ny fampianaram-poana rehetra izay mifanohitra aminy.

- 5. Ny fahotana no mampisaraka ny olombelona amin’Andriamanitra. Ny fampihavananany olombelona amin’Andriamanitra dia tanteraka ao amin’iJesoa Kristy araka ny voalazan’ny Soratra Masina : "Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany" (II Kor. 5, 19). "Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" (Jao. 3, 16) ary ny hoe : "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana, ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra" (Ef. 2, 8).

- 6. Ao anatin’ny Fiangonana, amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy amin’ny fanolorana ny Sakramenta no andraisan’ny taranaka rehetra ny asam-pamonjena vitan’i Kristy. Iray no Loha, dia i Kristy, iray ny Tena, dia ny Fiangonana.

"Fanahy iray ihany nonanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na jiosy, na jentilisa, na andevo na tsy andevo" (I Kor. 10, 17). Iray ihany ao amin’i Kristy ny olona samy hafa firenena sy firazanana, koa tsy tokony hisy fitokotokoana ao amin’ny Fiangonana. Ary dia mahatsiaro firaisana amin’ny Fiangonana eran’izao tontolo izao isika. "Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fajakam-pisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga" (I Pet. 2, 9).

Mahatsiaro isika fa adidin’ny Fiangonana ny mitory ny Filazantsaran’i Kristy amin’ny olona rehetra na iza na iza amin’ny alàlan’ny Teny sy ny Sakramenta, sy ny asa ary ny toe-piainana. Samy tokony hiasa araka ny fanomezam- pahasoavana noraisiny ny Kristiana tsirairay avy (I Kor. 12). Mahatoky ny Tompo ka Izy no hanefa izany amintsika.

- 7. "Jesoa Kristy no fananganana ny maty sy fiainana" (Jao. 11, 25). "Efa natsangana tamin’ny maty Izy ho santatr’izay efa nodimandry" (I Kor. 15, 20). Rehefa maty ny mino dia "ao amin’i Kristy izy" (Fil. 1, 23), satria nafahafatesana, na fiainana… dia tsy hahasarakaantsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika (Rom. 8, 38 – 39).

Ho avy indray i Kristy hitsara ny velona sy ny maty, ka amin’izany dia ho tanteraka amin’ny mino ny teny fikasana hoe :

"Hanovany tenan’ny fihetren-tenantsika hitovy endrika amin’nyvoninahiny araka ny fiasan’ny heriny Izy" (Fil. 3, 20 – 21).

"Ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena" (Ef. 3, 20 – 21).

F A M A O B A O S A N A


ANDRIAMANITRA RAY

Azo tsinjaraina ho lesona ity andininy ity

1- ANDRIAMANITRA TOKANA

Tsy hevitra vao noforonintsika ny teny hoe : Andriamanitra tokana, na hita tamin’ny alàlan’ny fikarohana samihafa, fa tena avy amin’ny Soratra Masina.

Hoy ny teny : « Izaho no Jehovah Andriamanitrao, aza manana andriamanikafa fa Izaho ihany , ary aza mihankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy , fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-mpiaro » (Eks.20 :3-5)

Miverimberina ny teny hoe : Izaho no …, Izaho ihany… mampiseho izany fa ny Andriamanitra hivavahantsika ihany no Andriamanitra. Ny ankoatra izay dia sandoka sy fitaka ary lainga avokoa. Ny teny hanambaràna ireny Andriamanitsi-izy ireny dia ny hoe : sampy . Fandavana tanteraka ireny saingy ireny no ambara amin’ity lesona ity amintsika. Misy ny sampy tranainy , toa an-dRakelimalaza ( izay mbola any hatramin’izao ) sy ireo tendrombohitra , doany, bilo, tromba , vazimba , lolo, sns… Ao koa ireo sampy amin’ireo andro moderna izao, toy ny vola , ny fahaizana amam-pahalalana , fahefana , voninahitra , sns….. Ambara eto fa tsy azo ianteherana na itokiana izy ireny , fa ilay Andriamanitra tokana izay ambaran’ny Soratra Masina ihany no Andriamanitra.

Voalazan’ny Baiboly ny amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Tsy Andriamanitra telo samy hafa ireo fa Andriamanitra iray ihany fa niseho tamin’ny endrika telo sy fomba fiasa telo . Andriamanitra telo kanefa iray na trinité no hilazana azy . Ny antony dia izao : tsy azo avahana satria tsy hay sarahina ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Raha ny Ray no ambara dia voateny amin’izany koa ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Toy izany ny Zanaka ary ny Fanahy Masina., ohatra : Andriamanitra Ray no Mpahary (Gen.1 :1) . Voalaza fa anisan’ny mpahary koa ny Zanaka (Jao 1 :3). Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano (Gen1 :2)

Ny hevitra avoitran’ny teny hoe : «  Andriamanitra tokana  » dia ahitana heviny vitsivitsy :

-  hafa dia hafa ity Andriamanitra ity . Tsy manampitoviana na amin’iza na amin’iza , na amin’ny inona na amin’ny inona, ka tsy manan-tsahala.

-  Tsy hita pesimpesenina ka tsy azo fantarina amin’ny fikarohana na fihezahan’ny olombelona fa fantatra amin’ny finoana Azy kosa.

-  Andriamanitra any amin’ny Avo indrindra. Andriamanitra mitoetra any amin’ny manerinerina nefa mitsinjo ny ambany ka vonona hanampy sy hikarakara antsika.

2. ANDRIAMANITRA RAY Ilay Andriamanitra tokana ka ambara ho hafa dia hafa , tsy manam-pitoviana na amin’iza na amin’iza , Andriamanitra saro-patarina na tsy hanaovana fikarohana sy fihezahan’ny olombelona aza , Andriamanitra mitoetra any amin’ny avo indrindra , nefa mijery ny mahantra. Izany Andriamanitra izany no hambara ho RAY.

Avy ao amin’ny Baiboly no ahitana ny filazana an’Andriamanitra ho iray fa tsy zavatra noforonintsika FJKM tsy akory. Hitantsika teo fa Andriamanitra dia tokana , feno zava-miafina tsy takatry ny sain’olombelona akory. Ny maha- Ray azy anefa dia mampiseho fa te-hiala amin’izany izy , te-hampahalala ny tenany amintsika Izy. Tsy azontsika fantarina amin’izayfihezahana na fikelezan’aina ataontsika ny maha- Ray an’Andriamanitra fa efa Ray hatramin’ny voalohany ka ho mandrakizay mandrakizay Izy. Nanambara ny maha-Izy an’Andriamanitra izany.

Ny fanambarana ny maha-Ray an’Andriamanitra koa dia ny maha-Rain’i Jesoa Kristy Azy. Zava-dehibe tokony ho fantantsika izany. Jesoa Kristy dia zanaka nipoitra na anteraka fa tsy mba natao na noforonina (jereo ny Mat.11 :25-27 ; Lio 10 :21-22).Ary satria zanaka Jesoa Kristy dia manaiky ny sitrapon’ny Rainy Izy (Mat.26 :34, Mar 16 :36, Lio.22 :42) Nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana (Fil 2 :8).Na izany aza, ny olona mino azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrak’Andriamanitra (Jao 1 :12-13)

Ray koa Andriamanitra manambara ny fitiavan’Andriamanitra izany « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny zananilahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay »(Jao3 :16). Koa Andriamanitra Ray be fitiavana ny Andriamanitra ivavahantsika , na dia Tompon’ny hery rehetra aza. Izy no miahy sy mikarakara antsika, manome izay mahasoa antsika sady afaka miaro sy miahy antsika amin’ny maha-Ray Tsitoha Azy.

3. ANDRIAM1ANITRA MPAMORONA SY MPITONDRA IZAO REHETRA IZAO

Izao rehetra izao dia ambaran’ny Soratra Masina fa tsy nisy endrika sady foana, ary aizina tambonin’ny lalina. Gen 1 :2). Milaza ny zavatsy misy izanyAvy amin’izany tsy fisiana izany no namoronan’Andriamanitra izao rehetra izao hanjary hisy. Ny teniny no nentiny nahariana ny zavatra rehetra mba hisy (Gen1 :3,6,9,11,14,20,24). Na zava-boaharin’Andriamanitra aza ny olona, dia tena noforoniny sy nasiany fofonaina mahavelona mba ho tonga olombelona. (Gen.2 :7)

Na izany aza ny olombelona dia tsy mety hitovy amin’Andriamanitra mihitsy izy, Andriamanitra dia manana fiainana ho Azy, fa ny olona kosa nandray fiainana avy amin’Andriamanitra.Koa izany no maha-zava-boahary ny olona.

Na dia zava-boaharin’Andriamanitra aza anefa ny olona dia manana ny fiavahany amin’ny zava-boahary hafa rehetra izy, novolavolainy, nasiany fofonaina avy Aminy. Manambara ny adidy aman’andraikitra omena ny olona izany, dia ny hiasa sy hitandrina izao rehetra izao (Gen 2 :15). Izany hoe hikarakara sy hikolokolo ary hiaro ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao na dia natao hanjaka amin’ny zava-boahary aza (Gen 1 :28).

Rehefa noforonin’Andriamanitra izao rehetra izao dia tsy navelany handeha ho azy na nilaozany amin’izao, fa mbola karakarainy mandrakariva.Izy no mitondra, miahy ny zava-boahariny rehetra.Izany no tsy mampiova izao rehetra izao hatramin’ny niandohany ka mandrakizay vokatry ny fitiavany sy ny fahari-pony izany, ka mbola mampitoetra sy mampaharitra izao rehetra izao, noho ny heriny sy ny fitondrany mahagaga (Kol 1 :12-20). Isika Kristiana dia mino sy matoky izany ka manaiky ny fitondran’Andriamanitra izao rehetra izao. Ny tsy mino an’Andriamanitra kosa dia misalasala hany ka milaza fa ny vintana sy ny anjara no mitondra sy mifehy ny fiainana rehetra. Ao indray ny milaza fa mivoatra tsikelikely izao rehetra izao izay avy amin’ny pentina kely toy ny rahona kely ka nitombo nihalehibe sy nivoatra ka zary zava-mahagaga.Tahaka izany koa ny olona hoy ireo, fa avy amlin’ny trondro mankamin’ny rajako izay miova tsikelikely ho tonga olona.Ambaran’izy ireny fa miafara amin’ny fahafatesan’ny zava-boahary izany fivoarany tsikelikely izany.

Hevi-diso avokoa ireny ka tsy tokony horaisina akory satria hevidravina ihany. Isika kosa mino izay ambaran’ny Baiboly , ka manaiky fa araka izay tian’Andriamanitra atao no nisy sy misy ary mbola hisy hatramin’ny farany.

4. ANDRIAMANITRA TOMPON’NY TANTARA.

Inoantsika kristiana fa tompon’ny tantara Andriamanitra .Tsy ny tantara araka izay heverantsika azy anefa fa ny zava-miseho samihafa eto amin’izao tontolo izao miovaova izay ahatsiarovantsika kristiana fahoriana sy fahasahiranana maro samihafa. Ao koa ny ady sarotra mbamin’ny fanenjehana isan-karazany izay mitarika ny olona , na dia ny kristiana aza , ho amin’ny famoizam-po sy fihemorana , nohon’ny herin’ny fankampanahy namely sy nanozongozona azy hiala amin’ny finoana nohon’ny fitsapana mahazo ny kristiana.

Na izany aza dia tsy lavitra antsika Andriamanitra . Fa eo akaikintsika mandrakariba izy. Miahy sy miantoka ny fiainantsika Izy (Mat.6 :32) Fitiavany antsika izany. Mahita sy mahatsapa ny zava-miseho rehetra izy (mat.6/32) Fitiavany antsika izany. Mahita sy mahatsapa ny zava-miseho rehetra Izy. Fantany avokoa ny zavatra rehetra mihatra amintsika. Hitany sy arahiny maso fatratra ny fiainan’ny kristiana, na mandalo fitsapana aza.Izy no miaro sy manafaka amin’ny loza sy ny zava-tsarotra rehetra (ohatra : Sadraka sy Mesaka ary Abednego). Toy izany ry Abrahama, Joba, Daniela, sns.

Hita amin’izany ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka tsy amelany antsika ho irery, fa Izy no miahy antsika. Manoatra noho ny voninkazo sy ny voromandina, ohatra, no iahiany sy ikarakarany antsika. Manao izany maimaim-poana ho antsika Izy. Tsy mba tahaka ny andriamanitry ny mpanompo sampy Andriamanitra ka ho baikona na ho tambatambazana vao manome zavatra kely fa manome antsika ny zavatra rehetra Izy.

5 .ANDRIAMANITRA DIA MASINA.

Mahalaza zavatra maro ny teny hoe : MASINA amintsika Malagadsy ; Ny heviny mahazatra antsika dia izao : zavatra natokana ka tsy azo sy tsy maha- mifangaro amin’ny zavatra hafa. Noho izany, dia tsy azo kasihina na raisindraisim-poana. Tena manan-kery ny zava-masina amin’ny olona minomino foana izany. (Ohatra : vato, fasana, loharano)

Amintsika Kristiana, Andriamanitra dia Masina ka manana ny fahamasinany feno. Maneho indrindra ny voninahitr’Andriamanitra ny fahamasinany, ka mahatonga azy hiavaka amin’ny zavatra hafa rehetra. Hita amin’izany koa ny fahefany sy ny heriny, ka tsy misy tahaka Azy amin’izao rehetra izao na iray aza.Isaia dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra ka nankalaza Azy hoe : « Masina, masina, masina Jehovah Tompon’ny maro, henika ny voninahiny ny tany rehetra » (Isa 6/3). Izany no ahafantarantsika an’Andriamanitra Masina.

Saro-piaro amin’ny fahamasinany Andriamanitra ka asainy mitandrina fatratra ny olony mba ho masina tahaka Azy (Lev.11 :44).Noho izany, dia halavirin’ny Kristiana ny tsy fahamasinana rehetra , fahalotoana isan-karazany, ny zava-dratsy rehetra, ny fanompoan-tsampy, sns…(Jereo I Pet 1 :13-18).

Izay tena maha-saro-piaro an’Andriamanitra dia ny fisandohan’ireo andriamani-kafa ny voninahitra sy ny fahamasinan’Andriamanitra.Tsy omeny ny hafa ny voninahiny (Isa 42 :8).

Tiana hosoritana eto fa manohitra ireny fisandohan’ny andriamani-kafa ny voninahitr’Andriamanitra ireny ny Fiangonana Kristiana mandraka ankehitriny.Izany no isian’ny Tafika Masina sy ny fitoriana ny Filazantsara ataon’ny Fiangonana sy ny Kristiana mba hanoherana izany fisandohana ny voninahitr’Andriamanitra izany. Tsy maintsy atrehina anefa ny raharaha ka tsy maintsy miady amin’ny aorian’ny ratsy rehetra isika hihariharian’ny voninahitry ny Tompontsika.

6. ANDRIAMANITRA TSI-IZY

Lavin’Andriamanitra ny fahavetavetana mbamin’ny fivavahana amin’ny andriamanitra tsy izy sy amin’ny razana ary ny fanompoan-tsampy. Azo tanisaina eto ireny, ny finoanoam-poana, ny fady, ny fankatoavana, ny sikidy sy ny fandroana, ny tromba sy ny bilo, sns.

a) Fahavetavetana : Tsy inona ny fahavetavetana fa toetra ratsy mifandray amin’ny fijangajangana sy ny fitondrantena maloto isankarazany. Ny fahavetavetana dia mipoitra avy amin’ny fanaovana an’Andriamanitra ho tsy misy (Sal.14 :3). Ny fanompoan-tsampy dia anisan’ny fahavetavetana amin’Andriamanitra.Hita ao amin’ny Baiboly izany fahavetavetana izany.Tsy misaraka amin’ny fanompoan-tsampy mantsy ny toetra vetaveta sy ny fanahy ratsy rehetra.

b) Ny fivavahana tsy izy : Fiankohofana amin’ny andriamani-tsy izy sy ny razana ary ny fanompoan-tsampy. Hazavaintsika fohifohy avy izy ireo mba hahafantarantsika ny momba azy rehetra ireo :

(i) Ny andriamani-tsy izy Karazan’ny andriamanitra foronin’ny saina sy ny tenan’ny olombelona ireny, tapa-kazo, vato, hazo (toy ny madiro, ohatra), vatolahy, biby, olona tendrombohitra, volana, masoandro, sns.

Ny mahatonga ny olona hanao izany dia ny tahotra manjaka ao am-pony
Manana ny fahalemena antsy isika zanak’olombelona ka mila mpiaro izay heverintsika ho manan-kery noho isika.Ary satria toa misy hery miafina ireo atao andriamanitra ireo, dia tonga atahorana ka izany no ivavahana aminy ohatra, ny hitsikitsika. Rehefa mahita hazo hohanina izy dia mitily izany fatratra aloha eo am-panidinana, ka mba tsy hahalatsaka azy dia ampandihindihiziny ny elany roa mba hitana azy tsy hianjera amin’ny tany. Dia gaga ny olona mahita izany, ka noheveriny ho vorona manana ny hasiny manokana io, ka nivavahany.Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe : « Mandihiza Rahitsikitsika, ianaranay raha fararano  » Toy izany koa ilay fitenenana hoe : « Natao ho hitsikitsika ivavahana, kanjo lasa papango nifaoka ny akoho ».

(ii) Fivavahana amin’ny razana : Ny fivavahana amin’ny razana dia tsy inona fa fiheverana fa rehefa maty ny olona indrindra ny ray aman-dreny dia tonga razana ary zary mitovy laharana na mihoatra noho Andriamanitra aza ; satria ny fivavahana amin’ny razana dia ambony lavitra noho ny amin’Andriamanitra amin’ny toerana maro eto Madagasikara.

Ny fitenenana hoe : « hotahian’Andriamanitra sy ny razana », dia fiheverana fa afaka mitahy koa ny razana afaka miahy ny olombelona ireny razana ireny.Avy amin’izany no nipoiran’ny Famadihan-drazana : hanomezan’ny razana fitahiana ka dia avadika izy ireny.

Ny famadihan-drazana dia fihariharian’ny fivavahana amin’ny razana.Izany no mahatonga ny Malagasy handany tsy toko tsy forohana amin’ny famadihana : mba hitahian’ny razana.Tsy mampaninona ny velona ny ho fadiranoravana , ny tsy manana na inona na inona, toy izay tsy hikarakara ireo razana.

Ny tena mampieritreritra fatratra ka mampahalala ny fisainana dia isika kristiana indrindra no maro an’isa amin’ireo mpamadi-drazana ireo, satria manantitra fitahiana sy fanambinana avy amin’izany izy ireny. Tena fivavahana amin’ny razana izany fanompoan-tsampy izany.

Hanampy eto ireo fanasinana sy Doany. Ny Doany dia toerana ilevenan’ireo mpanjaka na olo-malaza fahiny. Koa noheverina ho masina sy manana ny maha-izy azy ireny toerana ireny, ka dia tsy azo kasikasihina na lotoina.Izany no isian’ny lehiben’ny doany miambina ireny fasana ireny sy handraisany izay manatona mba hivavaka sy hanatitra hanitra ankasitrahana.Izany no atao hoe : fanasinana ireny doany ireny. Andeha isika mba hanonona ny sasantsasany malaza amin’ireny. Ny doanin’Andriamanitra any Mahajanga.Andriambodilova ao Anosisoa Ambohimanarina, Ranoro any Andranoro, sns.

Ny razana anefa dia olona efa lasa nodimandry any amin’ny mandrakizay, ka tsy afaka hanao na inona na inona intsony noho ny «  tevana ajadona makadiry manelanelana antsika sy izy  » (Lio 16/26)

(iii) Fanompoan-tsampy.

Fiheverana ireo ivavahana ho andriamanitra ny fanompoan-tsampy.Tsy inona izany fa fanompoana ireo zavatra hita maso natao hitokiana mihoatra noho Andriamanitra.Mbola manjaka eto Madagasikara saiky manerana ny Nosy ny fanompoan-tsampy, eny fa na dia amin’ny afovoan-tany aza dia ahitana ireny mihitsy.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia tokony hiezaka ny Fiangonana sy ny mpiasan’Andriamanitra, ary ny Kristiana mino mba hanao Tafika Masina ka handresy ireny asan’ny maizina tsy mahavokatsoa ireny.Tokony hiezahana koa ny fitaizam-panahy sy ny fandalinam-pinoana ka hanara-maso ny fiainan’ny olona, indrindra ny kristiana mba tsy hiviliany ho amin’ny « anganongano fanaom-baviantitra » (I Tim04 :7)

(iv) Ny finoanoam-poana. Finoana avy amin’ny tahotra noho ny tsy fahalalana ny finoanoam-poana. Eo amin’ny Jentilisa tsy mbola mahalala an’Andriamanitra no tena andairany, ka miteraka tsy fandrosoana sy fahantrana amin’ny lafiny maro, ny goaika tokana manidina eo anoloana dia inoan’ny olona ho fambara ratsy amin’ny dia izay haleha.Amin’ny efa kristiana aza dia mbola ahitana izany.Ohatra : fitadiavana vaha-olana eo amin’ny fiainana. Dia sokafana tampoka ny Baiboly, ka ny teny tandrifin’ny maso eo no raisina ho valin-teny aza.Ao koa ny fady maro samy hafa izay mbola tandreman’ny maro tokoa ankehitriny , toy ny tany fady andro fady zavapady, ka tsy ikasihany ireny, indrindra ange ka hiasa amin’ny zavatra voarara.Any ambanivohitra no ahitana betsaka izany.

(v) Ny fanandroana.

Zavatra maromaro ihany no hita vokatry ny fanandroana : sikidy, fankatovana, sy ny sisa tsy voalaza.Iray ihany ny sikidy sy ny fankatoavana ary ny fanadroana zay sami ahitana hafetsena miharo tetika sy hakingana ary fampitahorana (fandemen-tsaina) ka mahatonga ny olona hatahotra sy hivarahontsana ambony ihany ka tsy mahatakatra intsony ny fitaka anatiny.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia tokony hijoro ny FJKM. Lavin’ny Fanambaram-pinoana FJKM rahateo ireny rehetra ireny satria « saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana  » (Efes.4 :14). Ny Fànambaram-pinoan’ny FJKM dia milaza sy manambara fa tokana ANDRIAMANITRA azo ivavahana, dia Ilay nahary izao rehetra izao avy amin’ny tsy misy mba hisy.Ireo fomba rehetra voalaza eo ambony ireo dia tokony hiezahan’ny FJKM mba horesena amin’ny alàlan’ny Fitoriana ny Filazantsarta sy ny anaovana Tafika Masina ataon’ny Fiangonana sy ny Kristiana rehetra hanambarana amin’ny Malagasy rehetra ny fitiavan’Andriamanitra azy amin’ny fanehoana aminy fa Jesoa Kristy no hany Mpanafaka azy amin’ny ratsy rehetra.

Hoy Jesoa milaza izany : "Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo" (Jao 8 :36).

JESOA KRISTY ZANAKA

Jesoa Kristy, Ilay almbara ho notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina naterak’i Maria Virjina, dia zanakalahy Tokan’Andriamanitra.Noho izany, dia efa hatrizay hatrizay Izy ka ho mandrakizay.

Teo amin’ny Testamenta Taloha dia ny mpaminany no nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny olona fahizay, fa amin’izao andro farany izao kosa no nampiteneniny tamintsika an’i Jesoa Kristy zanany. Izy no famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra sady endrik’Andriamanitra.

Izany no finoan’ny Fiangonana ka ambara amin’izao tobtolo izao mba hahafantaran’ny olona ny fitiavan’Andriamanitra azy ka hanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra, mba ho mpanompo mahatoky hatramin’ny fahafatesany izy, ka hanomezan’Andriamanitra azy ny satroboninahitra fiainana.

Asehontsika amin’ny lesona fito ny amin’i Jesoa Kristy Zanaka.

1. ZANAKALAHY TOKAN’ANDRIAMANITRA

Ahoana no ahafantarantsika fa Zanakalahy Tokan’Andriamanitra Jesoa Kristy ? Ny fanambaran’ny anjely tamin’i Maria no manambara izany : « Indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe : JESOA.Izy ho lehibe ka hatao hoe : zanaky ny Avo indrindra » (Lio 1 :31-32).Manamafy izany ny tenin’Andriamanitra tamin’ny nanaovana batisa Azy hoe : « Ity no Zanako Malalako izay sitrako  » (Mat.3 :17, Mar1 :11 ; Lio 3 :22)

Ny Filazantsaran’i Jaona dia manambara fa Jesoa Kristy no «  Lahitokana avy tamin’ny Ray. Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana, fa ny Zanakalahy Tokana Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no manambara Azy » (Jao 1 :14-18). Ny tenan’i Jesoa Kristy mihitsy no manambara ny tenany ho Zanak’Andriamanitra (Jao 3 :18, 19 :35-38). Toy izany koa ny Apostoly manambara ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa KRISTY (Jao 1 :49, Mat.16 :16 ; Rom.1 :4 : II Kor 1 :19).Ny devoly koa dia manambara an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra ‘ (Mat.4 :3 ; 8 :29).

Tsy takatry ny saina ny maha-Zanakalahy Tokan’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy raha tsy amin’ny finoana.Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. Koa izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra no maharesy izao tontolo izao.Izany no anambaran’i Jaona hoe : « Jesoa no Kristy, zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny Anarany, raha mino ianareo » (Jao 20 :31).

2. MPANALALANA AMIN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA

Jesoa Kristy Zanaka no ilazana Azy satria na dia Andriamanitra tao amin’Andriamanira aza Izy, dia nanaiky hidina tety an-tany, nitafy nofo, tonga olona toa antsika, nonina tamintsika (Jao 1 :14). Fanetren-tena lehibe no ambaran’izany amintsika mba ho famonjena antsika.Izany no ilazana an’i Jesoa Kristy ho Zanaka, na Zanak’Andriamanitra.

Misy heviny lehibe sy mavesa-danja ambara amin’ny maha-Zanaka an’i Jesoa Kristy , Izy no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona (I Tim 2 :5) izany hoe : Mpampihavana an’Andriamanitra sy ny olona.Izy no fampihavanana na ny ety ambonin’ny tany, na ny any an-danitra (Kol :1 :20 ; Efes 2 :14). Nanana fihavanana tamin’Andriamanitra tokoa ny olona fahizay, ka anisan’ny antenimieran’ny lanitra izy . Rahefa nanota anefa ny olona ka nandika ny didin’Andriamanitra dia zary rava ny fihavanana.Lasa nandositra an’Andriamanitra ny olona , ka na dia nitady azy aza Andriamanitra dia niery ny Tavany ny olona (Gen.3 :8).Zary tonga ny olon-ko azy ny zanak’olombelona, ka tsy nanantena afa-tsy ny fiainana an-tany ihany.Izany no itenenan’ »ny olona hoe : Aoka isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty (Isa.22 :13 ; I Kor 15 :32).

Ny Maha-Mpanalalana an’i Jesoa Kristy amin’Andriamanitra sy ny olona dia vitany tokoa tamin’ny nanaterany ny tenany teo amin’ny hazofijaliana (Heb. 9/26).Amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia fantany ny toetr’Andriamanitra, ny fomban’Andriamanitra, ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra. Masina Izy ka mankahala ny ratsy rehetra, manameloka ny mpanota noho ny fiziriziriany amin’ny fahotany.Noho Jesoa Kristy Izay tonga olona toa antsika anefa dia nanjary natao ho isan’ny mpanota Izy, na dia tsy nanota sy tsy manana ota aza.Izay tsy nahalala ota, no efa natao ota mba hamonjy antsika (II Kor.5 :21) Koa hatramin’izay raha mijery ny olona mpanota Andriamanitra, dia mijery azy ao amin’i Jesoa Kristy Ilay nivesatra ny fahotantsika, ka mamela antsika noho ny fahasoavany izay aidiny ho antsika. Ny olona kosa raha mahita ny fahamasinan’Andriamanitra dia tsy sahy manatona an’Andriamanitra. Raha mibanjina an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy tonga olona izy, dia hahita fa voavela ny helony, voasarona ny fahotany. Amin’izany, dia manatona an’Andriamanitra am-panetrentena ny olona mitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy, mba hifona sy hanatona an’Andriamanitra.

Zava-dehibe ho antsika olombelona izany.Tsy misy afaka hanatanteraka izany na iza na iza, ary na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, afa-tsy Jesoa Kristy irery ihany.Izy no hany Mpamonjy antsika, ka tokony hanatona azy isika.Maro mantsy no mbola midodododo atsy sy eroa, mitady Mpamonjy sy Mpanafaka. Kanefa, dia fitaka sy fiandohana ihany no hita amin’ireny.

3. AVOTRO HISOLO NY MPANOTA.

Tsy vitan’ny maha-Mpanalalana Azy amin’Andriamanitra sy ny olona fotsiny ny asa nataony teto an-tany, fa mbola nanaiky ho Avotra hisolo ny maro koa Izy.

Ny Avotra dia onitra aloa noho ny ratsy natao ka ho fanavotana no andoavana izany. Izay natao avotra ho voaheloka hisolo ny heloky ny hafa. Vola no natao ho avotry ny zanak’Isiraely ao amin’ny Eks.30 :11-16, dia ny an-tsasaky ny sekely iray (Mat.17 :24). Ao amin’ny Joba 33 :23-24 dia misy Anjely Mpanalalana ho azy, hanoro izay tokony halehan’ny olona.Ary hamindra fo aminy ka hanao hoe : vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, Jesoa Kristy izany Avotra izany. Natolony ny tenany ho Avotra hisolo ny maro, ary ny rany ho fanavotana noho ny fahotan’ny olona.

Hitantsika amin’izany fa tsy misy olona mahavotra ny tenany na ny namany satria sarotra avotra izy, noho ny fahotan’ny olona. Jesoa Kristy no nanaiky hanolo-tena ho Avotra hisolo ny maro. Ambara amin’izany fa tia antsika Andriamanitra, ka nomeny ny zananilahy Tokana hamonjy antsika.Noho izany, dia tokony hisaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho izany soa atolony ho antsika izany.

4. NY FAHATONGAVANY HO OLONA

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ho olona no holazaina eto mba hahazoany manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy.Raha ny maha-olona ny olona no jerena dia tsy maintsy misy ray aman-dreniny ny olona anankiray.Tsy mba toy izany tamin’i Jesoa Kristy, satria Andriamanitra Izy.Ny fomba nahatongavany ho olona dia ambaran’ny Fanambaram-pinoana FJKM notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina Jesoa Kristy ary naterak’i Maria Virjina.

a) Notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina

Hitantsika ao amin’ny Lio.1 : 34-35 ny momba izany.Raha tonga teo amin’i Maria Virijina ny anjely Gabriela hilaza amin’ny ny fikasan’Andriamanitra fa izy no nofidin’Andriamanitra hiteraka ny zanany dia nanontany ny anjely Maria : Hanao ahoana no hanatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho ? Hoy ny anjely taminy : « Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo indrindra hanaloka anao. Koa ny Masina Izay hateraka dia atao hoe : Zanak’Andriamanitra. »

Andriamanitra tao amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina.Koa Andriamanitra ny fanahy Masina.Manambara ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izany. Izay Zananilahy Tokan’Andriamanitra.

b). Naterak’i Maria Virjina.

Manambara ny maha-olona an’i Jesoa Kristy ny niterahan’i Maria Virjina Azy teraka, nitombo tena sy saina, nahatsiaro noana sy mangetaheta, sasatra, nalaim-panahy tamin’ny zavatra maro, nifaly, maty.

Ny fomba nahatongavany teto an-tany dia nateraka, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna (Gal4/4).Tsy nitsontsorika avy any an-danitra, fa nanjary zazakely toy ny olona rehetra eto an-tany.

Ity niterahan’ny vehivavy an’i Jesoa Kristy ity dia anti-mampahatsiahy ny Gen 3/15 izay milaza ny asa hataon’i Jesoa Krsty : ny devoly dia hanorotoro ny ombelahin-tongony (fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana) ; Kristy kosa nanorotoro ny lohan’i Satana (handresy azy mandrakizay).Izany koa no ambaran’ny Isaia 7 :14 : « Indro, hanana anaka ny Virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataon’ny olona hoe :Imanoela, amintsika Andriamanitra  ».

Ambaran’ireo teny ireo fa sady Andriamanitra Jesoa Kristy no olona koa, Zavatra sarotra hazavaina amintsika izany, ka tsy hain’ny saina faritana.Ilaina eo amin’ny famonjena antsika izany toetra misy amin’i Jesoa Kristy izany. Raha tsy notontoronina tamin’ny Fanahy Masina Izy dia olona toy ny olona rehetra ka tsy hahavonjy antsika. Raha tsy naterak’i Maria Virijina, dia ho Andriamanitra tany an-danitra fotsiny, ka tsy ho haintsika ny nifampiraharaha taminy.Koa misaotra an’Andriamanitra isika ary mankalaza sy manome voninahitra an’’ Jesoa Kristy tokoa satria ny fitiavany antsika no nanaovan’’ndriamanitra izany drafi-pandaminana izany.

5. NY FIJALIANA SY NY FAHAFATESANY.

Tena noraisin’ny olona tokoa Jesoa Kristy, rehefa tonga teto an-tany ka nanao ny asany. Nahaliana ny olona ny fampianarany mbamin’ny fahagagana maro nasehony : fanasitranana ny aretina maro samy hafa, famoahana sy fandoahana demonia, fananganana ny maty, sns…Kjoa dia nokasain’ny olona hatao mpanjaka araka ny nofo Izy, ka haka an-keriny ny fitondram-panjakana teo am-pelatanan’ny Roman,a. Tsy nanaiky izany Jesoa, satria tsy izany mihitsy no anton’ny nahatongavany teti amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotany amin’ny gadrabn’i Satana, nahatonga azy ho zanak’Andriamanitra indray. Nahatezitra ny vahoaka izany tsy fetezan’i Jesoa hatao mpanjakan’ny tany izany, hany ka nihataka taminy izy. Tao koa ny fialonana sy ny tsy fitiavan’ireo lehibe Azy, noho Izy nampihataka ny fon’ny olona, ho any amin’i Jesoa Kristy.Ny tena voa mafy tamin’izany dia ny fariseo sy ny Sadoseo.

Ambonin’izazny rehetra izany ny fandaharan’Andriamanitra ny asan’i Jesoa Kristy, dia ny hamonjena ny olona.

Tsy misy mahavotra izany afa-tsy Jesoa Kristy manolotra ny tenany eo amin’ny hazofijaliana.Tanteraka tamin’ny fotoana nanapahan’i Pontio Pilato ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.

a) Nijaly raha nanapaka Pontio Pilato

Pilato dia governora Romana notendrena mba hitondra sy hifehy an’i Palestina tamin’ny andron’i Jesoa Kristy. Sendra teo amain’ny tsy fitiavan’ny olona, sy ny fialohan’ny Fariseo sy ny Sadoseo ary ny Herodiana Azy koa izany vanimpotoana izany ka mora ny nisamborana Azy. Koa ny fijalian’i Jesoa Kristy dia tsy angano na tantara noforonina tsy akory fa zava-misy sy nisolo tamin’ny vanimpotoana anankiray teto amin’izao tontolo izao.

b) Nohombohona tamin’ny hazo fijaliana

Ny fanamelohana an’i Jesoa Kristy dia ny fanomboana Azy amin’ny hazo fijaliana izay fanamelohana ny olon-dratsy sy ny faraidiny indrindra. Novalin’ny olona sy natao tsinontsinona, tahaka izay tsy ian’ny olon-kojerena akory Jesoa Kristy fa famonoana amin’ny alàlan’ny fanomboana amin’ny hazofijaliana no didim-pitsarana navoaka.

Fadiranovana tokoa ny olona homboana amin’ny hazofijaliana satria voafantsika sy voahombo avokoa ny tongotra aman-tanana, ny hetaheta mamely, ny hainandro mandoro, ny adin-tsaina mandreraka. Ao koa ny fahafaham-baraka, satria jerenan’y olona rehetra, ataon’ny mpandalo fihomehezana sy latsalatsainy eo am-pahitana ny voahombo eo.

d) Maty ka nalevina

Ora enina ihany no nihantonan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia maty Izy.

Tena maty tokoa Izy fa tsy safotra na torana.Ny nandefonan’ny miaramila Romana anankiray ny lanivoany dia manamarina fa tena maty Izy.
Koa satria maty Jesoa Kristy sady efa antomotra rahateo ny Sabata, dia tsy maintsy nalevina androtr’iny ihany teo amin’ny fasana akaiky ny tany namonoana Azy Jesoa, na dia tokony hatonta eo amin’ny lavaka fanariana ny fatin’ny olo-meloka aza Izy. Josefa avy any Armatia, manampahefana, anisan’ny Synedriona sy Nikodemosy ary vehivavy vitsivitsy no mba mpandevina Azy.

e) Nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita.

Voalazan’ny I Pet 3 :19-20 fa nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita (tranomaizina, hoy Petera ato) Jesoa Kristy, rehefa maty mba hitory ny vaovao. Mahafaly tamin’ny fanahin’ireo tsy nanaiky fahiny ny tenin’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa. Ny fiainan-tsy hita ambara eto dia ny fitoerana misy ny maty eo am-piandrasana ny faran’izao tontolo izao.

Izany no azo itantarana ny fijaliana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy. Ny antony dia ny hisolo voina antsika, ho avotra hisolo ny maro.

6. NY FANDRESENY NY FAHAFATESANA.

Voatantara teo amin’ny fijaliana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy. Raha olombelona fotsiny Izy dia tsy ho velona mandrakizay intsony fa ho maty tanteraka, ka ny fahavalony no ho mpandresy, saingy tsy izany, fa noho ny maha-Andriamanitra Azy, dia nitsangana tamin’’ny maty Izy ary nandresy ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horesena.

a) Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.

Andro zoma no nahafaty sy nandevenana an’i Jesoa Kristy.Kanefa nitsangana tamin’ny maty, ka velona indray, rehefa afaka hateloana, dia ny Andro Alahady.Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tena zava-dehibe satria manambara ny fandreseny ny herin’ny ratsy sy ny fahafatesana.Izany fitsanganany tamin’ny maty izany no fanamarinana antsika maimaimpoana sady fanorenana ny finoantsika an’Andriamanitra sady fanambarana ihany koa fa isika koa dia mbola hitsangana amin’ny maty amin’ny andro farany.

b) Niakatra any an-danitra,mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha.

Ny fiakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra dia mbola famantarana ny fandreseny ny fahafatesana, sady fanambarana ny maha-Andriamanitra Azy rahateo. Mbola mitoetra efa-polo andro teto an-tany izy aloha vao niakatra ho any an-danitra (Asa 1 :3-9).Ny ampaherezana ny mpianatra sy ananany fahatokiana sy finoana tanteraka an’i Jesoa Kristy fa tena velona ny Tompony fa tsy angatra na matoatoa miseho amin’ny olona tsy akory.

Raha niakatra ho any an-danitra Izy dia mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha. Enti-manambara hery sy fahefana ananan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Andriamanitra Azy, izany, fa tsy milaza toerana akory. Manambara koa ny Fanjakan’i Jesoa Kristy izay mbola hiharihary amin’ny andro farany izany fiakarany any an-danitra izany.

Eo anatrehan’izany, dia handresy toa an’i Jesoa Kristy koa ny mino Azy ka hiara-tsambatra Aminy mandrakizay. Izany no fahasoavana atolony ho an’ny mino Azy. Izany no toky sy antoka omeny ho antsika nivoha ho antsika ny lanitra mba hidirantsika, ka hahatonga antsika ho isan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

7. FANANDRATANA AZY HO TOMPO SY KRISTY.

Efa ho roa arivo taona izao no nahatongavan ’i Jesoa Kristy teto an-tany sy nisian’ny tantarany tamin’izany fotoana izany, dia efa foana ka tantara sisa tavela. Maro ny karazam-pivavahana nisy teto amin’izao tontolo izao, nefa efa levona sy tsy misy intsony izany ankehitriny.Misy ihany ny fivavahana sasany mbola hita ankehitriny nefa ny Fivavahana Kristiana irery ihany no ahitana fahafahampo sy fifaliana ary toky ahitan’ny olona izay rehetra ilaina.

Noho ny asam-pamonjena vitany sy nataony ho an’izao tontolo izao, Jesoa Kristy dia nasandratr’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. Ny hoe : « Tompo » dia tsy nomena afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Na naka izany anarana izany aza ny amperora Romana dia tsy hita izany maha-Tompo azy ireny, satria tsy nisy asam-pamonjena mba vitany, fa ny namono sy nandringana olona aza no nataony. Jesoa Kristy no hany mahavobnjy antsika ; satria Izy no fanantenantsika mandrakariva sy mandrakizay.

Eo anatrehan’izany dia mahareta amin’ny fivavahana ka miambena amin’izany amin’ny fisaoran . Koa mivavaha mandrakariva mba tsy ho ketraka isika Jesoa Kristy no zanak’Andriamanitra manome fiainana ho antsika.Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay (Heb.13 :8).

«  Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay amena » (Apok.1 :6)

Atoa RAJERIARISON Julien, Mpitandrina

NY FAMONJENA

Hoy ny Fanambarana nataon’ny FJKM (1968) momba ny Finoana Kristiana .Ny fahotana no mampisaraka ny olombelona amin’Andriamanitra.tsy mazava izany fanambarana izany raha tsy fantatra ny famaritana izay atao hoe Fahotana. Aoka hojerena aloha ireo famaritana tsy mahafa-po.

- (1) Ny fahotana dia ny tsi-fisian’ny tsara, na tsi-fahampian’ny tsara. Izany dia azo ampitahaina amin’ny hoe : ny maizina dia ny tsi-fisian’ny mazava na ny tsi-fahampian’ny mazava. Ny olona rehetra anefa dia mahatsapa fa misy ny hery ratsy manetsika sy mitaona ny olona.Ohatra : ny fankahalana dia tsy ny tsi-fisian’ny fitiavana fotsiny, fa tena hery mampirisika ny olona hanimba ny namany.

- (2) Ny fahotana dia ny toetra maha-biby tavela ao amin’ny olona, na ny toetra iraisan’ny olona amin’ny biby. Ohatra : ny fahasiahana, na ny tsi-fahaizana mifehy ny filàna voa-janahary, toy ny hanoanana, ny hetaheta, ny fitadiavana firaisana ara-nofo (sexuel), sns. Izany famaritana izany dia mahatonga ny olona hihevitra fa ny fahotana dia tsy azo toherina na ialana.Raha izany dia tsy tompon’andraikitra amin’ny fahotana ny olombelona, ary koa ho resy tsikelikely ny fahotana rehefa mandroso ny olombelona.

- (3) Ny fahotana dia ny fitiavan-tena.Marina fa ny fitiavan-tena dia mahatonga ny olona hanao ratsy, nefa tena misy ny faniriana hankahala ny tsara sy hanimba ny hafa izay tsy azo heverina ho fitiavan-tena.Ohatra : ny fitaomana zatovo anankiray ho tia toaka sy zava-mahadomelina ary fijangajangana.Tsy fitiavantena izany fa fankahalana tsotra izao ny tsara.

- (4) Ny fahotana dia ny tsi-fahalalana.Ity famaritana ity dia manazava fa afaka handroso ary tsy maintsy mandroso ny olombelona, na ara-nofo na ara-panahy, ka ho resy ny faharatsiana, ny fahadisoana, ny tsi-fahombiazana.Hita anefa fa ny fampianarana sy ny fahaizana ary ny fahalalana fia tsy mahatonga ny olona ho marina, na hendry, na mahafehy tena.

Ny famaritana ny fahotana hita ao amin’ny Baiboly dia izao : »Ny fahotana dia fandikàna ny lalàna.. Ny fandavana ny lalàn’Andriamanitra sy ny fahefan’Andriamanitra ambvaran’ny Soratra Masina no atao hoe : « fahotana ».Vofaoka ao anatin’izany fankahalana, ny avonavona, ny tsi-fahamarinana, ny halatra, ny lainga, ny fitsiriritana, sns. Azo lazaina fa ny fahotana rehetra dia fanoherana ny sitrapon’Andriamanitra.Ny fahotana rehetra ataontsika dia mihatra amin’Andriamanitra.Izany no dikan’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo hoe : Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko.Ny fahadisoana rehetra ataontsika amin’ny tenantsika (toy ny fanaranam-po amin’ny filànan’ny nofo) ny ataontsika amin’ny namantsika (toy ny halatra, ny lainga, ny famonoana) dia mihatra amin’Andriamanitra. Ohatra raha mijangajanga tamin’i Batseba sy namono an’i Oria vadiny i Davida dia (a) nanota tamin’ny tenany, satria nandoto ny tenany tamin’nyfitondrantena ratsy (b) nanota tamin’ny namany, satria naka vadin’olona sy namono namana,(d) nanota tamin’Andriamanitra satria nanohitra ny didy fikasan’Andriamanitra.

Maro no Teolojiana izay mihevitra fa ny loharano ipoiran’ny fahotana dia ny fiavonavonan’olombelona, izay atao amin’ny teny grika hoe HUBRIS. Ny fiavonavonana lazaina amin’izany dia ny fanandratan-tena tafahoatra ataon’ny olona ka mahatonga azy haka ny toeran’Andriamanitra. Ny fiavonavonana dia mahatonga ny olona hihevi-tena ho mpamorona, fa tsy zavaboahary intsony.Ny fiavonavonana dia fiheveran-tena ho mahaleo tena, tompon’ny tantara sy ny hoavy, tsy mila an’Andriamanitra,na mpifehy na mpitsara.Ny fiavonavonana dia miteraka tsi-finoana an’Andriamanitra izany hoe : tsy ilaina ny herin’Andriamanitra ny firaisana amin’Andriamanitra, ny fivavahana aminy.Ny fiavonavonana dia fiheverantena ho zavatra ary fanaovana ny namana ho tsinontsinona.

Ny Baiboly dia milaza fa ny niandohan’ny fahotana dia ny tsy nankatoavan’ny olombelona ny didin’Andriamanitra araka ny tantara ao amin’ny Genesisy toko faha.3 ary atao hoe FAHALAVOANA.(Gen3 :1-6) .Ny tantara dia milaza fa nandika (nanohitra) an-tsitrapo ny didin’Andriamanitra ny olombelona ka rava ny fihavanany tamin’Andriamanitra ary niditra tao amin’ny fiainany ny fikorontanana sy ny fahoriana.

Na dia iadian-kevitra hatrany aza ny fahamarinan’io tantara io ara-bakiteny, dia ny fampianarana tian’ny mpanoratra hampitaina no zava-dehibe.Maro ny lovantsofina any amin’ireo firenena manodidina an’i Palestina izay mitovitovy amin’ny Gen 3 ary manambara ny niandohan’ny olombelona sy ny fahotana.Ny tantaran’ny Fahalovana dia nahatonga ny mpivavaka maro hino fa ny heloky ny razana izay nanota voalohany dia lovàn’ny taranany aty aoriana.Ny olombelona rehetra dia mpanota tsy noho ny fahotan’ny tenany ihany, fa noho ny fandovàny ny toetran’’ny razany izay mpanota.Ny fampianarana maharitra ambaran’ny Gen.3 dia ireo :

(a) Ny olombelona voalohany dia tsy manan-tsiny, izany hoe : tsy mahafantatra izay mahasamihafa ny mankato sy ny tsy mankato, fa tahaka ny zazakely tsotra sady marina, tsy mahay manao ratsy.

(b) Ny olombelona voalohany dia nasain’Andriamanitra hisafidy ka hanao ny tsara (fankatoavana) na ny ratsy (tsi-fankatoavana).Nomen’Andriamanitra safidy ny olombelona na hankato Azy na hanohitra Azy.

(d) Ny olombelona voalohany dia notezain’Andriamanitra hahafantatra ny vokatry ny fankatoavana sy ny fanoherana Azy.NY FANDROSOAN4NY OLONA ARA-PANAHY NO NOKENDREN’Andriamanitra tamin’izany.

(e) Ny olombelona voalohany dia notezain’Andriamanitra hahafantatra ny vokatry ny fankatoavana sy ny fanoherana Azy.Ny fandrosoan’ny olona ara-panahy no nokendren’Andriamanitra tamin’izany.

(f) Ny olombelona voalohany dia solontenan’ny olombelona rehetra aty aoriany : afaka manota ny olombelona, satria antaon’Andriamanitra tahaka ny endriny.Novan’ny olombelona ho fiavonavonana ny tombontsoa (safidy) nomen’Andriamanitra azy.Voafetra ny fahafahan’olombelona, satria tsy afaka hitovy amin’Andriamanitra na oviana na oviana izy.

Ny faharatsian’ny ota dia miharihary ao amin’ny vokany amin’ny olona tsirairay sy ny olona rehetra.Ny tantaran’ny Fahaleovantena ao amin’ny Gen 3 dia manambara izany.

- (1) Fahatsiarovan-keloka. Rehefa nanota Adama sy Eva dia nahafantatra fa mitanjaka izy (Gen.3 :7) mahatsiaro menatra izy, satria ratsy, tsy faly izy fa tezitra tamin’ny tenany, satria nanota.Rehefa nanota ny olona dia voatery hiery sy hanafina ny tsi-fahamendrehana amin’Andriamanitra sy ny namany ary ny tenany aza.

- (2) Fiarahana amin’Andriamanitra. Raha manao fahadisoana (maditra) ny zaza dia mahatsiaro fa tsy afaka manatona ny rainy izay tsy mankasitraka ny hadalany izy,.Ny fahotan’i Adama sy Eva dia nahatonga azy hiala tao Edena ka tafasaraka tamin’Andriamanitra.

- (3)..Ny ozona . Voahozona ny tany noho ny fahotan’ny olombelona voalohany (Gen 3 :127-19) Ny asa ataontsika dia manjary mafy sy tsy mahavokatra, diso fanantenana isika,satria tsy tanteraka ny fikasantsika , sento sy fahoriana no manerana izao tontolo izao. (Rom.8/12)

- (4) Fahariana sy fahafatesana. Ny fahararian’ny vehivavy miteraka dia avy amin’ny Fahalovana, hoy ny Genesisy (Gen.3 :16)., tokony hitondra fifaliana ny fiterahana fa tsy hiaraka amin’ny loza. Tokony ho fialan-tsasatra sy fidirana amin’ny fiainana vaovao ny fahafatesana, fa tsy ho fahavalo mahatahotra sy mamono. (Ikor 15 :56)

- (5) Faharasiana lovàna. Ny vokatra ratsy indrinda ateraky ny fahotana dia faharatsiana lovan’ny taranaka. Ny taranak’i Adama sy Eva rehetra dia eny ivelan’i Edena, tafasaraka amin’Andriamanitra , ratsy fisainana. (Gen 6 :5)

Ny herin’ny fahotana dia miseho amin’ny fironan’ny olombelona rehetra hanota hatramin’ny fahazazana.Nolovana tamin’ny ray aman-dreny izany fahalemena izay ary raha vao teraka ny olona dia efa manana azy ao am-po.Ny teolojiana dia miantso izany toetra izany hoe FAHOTANA FOTOTRA (Péché original).Ny heviny dia izao : mifindra amin’ny taranany rehetra ny fahotan’i Adama, ka teraka manana izanyfahotana izany avokoa ny olona rehetra. Ny teny nosoratan’i Paoly ao amin’ny Rom.7 :18,23,24 sy ny hafa koa (I Kor 2 :14 ; II Kor 7 :1 : Ef.2 :1-3) dia toa manamarina ihany .Paoly sy ny kristiana maro dia mahatsiaro fa tsy misy hatsarana ao anatiny, na dia manana fikasana tsara izy dia tsy manan-kery hanatanteraka izany.Misy hery ratsy mibaiko azy hanota sy hankato ny fitaoman-dratsy.Ny Fahotana fototra dia mahatonga FAHARATSIANA na FAHALOVANA TANTERAKA (Perversité/Corruption totale). Ny teolojiana protestanta ankehitriny dia tsy mitana izany fampianarana izany ara-bakiteny. Hazavain’izy ireo fa ny hevitry ny Fahalovana tanteraka dia izao : ny fahotana dia mamonto ny olombelona manontolo, ka samy mirona hanota na ny vatany, na ny sainy, na ny fanahiny. Ny fahalemena sy ny fakampanahy dia tsy mbola fahotana, nefa mety ho fahotana raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina (Jao.3 :5,6 : I Kor.6/11 ; Rom.8 :9) Emil BRUNNER dia manazava tsara izany ao amin’ny « Dogmatique » nosoratany (E.Boüner : Dogmatics, vol.II, P.103-106) Fa Karl BARTH kosa dia mihevitra fa ny fahotana dia efa nikosoka tanteraka ny endrik’Andriamanitra tao amin’ny olombelona ka tonga « hafa tanteraka » (totaliter aliter) eo anatrehan’Andriamanitra ny olona, izany hoe : tafaresaka tanteraka amin’Andriamanitra. Hoy K. BARTH : « Ny filazantsara dia tsy vaovao ambara na fampianarana momba ny maha-Andriamanitra ny olombelona, na ny fampitoviana azy amin’Andriamanitra izay hafa tanteraka noho ny olombelona. (K.BARTH : The Epistle to the Romans, P.4) Misy hantsana lalina mampisaraka an’Andriamanitra sy ny olombelona, ka tsy misy mahafoana izany afa-tsy ny fifinan’Andriamanitra hanatona ny olombelona.Ny famonjena dia fahagagana midina avy any an-danitra.Zaza very tokoa ny mpanota ka tsy afaka hanana firaisana amin’Andriamanitra sy hanompo Azy ; nefa very mbola azo tadiavina sy vonjena.

Ny fampianarana lehibe mampiavaka ny fivavahana kristiana amin’ny fivavahana hafa dia ny finoana tanany momba ny FAMONJENA.Ny Filazantsara no vaovao mahafaly torian’ny Fiangonana dia ny fanafody na ny fanafahana amin’ny Fahotana.

Ny olombelona rehetra dia mahatsiaro fa diso sy nanao ratsy ka mila famelan-keloka.Ny fahasahiranana tamin’ny mpaminany manoloana ny fahotany dia iraisany amin’ny mpivavaka rehetra : »inona no ho entiko manatona ny Tompo sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo ? hanatona Azy mitondra fanatitra hodorana sy ny ombilahy kely iray taona va aho ? Ho sitraky ny Tompo ve ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina ? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny fanahiko ? » (Mika 6 :6-7). Mahatsiaro ny mpanao ratsy fa tsy misy mahafaka ny fahadisoana natao na fanatitra, na fivalozana, na fivahiniana masina , na fampahorian-tena.Eny, mahery ny fahotana ka tsy maharesy azy ny fiezahanan’ olombelona sy ny fikasana tsara rehetra. Lalim-paka eo am-po ny faharatsiana ka tsy mahafongotra azy ny fitondrantena mendrika.Ny Finoana kristiana dia manambara fa misy Mpamonjy avy amin’Andriamanitra (Jao :13 :3 ; 16 ;28) izay mahafaka ny heloko sady manome fiainana vaovao.

Ny kristiana rehetra dia manaiky fa mila famonjena ny olombelona satria « samy efa nanota izy rehetra  » (Rom.3 :23 ; Gal 3 :22) . Niadian-kevitra kosa anefa ny valin’ny fanontaniana hoe : « Azo vonjena ve ny olona rehetra ?  » Jean CALVIN (1509-1564) no teolojiana tena mitana ny hevitra hoe Andriamanitra efa nifidy ny olona sasany hovonjena.Raha fintinina dia izao no hevitr’i Calvin.

1. Andriamanitra no Tompon’ny fahefana feno ka tsy manana safidy tanteraka ny olombelona.Izao no tenin’i Calvin : « Mpanota avokoa isika amin’ny maha-olombelona antsika, koa amin’izany dia voatana eo ambany ziogan’ny fahotana isika.Fa raha ny olona manontolo no eo ambany fanapahan’ota, dia vao mainka ny safidy (sitrapo), izay toerana mahatamana azy (ota), no voafatotra amin’ny gadra mafy indrindra. »

2. Andriamanitra izay Mpamorona Tompon’ny fahefana dia mampiasa ny fahafahany hamonjy ny sasany ary handa ny sasany amin’ny alàlan’ny Fifidianana sy ny Fanendrena mialoha efa nataony.

3. Ny olombelona dia sy afaka manova na misakana ny fikasan’Andriamanitra hamonjy na handà araka ny sitrapony.Izany hevitra izany dia manaraka ny lalàn’ny fisainan’olombelona (logique) ary mety hifanohitra amin’ny fihevitr’Andriamanitra «  Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no ahavon’ny làlako noho ny lalanareo sy ny fihevitra noho ny fIhevitrareo » (Isa.55/9).

Misy andininy sasany ao amin’ny Soratra Masina izay toa manamarina ny hevitr’i Calvin sy ny mpanaraka azy, ohatra (Rom 8 :28-30 sy 9 :1-24. Milaza i Paoly ao amin’ny Rom 8 :28-30 fa Andriamanitra dia mlaira-miasa amin’ny zavatra rehetra mba hahasoa izay tia Azy (Jereo ny dikanteny ao amin’ny Bible en français courant (BFC).. sy nantsoina araka ny safidiny sy ny fikesany mialoha.Fa ireo izay fantany sy nofidiny mialoha dia notendreny hatramin’ny voalohany mba hitovy endrika amin’ny zanany ka ho Lahimatoa amin’ny rahalahiny maro Izy (Jesoa Kristy). Ary ireo izay notendreny mialoha dia efa nantsoiny, ireo izay nantsoiny dia nohamarininy (nataony afaka sy vita fihavanana taminy).. ireo izay nohamarininy dia efa nomeny (nizarany) voninahitra koa.Izany teny izany dia tsy milaza fa Andriamanitra dia manendry ny olona sasany ho voavonjy ary ny hafa kosa ho very. Ny famonjena ireo voavonjy ihany no hazavain’i Paoly eto ny fanendrena (famonjena) an’i Isaka sy Jakoba dia niankina tamin’ny fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany : « Avy amin’Isaka (fa tsy Isimaela lahimatoan’i Abrahama) no hantsoina ( hekena) izay taranaka (marina) ho anao »(Rom 9 :7 « Jakoba no tiako (fidiko), fa Esao no halako »(tsy noraisiko/nolaviko) (and.13). Nofidin’Andriamanitra « hatry ny fony fahagola » (talohan’ny namoronana izao tontolo izao) i Isaka sy Jakoba mba hanambara ny famonjena amin’ny firenena tsy mahalala an’Andriamanitra (Rom.8 :28 ; Ef.1 :9-10 :II Tim 1 :9).Tsy mba nofidin’Andriamanitra hahazo izany tombontsoa izany Isimaela sy Esao, nefa Paoly tsy milaza fa notendren’Andriamanitra ho very izy ireo.Ny hevitry ny teny hoe : » miantso » dia mitaona, mangataka, miangavy Andriamanitra dia miantso ny olona, mitaona azy, handray ny famonjena. Ao amin’ny filazantsara synoptika, ny fiantsoan’Andriamanitra ny olona handray ny famonjena dia ho an’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, nefa vitsy ihany no namaly,satria tsy ny olona rehetra no nandray ny fiantsoana : »Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina’ na ekena (Mat.22 :14).

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny anton’ny FIFIDIANANA ataon’Andriamanitra dia ny htahiana na hanasoavana izao tontolo izao. Ohatra Abrahama dia nofidin’Andriamanitra mba ho fitahiana ny firenena rehetra (Gen 12 :2-3).Ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fifidianana dia mianga amin’ny olona iray vao mihatra amin’ny maro.Ohatra Paoly dia « fanaka’ voafidy ho fitondrana ny anaran’i Kristy eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely » (Asa 9 :15) .Hita ao amin’ny Testamenta vaovao fa fidin’Andriamanitra ny olona tsirairay mba ho voavonjy « eo amin’i Kristy sy amin’ny alàlan’i Kristy », ka misy telo ny tanjona amin’izany (a) fidina ny olona mba « hitovy endrika amin’i Kristy » (Rom 8/29), izany ho : miara-manam-boninahitra sy miara-manjaka amin’i Kristy. (b) Fidina izy mba « masina sady tsy misy tsiny », amin’ny alàlan’ny fanavotana nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana sy ny asan’ny Fanahy Masina (Ef.5 :25-27 ; II Tes 2 :13) (d) Fidina izy mba hanana amin’i Kristy (Rom.14 :8 ; Gal 2/20).

Ambaran’ny soratra Masina fa ny asa lehibe indrindra nataon’i Kristy dia ny ny FAMONJENA ny mpanota tamin’ny alàlan’ny fahafatesany.Ny vokatry ny fahafatesan’i Kristy dia ny Fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra, ary ny fomba nanatanterahan’i Kristy dia ny fanolorany ny Tenany ho fanatitra teo amin’ny hazofijaliana.

Misy Kristiana izay mihevitra fa ny finoana ny amin’ny fampihavanana vitan’i Kristy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijalana dia tsy tao anatin’ny fampianaran’ny Fiangonana hatramin’ny voalohany, fa Paoly no nampiditra azy tato aoriana.Ireto anefa misy antony tsy anekentsika izany.

1. Hita eo amin’ny teny nataon’ny Tompo ny fanolorany ny Tenany ho faty teo amin’ny hazofijaliana, Ohatra : « Hatramin’izany no vao natoron’i Jesoa ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona, dia hovonoina » (Mat.16 :21).. « « Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoinba, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro » (Mar.10 :45)

« Fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka » (Mat.26 :28)

2. Hita koa ao amin’ny toriteny nataon’ ny mpianatra voalohany voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly izany fampianarana izany. Angamba kivy teo anatrehan’ny fahafatesana mahamenatra nihatra tamin’i Kristy ny mpianatra ka tsy nanome toerana be loatra ny filazana ny amin’ny fahafatesany, fa nanizingizina kosa ny fitsanganany tamin’ny maty, kanefa, fantany tsara fa tena fikasan’Andriamanitra ny hahafaty an’i Kristy. Voalazan’i Petera ao amin’ny toriteny voalohany nataony izany : « Kristy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo » (Asa 2 :23) Manamafy izany ny toriteny hafa nataony taty aoriana (Asa 3/18)

3. Hita eo amin’ny toerana hafa ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy ny epistily fa ny anton’ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia ny hanatanterako ny fikasan’Andriamanitra. Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia Paoly no afaka nanazava izany tsara , nefa tsy izy akory no namorona azy, fa efa ninoan’ny mpianatry ny Tompo hatrany izany.

Voalaza ao amin’ny Fanambaram-pinoana nataon’ny FJKM fa ny fampihavanana ny olombelona amin’Andriamanitra dia tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy araka ny voalazan’ny Soratra Masina ». Tsara ny hanamafisana ny ventin-kevitra lehibe momba izany.

1. Ny olombelona dia mpanota tsy afaka hanavo-tena.Tsy misy, fomba ahazoan’ny mpanota mikosoka ny heloka vitany ka mihavana indray amin’Andriamanitra.Tsy misy zavatra na asa tsara izay azontsika atao amin’Andriamanitra mba hahamendrika antsika hahazo famelan-keloka sy hihavana indray amin’Andriamanitra.Ny fikasana sy ny asa tsara indrindra ataontsika dia avy amin’Andriamanitra avokoa ka tsy manome antsika zo ho voavela heloka sy ho vita fihavanana amin’Andriamanitra « Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe : Mpanompo tsy mahasoa izahay, ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay » (Lio.17/10) Tsy misy akory na dia olona iray aza mahavita izay rehetra efa nandidian’ny Tompo azy.

2. Andriamanitra dia maniry sy vonona hamela heloka marina « fa aseho any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-faharinan’ny olona (ny tsy rariny amin’ny namana) izay misakana ny fahamarinana (la verité, TOB) amin’ny fanaovan-dratsy » (Rom 1 :18).Izany anefa dia milaza fa ny fahotana no mahatezitra an’Andriamanitra, fa tsy ny tenan’ny mpanota.Andriamanitra dia tia ny olona ratsy indrindra amin’ny fitiavana lehibe indrindra, nefa ny fahotana dia misakana ny mpanota tsy hihavana amin’Andriamanitra. Ny soratra Masina dia manambara fa Andriamanitra dia manome izay tsara indrindra ananany, dia Jesoa Kristy , mba hamonjy antsika rehetra.Ny dikanteny marina amin’ny Jaona 3/16 dia izao : « Notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa ho velona aina mandrakizay » (Jao 3 :16, DIEM). Izany teny ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona izany dia hamafisin’i Paoly ao amin’ny epistily. »Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy (Rom 5 :8).. Tsy Andriamanitra no mila fampihavanana, satria Izy vonona hamela ny helotsika, isika no mila fampihavanana, satria isika no niodina tamin’Andriamanitra « andriamanitra ao amin’i Kristy (tamin’ny alàlan’i Kristy) no nampihavana izao tontolo izao taminy (II Kor 5 :19)

3. Andriamanitra dia mampihavana ny olona taminy tamin’ny alàlan’ny fahafatesan’i Kristy mba hanatanteraka ny fepetra takin’ny lalàna. Ny fahotana dia fandikan-dalàna ka nyf amelana azy dia mitaky fanajana ny lalàna.Ny Ray dia vonona hamela ny heloky ny zanany izay nangalatra, nefa alohan’ny hamelany ny helony, dia tokiny ny hanoneran’ilay zanany ny ratsy nataony, izany hoe : takiny aloha ny faneken’ilay zanany fa tsy nanaraka ny lalàna izy. Marina Andriamanitra ka tsy mamela heloka raha tsy misy fahatsiarovan-tena sy fieken-keloka : » Raha niaiky ny fahotantsika isika , dia mahatoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana (faharatsiana) rehetra (I Jao 1 :9). Hazavain’i Paoly ao amin’ny Rom 3 :25-26 fa Andriamanitra dia nanolotra an’i Kristy ho fanatitra ka amin’ny alàlan’ny fahafatesany no ahazahoan’ny olona izay mino Azy famelan-keloka.. Izany no fomba nanehoan Andriamanitra fa marina Izy ka nandefitra ary tsy namaly ny fahotana nataon’ny olona taloha. Fa ankehitriny dia nasehon’Andriamanitra fa marina izy raha nanolotra an’i Kristy ho fanatitra ka amin’ny alàlan’ny fahafatesany no hahazoan’ny olona izay mino Azy famelan-keloka. Izany no fomba nanehoan’Andriamanitra fa marina Izy ka nandefitra ary tsy namaly ny fahotana nataon’ny olona taloha, fa ankehitriny dia nasehon’Andriamanitra fa marina Izy raha nanolotra an’i Kristy ho fanatitra hanaisotra ny fahotana ary hanaiky ho marina ny olona rehetra izay manana finoana (fahatokiana) an’i Jesoa. Voahaja ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny famaizana izay tokony hihatra tamin’ny mpanota, nefa nihatra tamin’i Jesoa.

4. Mendrika hanatanteraka ny fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra i Kristy noho ireto antony ireto :

- (a) Zanak’Andriamanitra Izy ka manana ny toetr’Andriamanitra mamela heloka sy namonjy ny mpanota.

- (b) Olombelona koa Izy ka afaka ho solontenan’ny olona rehetra.

- (d) Tsy nanana ota Izy ka afaka manatanteraka izay asa tsy mety ho vitan’ny mpanota.

- (e) Maharitra (velona) mandrakizay Izy ka ny fanatitra nataony tamin’ny nahafatesany dia efa vita « hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao », izany hoe : tao amin’ny fikasan’Andriamanitra mandrakizay (Ap.13 :8).Ny fahafatesan’i Kristy dia afaka hanaisotra ny fahotan’ny olona rehetra, hatramin’ny niandohan’ny fahariana nataon’Andriamanitra ka mandra-pahatongan’ny faran’ny tantara.

Ny fahafatesan’i Kristy no nanatanterahan’Andriamanitra ny fampihavanana.Ny fanontaniana mila valiny dia izao : Tsy ampy hahavita ny fampihavanana ve ny fiainan’i Kristy, ary nahoana no tsy maintsy maty Kristy vao ho tanteraka ny fampihavanana ? Ny Soratra Masina dia mamaly fa ny fanavotana nataon’i Kristy dia nanomboka tamin’ny fiainan’i Kristy, nitohy tao amin’ny fijaliany, ary tontosa tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.

Mazava fa ny Baiboly dia manambara fa ny fahafatesana dia vokatry ny fahotana na sy famaizana noho ny fahotana : »Ny fanahy izay manota no ho faty Ezek 18 :4 .Tokony ho marihina fa amin’ny tena hebreo ny teny hoe « fanahy » dia milaza olona no zava-manan’aina. Ka io andininy io dia azo adika tsara hoe : »Ny olona izay manota no ho faty (TOB).Ary hoy Paoly : « Ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana,satria samy efa nanota izy rehetra (Rom 5 :12). Ny mpandinika dia milaza fa azo heverina fa noharin’Andriamanitra ho tsy mety maty (immorter) ny olona na ny fahafatesana dia tsy nataon’Andriamanitra hitondra fangirifiriana na tebiteby, ny fahafatesan’ny olona rehetra dia mety ho tahaka ny fiafaran’ny fiainan’ny Enoka izay voalaza fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra ka tsy hita fa nentin’Andriamanitra (Gen 5/24), izany hoe : nandeha tamin’ny làlana ankasitrahan’Andriamanitra izy ka nentin’Andriamanitra ho any aminy (TOB), BFC. Raha izany, dia mety ho fiovana sy fiakarana any an-danitra miaraka amin’izay no atao hoe : fahafatesana fa tsy fiafarana mitondra fahoriana.Ny fahotana ihany no nahatonga ny fahafatesana ho làlana maizina sy mahatahotra. Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana (I Kor 15 :56). Satria ny fahafatesana no vokatra na tambin’ny ota (Rom 6 :23) dia anjaran’i Kristy ny ho faty raha mitady famelan-keloka ho an’ny mpanota Izy, »fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka (I Kor 15 :56).Vao mainka miharihary ny lanjan’ny fahafatesan’i Kristy raha tsaroantsika fa ny fanomboana tamin’ny hazofijaliana dia sady sazy nampiharina tamin’ny olo-meloka ratsy indrindra (toy ny mpamono olona) sy ny andevo izay noheverina, ho tsy manan-jo.Tsy ny fangirifirian’ny fahafatesana ara-nofo anefa no tena mafy teo amin’ny fahafatesan’i Kristy, fa ny henatra sy ny tebiteby ara-panahy nosakainy fony Izy nataon’Andriamanitra ota hamonjy antsika, na dia tsy nahalala ota aza (II Kor.5 :21). Efa tonga solontenan’ny olona rehetra Izy, ka nitondra ny vesatry ny fahotana sy ny helok’izao tontolo izao.

1. Ny fomba samihafa hanazavana ny Fampihavanana

Manahirana ny amin’ny Kristiana sasany ny mihevitra, izay tsy manantsiny, dia nitondra tokoa ny heloka sy ny famaizana tokony hihatra amin’ny mpanota rehetra.Koa nitranga ny fanazavana, izay misy mahamarina azy nefa tsy mahafa-po tanteraka ka mendrika ho eritreretina.

(1) Fankatoavana tanteraka Kristy dia mamonjy antsika amin’ny alàlan’ny ohatra na fianarana nomeny antsika, dia ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra : »Tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray (Adama), no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny (fankatoavan’ny) Anankiray (Jesoa Kristy) (Rom 5 :19). Voavonjy isika rehetra mankato tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.

(2) Fibebahana tanteraka. Voavonjy ny olona, satria Kristy no nanao fibebahana tanteraka izay neken’Andriamanitra mba hamonjena ny olona.Marina fa nalahelo ny mpanota Kristy, nefa tsy nibebaka ho azy Izy, satria tsy nisy antony tokony hibebahana ny olona mahatsiaro fa diso ihany no mibebaka, fa tsy olon-kafa afaka hisolo azy.

(3) Faharatsian’ny ota.Ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia hampiseho indrindra ny faharatsian’ny fahotana, ka mandresy lahatra antsika hankahala ny fahotana.

(4) Manoloana ny mpanota, Kristy dia manolo-tena hisolo ny mpanota, ka niarahan’ny famaizana hihatra tamin’ny mpanota. Voahaja ny fepetra takin’ny lalàn’ny fahamarinana, dia ny ny famaizana ny mpanao ratsy.Ireo mpanitsy ny fivavahana (Réformateurs) no tompon’ity fanazavana ity. Nisy teolojiana taty aoriana izay nanampy fanazavana fa vitan’i Jesoa Kristy ny fisoloana ny mpanota satria Izy Zanaka Malala nanketo ny sitrapon’ny Rainy : »Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy »Jao 6 :38). Kristy tamin’ny andron’ny nofony (fiainany teto an-tany) dia nianatra fanarahana (fankatoavana) tamin’izay fahoriana nentiny, na dia Zanaka aza….dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka azy (Heb.5 :7-9).

(5) Fitiavana tanteraka .ny fahafatesan’i Kristy dia porofon’ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanota, dia fitiavana misetra ny mafy indrindra mba hamonjena ny mpanota.Ny fanehoana izany fitiavana feno izany dia mandresy lahatra ny amin’ny mpanota ka mampihavana ny mpanota amin’Andriamanitra.

Mba tsy ho lava loatra ny famotopotorana, dia mety raha faranana amin’ny VOKATRY NY FAMONJENA.Ny olona izay nandray ny famonjena dia tsy avelan’ny Soratra Masina hiankina be loatra amin’Andriamanitra izany hoe hatoky fa efa dia ireo olom-boafidin’Andriamanitra aza dia mbola asaina mifikitra amin’ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba tsy hiala amin’ny finoana (II Pet1 :10.) Paoly dia mananatra ny Krtistiana efa nandroso tamin’ny finoana ka manao hoe : « Miasà amin’ny tahotra sy ny hevitra hahatanteraka ny famonjena anareo (Filp 2 :12) Tokony homarihina fa ny matoateny izay nadika hoe : « miasà » dia avy amin’ny teny grika hoe KATERGAZEQTHAI, ary ny heviny dia manatanteraka hatramin’ny farany, manatontosa feno ny asa efa natomboka.Asain’i Paoly mihazona sy manohy ary mameno ny asan’ny famonjena eo amin’ny fiainany ny Kristiana.Ny tohin’ny tenin’i Paoly anefa dia manazavana fa avy amin’Andriamanitra no ahazoan’ny Kristiana manatanteraka ny famonjena efa noraisiny : « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo (mampiasa anareo) na ny fikasana na ny fanaovana (mba hikasa sy hanatontosa) hahatanteraka ny sitrapony ( Filp 2 :13) .Ny tany ilazan’i Paoly ny asan’Andriamanitra dia ny hoe ENERGEIN, izay manambara asa tsy maintsy vita sy mahomby, satria asan’Andriamanitra ; avy amin’Andriamanitra ny faniriana sy ny fitadiavana famonjena tsaroan’ny mpanota ; avy amin’Andriamanitra ny hery ahazoan’ny olona mandresy ny ratsy sy mandroso amin’ny tsara , avy amin’Andriamanitra ny fihavanana sy ny firaisana amin’ny Mpamonjy izay kendren’ny Kristiana. Kanefa tsy afaka hianaka feno amin’ny famonjena ny olona raha tsy mandray andraikitra koa.Ny famonjena sy ny tombontsoa rehetra avy amin’Andriamanitra dia tsy maintsy raisina.Na dia mahasitrana tokoa aza ny fitsaboana ataon’ny dokotera mahay, dia tsy ho sitrana ny marary raha tsy manaiky sy handray ny fanafody sy ny toro-hevitra omen’ny dokotera azy.Tsy ho tanteraka ny famonjena raha tsy mihaino ny antson’Andriamanitra ny olona, dia mandray izay atolony, ary mankato izay asainy atao.Amin’ny fanambarana ny famonjena izay ataon’ny fiangonana, dia tsy ny fisian’ny famonjena no hoporofoina fa ny fandraisan’ny olona azy ho vaindohan-draharaha.Ny Fiangonana no mpitondra sy mpitsara ny famonjena, koa raha voatanany sy voazavany tsara ny fampianarana sy ny fitoriana ny amin’ny famonjena, dia marina ny fitenenana hoe : « any ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena ».ny fiangonana dia fikambanan’ny tompon’andraikitra, sady olom-boavonjy no vonon-kamonjy ny hafa.

Raha mandray tokoa ny famonjena ny fiangonana dia hitombo ny firaisany amin’ny Fanahy Masina izay hamelona sy hanatanjaka ny faniriany hamonjy ny namany.Ny olona efa nandray ny famonjena dia tsy maintsy ho fahazavan’izao tontolo izao sy ho fanasin’ny tany ary ho tanàna miorina an-tampon-tendrombohitra manerana ny firenena sy ny tantara rehetra.Tanjona hotratrarin’ny FJKM izany eo am-piandrasana ny taonjato faha-21.

Misy endrika anankiray koa isehoan’ny famonjena dia ny fahafahana Kristiana.Ny famonjen’i Kristy dia manafaka ny olona amin’ny fanandevozan’ny fahotana, izay loharanon’ny fatorana isan-karazany mampijaly ny zanak’olombelona.Na dia ny zavaboahary hafa ny olombelona asa dia mijaly noho ny fahotana »Fa ny zavaboahary koa aza dia hafahana tsy ho andevon’ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra hananan’ireo zanak’Andriamanitra (Rom 8 : 21 DIEM). Voalazan’ny Soratra Masina fa nitondra faisana ny zavaboahary rehefa nanota Adama sy Eva : ! »Voaozona ny tany noho izay nataonao » (Gen 3 :17).Koa rehefa afaka amin’ny fanandevozan’ny ota ny olombelona, dia mba voavonjy koa izao tontolo izao.Na dia simba aza izao tontolo izao, dia miandry sy manatena ny fanafahana hotanterahin’ny fitiavana sy ny famidnrampon’Andriamanitra ny Kristiana.Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny fahafahana, fa tsy avy amin’ny asan’ny olombelona na mipoitra ho azy eto an-tany.Izany no hevi-dalina mifono ao amin’ny tenin’i Jesoa hoe : »Raha aharitra amin’ny teniko ianareo (raha ankatoavinareo tanteraka ny teniko), dia ho mpianatro tokoa ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo »(Marle d’Aubigné). Ny marina dia izay rehetra ambaran’Andriamanitra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.Ny fahafahana azon’ny olona mandray izany fanambarana izany, dia famonjena amin’ny heloka, ny fahotana, ny fahoriana, ny tahotra, famonjena amin’i Satana.Manamafy izany ny famaritana nataon’ny teolojiana anankiray :« Ny fankatoavana tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra no hany fahafahana tonga lafatra sy feno. »

Hadinontsika kristiana matetika fa ny famonjena dia tsy ara-panahy ihany, fa ara-nofo koa : famonjena amin’ny aretina, amin’ny loza, amin’ny fahavalo, amin’ny fahoriana, famonjena politika (amin’ny faharesena an’ady, na amin’ny fahababoana), akonomika sy sosialy (amin’ny mosary, na amin’ny tsindrihazolena, na fahandevozana). « Kristy hery sy fahendren’Andriamanitra no manafaka ny olombelona amin’ny fanompoantsampy sy ny finoanoampoana. Izay tsy matoky an’i kristy dia mitady toky amin’ny sikidy, fanandroana, vintana, joro, fiantsoana avelo, sy ny sisa ».(J. RAMAMBASOA ) : Kristy Hery sy Fahendren’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina 1981 P. 17) Hatramin’izay nijoroan’ny tamin’ny taona 1968, ny FJKM dia mihevitrra fa andraikitry ny fiangonana ny mitory sy miaro ny fahafahana, ny zon’olombelona, andraikiny koa ny manohitra ny fanamparam-pahefana ny herisetra, ny fanavakavahana, ny fahalovana. Ny famonjena izay inoantsika sy torintsika fiangonana dia « ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra « (Rom.8 :21) hery mamonjy sy mamelona zarain’Andriamanitra amin’ny mpino natsangany ho zanaka.

Koa marina ny fandinihana nataon’ny mpitondra fanjakana anankiray izay nanoratra hoe : « Tsy azo atao ny hanandevo ny firenena izay mamaky baiboly. Ny foto-kevitry ny Baiboly izany dia ny iorenan’ny fahafahan’olombelona » (Horace Greeley). Izany fotokevitry ny Baiboly izany « dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanapatapaka ny zioga rehetra » (Is. 58/6). Mahagaga raha misy fiangonana tsy mankato izany. Farany, famonjena dia fanafoanana ilay ozona nateraky ny fahotana voalohany tany Edena : « Hahabe ny fahorianao Aho … fahoriana no niterahanao zanaka … fahoriana no hihinananao ny vokatry ny tany … ny hatsembohany’ny tavanao no hahazoanao hanina » (Gen. 3/16-19. Hita fa tsy misaraka amin’ny fiainan-janak’olombelona ny fahoriana, noho izany, dia misy mpandinika izay mihevitra fa ny fanafodin’ny fahoriana dia ny mihenjana ka tsy mitaraina na milofika eo anatrehan’ny zava-tsarotra mianjady aminy. Misy kosa izay tsy mahita fanazavana na làlana hialana amin’ny fahoriana, ka dia manaiky izany ho anjara ratsy tsy maintsy zakaina, ary tsy manao na inona hanoherana azy. Ny famonjena nataon’i Kristy no fomba mahomby indrindra handresena ny fahoriana. Ny vaovao mahafaly tokony ho torin’ny F.J.K.M dia izao : ny fanavotana ilain’nizao tontolo izao dia tsy ho azony avy amin’ny alalan’ny fitaizana, na vola, na siansa, na fandinihan-tena, na fandosirana ny fiaraha-monina ; amin’ny alalan’ny fahoriana miaraka amin’i Kristy no fandresena ny fahoriana eto an-tany. Ny fahorian’I Kristy sy ny fahafatesany dia tsy avy amin’ny anjara na ny fahotany tenany, fa avy amin’ny faharatsian’ny mpiara-belona sy ny fahotan’izy ireo. Tsy zava-maivana tamin’Andriamanitra ny hazofijalian’i Kristy satria Zananilahy Tokana no maty teo. Nanaiky hiara-mitondra fahoriana amin’ny mpanota Kristy, ary « maty hamonjy ny olona rehetra Izy « ( II kor. 5/16 ). Tsy tian’Andriamanitra ny fahoriana, ka dia nanolotra ny Zanany ho faty Izy mba handresena ny fahoriana. Ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy) dia mitantara ny nidiran’ny fahoriana teto amin’izao tontolo izao ; ny boky farany ao amin’ny Baiboly kosa (Apokalypsy) dia milaza ny tany vaovao tsy misy fahoriana intsony (Apok. 21/4). Ny fanjakan’Andriamanitra izay notorin’i Kristy sy ny mpanaraka Azy, dia niady tamin’ny satana sy ny fahotana, ary nandresy ny fy aretina sy ny fahoriana hafa nentin’ny fahotana. Jesoa dia tsy nilaza tamin’ny olona nanam-pahoriana mba hizaka izany amim-paharetana, satria izany no sitrapon’Andriamanitra ; tsy nijery fotsiny ny fahorian’ny mpiara-belona taminy koa Izy, fa nandray andraikitra ka nanasitrana ny aretin’ny nofo ary niady tamin’ny fampahoriana sy ny fanaovana ny hafa ho tsinontsinona. Ny fanjakan’Andriamanitra dia manambara ny fandresen’Andriamanitra ny fahoriana sy ny faharatsiana ; ary raha tsy resy avy hatrany aza izany, dia hain’Andriamanitra ny mampiasa ny fahoriana sy ny faharatsiana miseho rehetra mba hanatanteraka ny sitrapony mandrakizay. Toky sy hery ho an’ny fiangonana izany, ary ny tantaran’ny F J K M dia feno porofo manambara ny fampiasan’Andriamanitra ny fahavalony mba hanatanteraka ny fikasany : ny fanenjehana sy ny famonoana ny maritiora vao mainka nampitombo isa ny kristiana, ary ny fandroahana ny misionera vao mainka nahatonga ny kristiana ho tia ny Soratra Masina.

Fampandrosoana lehibe ho an’izay mitondra fahoriana noho ny amin’ny kristy sy ny filazantsara ny finoana fa ovàn’Andriamanitra ho fampandrosoana ny fanjakany eto an-tany ny hazo fijaliany. Ny fiainan’i Paoly dia manamarina izany : « koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’ Kristy » ( II Kor. 12/10), izany hoe noho ny fitiavako sy ny fanompoako Azy.

Maro ny hevitra mbola azo ambara momba ny fijoroan’ny F J K M hitana ny finoana, nefa tsy azo ivalamparana ny toerana antonona izany. Alohan’ny hanakantonantsika, ity takila farany ity, dia izao no famintinana aroso. Ato anatin’ny folo taona (1990-2000), dia izao no vavaka sy asa ho tontosain’ny FJKM :

(1) F J K M mandray ny famonjena (filazantsara) sady mizara izany amin’ny olona rehetra : « Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra » na tsy mitsahatra ( II Tim. 4/2, Moffatt)

(2) F J K M miady ho an’ny fahafahana kristiana, ao anatin’ny fiangonana sy eto amin’ny firenenana : « Olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra » (I Pet. 2/16)

(3) F J K M manafaka ny fahorian’ny olona sady manova izany ho voninahitr’ANDRIAMANITRA « Ny teny dia tsy manana fahoriana izay tsy azon’ny lanitra sitranina ».

Atoa RAMAMBASOA Joseph, Mpitandrina

NY FIAINANA HO AVY

Ny Fiangonana dia mijoro eto amin’izao tontolo izao mba hamelona fanantenana ao am-pon’ny olona, satria mila izany tokoa ny androntsika ankehitriny. Raha manambara ny finoany ny F J K M dia mamerina indray hoe : « Jesoa kristy no fananganana ny maty sy fiainana » (Jao. 11/25. Fanontaniana saro-baliana no mibahana ao an-tsain’ny olona rehetra, indrindra ny mpivavaka : « Misy ve ny fitsangann’ny maty sy ny fiainana any an-koatra ? Inona bno zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana sy ny faran’izao tontolo izao ? Raha miainga avy ao amin’ny Soratra Masina isika, dia hitantsika ao ny faminaniana, izay volaza amin’ny endri-teny sy ny sary an’ohatra tsy mahazatra antsika ary tsy azo raisina ara-bakiteny, satria « voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra » (Oh. 25/2. Mampitandrina antsika fatatra izay nihatra tamin’ny mpivavaka jiosy izay diso fandray tanteraka ny faminaniana ny amin’ny Mesia, ka nandà an’i Jesoa Kristy. Misy koa ny faminaniana nataon’ny Tompo sy ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao izay mahabe fanantenana antsika, nefa tsy azo itompoan-teny fantatra ny fomba andraisantsika azy. Na dia ny teolojiana be finoana sady mazava saina tahaka an’i Paoly aza dia vaky vava hoe : « Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany : ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina : » ( Rom.11/33).

Hozaraintsika fito toy izao ny famotopotorana :

1 Ny faran’izao tontolo izao

2 Ny fiavian’ny Tompo

3 Ny fitsanganan’ny maty

4 Ny fitsarana

5 Ny fahaverezan’ny ratsy fanahy

6 Ny fahasambaran’ny tsara fanahy

7 Ny fanjakana mandrakizay

1 Ny Faran’izao tontolo izao

Ny mpahay siansa dia manaiky ny filazan’ny Baiboly fa izao tontolo izao, izay nanam-potoana niandohana, dia hanam-potoana hiafarana koa. Araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana, dia efa naharitra 4.600 tapitrisa taona izao tontolo ary samy miha-antitra na ny masoandro, izay miantoka ny fiainan’ny tany, na ny tany rahateo. Samy misy milaza na ny fahalevonan’ny tany vokatry ny fitomboan’ny hatsiaka, na vokatry ny fitomboan’ny hafanana. Misy koa ny fanazavana fa mihena tsikelikely ny hafainganan’ny fanodidinan’ny tany ny masoandro, ka amin’ny farany dia hianjera sy ho potika ny tany. Ny Baiboly dia milaza fa "ho lasa amin’ny firimorimoana mafy ny lanitra, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy" II Pet. 3/10-12. Ao koa ny fanazavana fa hifandona amin’ny volana, na amin’ny planeta hafa, ny tany (Paul Vulliaud : La fin du monde Payot, 1952). Ny Baiboly anefa dia manambara fa asa mivantana ataon’Andriamanitra izany ( Jereo : Joe. 3/3-4 ; Mat 13/39,49 ; 24 :3 ; 28 :20 ; Heb 9/26)

2 Ny Fiavian’ny Tompo.

Voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa amin’ny Faran’izao tontolo izao, na Fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy ny Fiverenan’ny Tompo, na ny Fiaviany (grika Perousis).Izany no lazaina eo amin’ny Fanekem-pinoana hoe : « Izaho minoa an’i Jesoa Kristy izay ho avy hitsara ny velona sy ny maty » (Fanekem-pinoana Apostolika)., na "… ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty" (Fanekem-pinoana).Fa hoy kosa ny Fanambaram-pinoana nataon’ny FJKM "Ho avy indray hitsara ny velona sy ny maty". Ny teny grika hoe Parousin dia enti-milaza fanatrehana, na fahatongavana, na fitsidihana, ary ampiasain’ny Testamenta Vaovao mba hilazana ny fahatongavan’i Jesoa Kristy hitsara ny olona rehetra amin’ny andro farany, na Farandro (Mat.24-25 ; Mar.13 ; Jao 14/3). Nilaza ny fiverenany ety an-tany Jesoa Kristy, ary ny mpanoratra ny epistily ao amin’y Testamenta Vaovao dia manantena izany sy nahazo hery tamin’izany.Ny teny nahazatra ny Kristiana tany am-boalohany dia ny hoe MARANA THA , izay teny arameana fanao tamin’ny fanompoam-pivavahana ary ny dikany dia : Avia, Ry Tompo : Nanjary teny fankaherezana tao amin’ny fiangonana izy, io, ary fanambarana ny finoana fa hoavy ny Tompo. Ny Fiangonana voalohany dia nino fa efa antomotra tokoa ny fiavian’ny Tompo.Tao amin’ny Fiangonana tao Tesalonika, dia nisy Kristiana izay tsy niasa intsony, satria tsy nisy antony hiasana intsony, fa hoavy faingana ny Tompo (I Tes 5 : 1-3 ; II Tes 3 :11-13) Nananatra azy ireny Paoly, satria nitondra fahasahiranana sy fahadisoam-panantenana ny toetrany. Tamin’ny fotoana nanombohany nanoratra (angamba 51 taorian’i Kristy) i Paoly koa dia nihevitra fa ho tonga ny Tompo raha mbola velona izy (Paoly) »Rehefa afaka izany ( ny fidinan’ny Tompo avy any an-danitra) ; dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka (I Tes 4 :17). Raha nanoratra taona vitsy taty aoriana izy, dia mbola nilaza hoe ; « Fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneho ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra « (I Kor 15 :52). Angamba voasoratra tamin’ny 56 taorian’i Kristy izany teny izany. Jakoba koa dia nino fa ho avy faingana ny Tompo, fony izy nanoratra ny epistiliny (angamba taoriana kelin’ny 57 taorian’i Kristy) : »Mahareta, koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo (Jak.5 :8). Ny Filazantsaran’i Jaona koa ahitana ny finoana notarian’ny mpianatra taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty.(Jao.21 :23)

Ny fampianaran’i Jesoa dia misy teny maro momba ny fiaviany izay tsy nazava loatra tamin’ny mpianatra ka nahatonga azy ireo hino fa ho avy vetivety Kristy.Misy aza teolojiana izay nilaza fa ny tenan’i Jesoa mihitsy no nino fa hiverina faingana ety an-tany Izy. Toy izany i Albert SCHWEITZER.Mety ho nahadiso hevitra ny mpianatra sy ny mpandinika taty aoriana ny tenin’i Jesoa sasany ohatra : »Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany ( Mat.24 :34) Mety tsy ho fiverenany farany no nambarany tamin’izany, fa ny fisehoan’ny heriny sy ny voninahiny tamin’ny fotoana sasany, toy ny fiovany tarehy tao an-tendrombohitra, ny Pentekosta, ny faharavan’i Jerosalema. Manatrika sy miseho mandrakariva Izy amin’ny fotoana ilain’ny fiangonana ny fitahiany : »Indro, Izaho momba anareo (miaraka aminareo) mandrakariva ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Raha angonina ireo tanin’i Jesoa sy ny apostoly izay tena mikasika ny fiverenan’ny Tompo dia ireto no hevitra azo tsoahana.

(1) Ny fivorian’ny Tompo, na ny fiverenany dia hiseho miharihary amin’ny olona eto an-tany : »Hatramin’izao dia hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra (Mat. 26 :64) Iny Jesoa izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra » ( Asa 1 :11). Ny matoanteny nadika hoe « mahita » (HORA Ô) dia tsy milaza fahitan’ny maso ihany, fa manambara koa fahitan’ny masom-panahy fahitana ara-panahy na ara-tsaina, fahatsapana mazava tsara ( Moulton-Milligan : The Vocabulary of the Greek Testament, p.455)

(2) Ho feno voninahitra sy fahefana ny fiavian’ny Tompo : « Fa ho avy ny zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony ( Jereo Mat. 16 :27 sy 25 :31)

(3) Ho tampoka sy tsy ampoizina ny fiavian’ny Tompo (Jereo Mar 24 :42-44 :Lio 17 :26-30) : »Koa miomàna kosa ianareo, fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny zanak’olona ».

(4) Tsy fantatra ny fotoana hiavian’ny Tompo : « Fa amin’izany andro sy ora izany dia tsy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza (ary na ny zanaka aza) afatsy ny Ray ihany.

(5) Alohan’ny fiavian’ny Tompo, dia hiseho « ilay lehilahin’ota », hitondra fihemorana sy famitahana, manao ny tenany ho Andriamanitra (II Tes 2 :1-10)

(6) Amin’ny fiavian’ny Tompo, dia hofoanany amin’ny herin’ny fofonainy sy amin’ny voninahiny mamirapiratra (mandroso ) ilay « tena mpandika lalàna, na anti-Kristy (II Tes 2 :8).

Ny amin’ny Fanjakana arivo taona (Millenium)

Ao amin’ny Apokalypsy 20 :1-10 dia misy filazana maningana momba ny fiverenan’i Kristy eto an-tany, izay arahin’ny fitsanganan’ny olo-masina na ny maritiora, ka hiara-manjaka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona izy ireo, ary hofatorana kosa Satana raha mbola manjaka izy ireo ; dia hisy fihemorana ara-panahy lehibe sy ady mangotraka farany hifanaovan’ny fahotana sy ny Fahamarinana, ; rehefa vita izany , dia hisy fiverenana faharoa hataon’i Kristy mba hanangana ny maty rehetra (fitsanganana faharoa) sy hitsara azy. Izany fampianarana izany no atao hoe MILLENARISME (avy amin’ny teny latina, millenium arivo taona, na CHILIASME (avy amin’ny teny Grika, Khillia = arivo) saingy ny Chiliasme dia manaraka mafy ny voasoratra ara-bakiteny.Atao hoe Pré-millénariste ny mpivavaka izay milaza fa ho avy alohan’ny Arivo taona (millenium) ny Tompo, atao hoe Post-millénariste kosa izay milaza fa ho avy aorian’ny Arivo taona ny Tompo ; atao hoe emillénariste kosa izay mandà ny fisian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona eto an-tany, fa mitana kosa fa ho avy ny Tompo.

Tsy manaiky ny fampianarana momba ny Millenium ny ankamaroan’ny Fiangonana, satria :

(1) Toerana iray ihany no ahitana izany ao amin’ny Baiboly (Apok 20 :1-10), ka tsy ampy ny porofo hanekena azy ho marim-pototra

(2) Paoly dia tsy milaza ny amin’ny fanjakana arivo taona, fa milaza kosa fa ho ny Tompo aorian’ny fihemorana lehibe tarihin’ilay lehilahin’ota (II Tes.2/3).

(3) Sarotra inoana io fampianarana io, satria milaza fiverenan’ny Tompo indroa fitsanganana amin’ny maty indroa, fanjakana mandritra ny arivo taona ao amin’ny toerana tsy fantatra (Isiraely ?)

Izao kosa ny fanazavana tanan’ny mpanao heviteny maro :

(1) Ny Arivo taona (Millenium) dia milaza ny tantaran’ny Fiangonana manombnoka tamin’ny nahatongavan’i Kristy ho olombelona teto an-tany, ka mitohy ankehitriny.Ny arivo taona dia manambara fa fotoana lava (amintsika, fa fohy amin’Andriamanitra) izay haharetan’ny Fiangonana sy ny asany eto an-tany.

(2) Ny « famatorana an’i Satan » (Apok.20 :2-3) dia milaza ny fahareseny vokatry ny famonjena nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana.Ilay « hery misakana ny faharatsiana » (II Tes.2 :6-7) dia angamba ny fanjakana Romana izay nampilamina ny fiaraha-monina tamin’ny andron’i Paoly, sy ny fahefana hafa ankehitriny misasaka ny fanaovan-dratsy

(3) Ny fitsanganana amin’ny maty voalohany dia ny fahaveloman’ny olo-masina any an-danitra izay miara-mandresy amin’i Kristy amin’ny alàlan’ny fandrosoan’ny Filazantsara.

(4) Ny Fiavian’i Kristy dia milaza ny fandresen’i Kristy amin’ny farany sy ho mandrakizay.Ny faran’izao tontolo izao dia tsy milaza fahafoanana, fa manambara lanitra vaovao sy tany vaovao.

3. Ny Fitsarganana amin’ny maty.

Hita ao amin’ny Testamùenta Vaovao fa amin’ny Fiavian’ny Tompo dia hitsangana ho velona ny maty (jereo Jao 5, 25 - 29. I Kor 15, 52 ; I Tes. 4, 16). Ny fivavahana Kristiana ihany no manana fampianarana mazava momba ny fiainana ho avy.Teo amin’ny fivavahana Jiosy, dia toerana roa ihany no ahitana fanantenana momba ny fiainana any ankoatry ny fasana, dia izay voialaza eo amin’ny Joba 19, 25 - 27 sy Salamo 16, 10 - 11. Azo anampy ireo ny Salamo 73, 25 - 26. Ny Fiangonana kristiana no mandray ireo teny ireo ho faminaniana na fanazavàna ny fitsanganana amin’ny maty, fa ny zava-boalazan’ny mpanoratra dia faniriana ho velona sy salama aorian’ny aretina na ny loza, satria Andriamanitra dia tsy hanary azy na hamela azy ho faty. Marina fa taorian’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nihanazava ny finoana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Ohatra : "Manampahefana hamelona sy hamono Ianao (ry Tompo) : mitondra ho eo ambavahadin’ny fonenan’ny maty Ianao, dia mamerina avy any indray" (Fahendrena 16/13). Razisa "efa lany rà mihitsy, dia noraotiny ny tsinainy ka natsipiny tamin’ny tànany tao amin’ny vahoaka, dia nangataka tamin’ny Tompon’ny aina amam-panahy izy (Razisa), mba hamerina izany aminy indray andro any" (Makabeo 14/16).

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ho ahitantsika mazava ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy amintsika anefa izany finoana izany raha tsy fakafakaina amin’ny hevitry ny firenena sy ny mpandinika maro ny amin’izay atao hoe : FAHAVELOMAN’NY FANAHY.

Ny grika dia mihevitra fa ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty nomen’Andriamanitra azy ary mitoetra mandritra ny fotoana voafetra ao amin’ny vatana mety maty. Rehefa tonga ny fotoana ahafatesan’ny olona, ny vatany dia miverina amin’ny tany izay niaviany, satria vovoka no nanaovana azy ; ny fanahy kosa miala makany an-danitra, satria Andriamanitra no nanome azy. Ny fanahy ihany no mandova ny lanitra. Hafa noho izany anefa ny finoana notanan’ny olona tamin’ny andron’i Kristy sy nampianaran’ny Fiangonana voalohany.

Ny ataon’ny Kristiana ho FITSANGANANA AMIN’NY MATY dia fameloman’Andriamanitra indray ny olona manontolo, vatana sy fanahy, ho amin’ny fiainana vaovao tanteraka.Ny fampianaran’ny filozofa grika, tahaka an’i PLATON, ny amin’ny tsi-fahafatesan’ny fanahy dia tsy finoana ara-pivavahna, fa fandinihana ara-tsaina momba ny fahambonian’ny olona amin’ny biby. Ny teny grika ATHANASIA, izay adika hoe tsi-fahafatesana dia indray mandeha ihany no milaza an’Andriamanitra (Itim 6 :16), fa in-droa dia milaza toetra tsy ananan’ny olombelona (I Kor 15 ;53,54), fa vao homen’Andriamanitra azy. Amin’ny fampianarana Kristiana, dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra no mahatonga ny olona tsy ho faty, fa tsy toetrany hatramin’nyvoalohany akory.Ny olombelona, hoy ny finoana Kristiana, dia tsy mitapaka na mizara roa, ny fanahy no fizarana tsara na ambony, fa ny vatany no fizarana ratsy na ambany. Ny fitsaboana sy ny fandinihana ny toe-panahy na toe-tsain’ny olona dia manamarina fa miaraka sy tsy azo sarahina ny fanahy sy ny vatana. Hita mandrakariva fa ny herin’ny fanahy na ny saina dia manasitrana ny vatana, ary ny aretin’ny vatana dia mandreraka ny fanahy. Ny fampianarana fa ny fanahy no fizarana na faritra ambony amin’ny olona, dia niteraka fanamaivanana na fanaovana ny vatana ho tsinontsina. Samy nataon’Andriamanitra ny fanahy sy ny vatana ka tsy nanao ny vatana ho ratsy hatrany am-boalohany Izy. Tsy eken’ny Kristiana ny finoana hoe : ny fiainana eny ankoatry ny fasana dia fiainana ara-panahy fotsiny, tsy mila vatana. Ny fiainana feno, na eto an-tany na any ankoatra, dia fiainana iarahan’ny vatana sy ny fanahy miriaria. Jesoa dia nikarakara ny vatana, ka nanome hanina ny noana sy nanasitrana ny marary, ary milaza fa ny fanampiana ny mahantra sy ny madinika dia andraikitry ny kristiana (Mat. 25 :35-42). Paoly koa nilaza fa ny vatana dia tempolin’ny Fanahy Masina, ka tokony hatolotra ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra (Ikor 6 :19-20 ; Rom 12 :1) Ny vatana dia mety ho fitaovana ampiasain’ny fahotana nefa azo avotana (Rom 6 :12-13 ;8 ;23).

Ny finoana kristiana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia fanitsiana na fanafoanana ny finoan’ny Hebreo ny SHEOL na Fiaina-tsi-hita, sy ny lazain’ny Testamentan Vaovao ho GEENYA (Gehena) na Helo (Afobe). Ny Sheol dia anarana mety ho avy amin’ny fototeny milaza lavaka na loaka, ary azo adika hoe lavaka fitoeran’ny maty Ny maty izay mankany amin’ny Shecl dia eo ambany fahefan’Andriamanitra, nefa tsy mahalala izay ataon’Andriamanitra ary tafasaraka tanteraka amin’ny olona ety an-tany. Indraindray dia toa mijaly any Sheol ny ratsy fanahy ( Qsal 55 :15 ; Oh.9 :18), nefa izany angamba dia vokatry ny fiheverana fa ny fahafatesana dia vokatry ny fahotana. Nisy mihevitra fa ao anatin’ny Sheol dia misy toerana amaizana ny ratsy fanahy ka atao hoe "fandringanana" (Jb 26 :6 : 28 :22 : oh015/11) na "lavaka" (Jb.33 :24, Sal 16 :10 ; Ez.31 :14). Tato aoriana, dia nozarain’ny Jiosy ho roa ny Sheol, ka voalohany (1) paradisa, izay itoeran’ny voavonjy miandry ny fitsanganany, ary ny faharoa (2) Gehena, izay itoeran’ny ratsy fanahy mijaly amin’ny afo tsy mety maty, ary tsy misy fanantenana ny amin’ny fitsanganany (Mat.10 :28 : 13 :15). Ny anarana hoe Gehena dia avy amin’ny teny Hebreo Gre Hinnom (Lohasahan’i Himona), toerana fanariam-pako tao andrefan’i Jerosalema. Ny anarana grika hoe HADES no nadika hoe : "Fiainan-tsi-hita", nefa mitovy ihany ny Sheol sy ny Hadès toerana maizina, mangina (Jb.10 :21-22, Sal 94 :17 : 115 :17), toeran’ny olona osa, ritra aina (Is 14 :14 :10).

Ny Kristiana dia tsy mitana intsony ny finoana ny amin’ny Sheol no Gehena. Jesoa Kristy dia tsy miteny firy momba ny toerana sy ny ajara miandry ny maty. Nampiasainy in-telo ny anarana hoe Hadès (Mat.11 :25 , Lio.10 :15, Mat.16 :18 ; Lio 16 :23). Nefa tsy milaza toerana alehan’ny maty, araka ny hevitra jiosy, ireo teny ireo fa manambara tsy fisian’ny hery na asa ao amin’ny olona tsy mino, ary fatiantoka sy fahoriana ara-panahy vokatry ny fitiavan-tena. Nampiasain’ny Tompo koa ny teny hoe : tratran’i Abrahama (Lio .16 :22), izay milaza voninahitra eo akaikin’i Abrahama, fa tsy toerana misy ny maty akory. Indray mandeha ny Tompo no nampiasa ny anarana hoe : "Paradisa" (Lio 23 :43), ary fanantenam-piadanana no tiany hambara, fa tsy toerana iray. Nampiasainy koa ny hoe : "matory" mba hilazana ny maty, nefa tsy azo anamarinana fa ny maty dia tsy mahatsiaro tena, na ao an-tranomaizina, mijanona ao amin’ny toerana fanadiovana. Teny an’ohatra misy dikany ara-panahy no nampiasain’i Jesoa, fa tsy fampianarana horaisina ara-bakiteny, ohatra harena any an-danitra, tranon’ny Raiko, mandova fanjakana, ao koa ny maizina any ivelany, ny fikotroha-nify, ny afo tsy mety maty, sns.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia vitsy ny teny momba ny anjaran’ny MATY AO AMIN’ NY TOMPO (Lio 16 :22) , na ny Kristiana tafaray amin’i Kristy tamin’ny alàlan’ny finoana ka tratry ny fahafatesana. Ny tenin’ny Tompo dia ahafantarana fa izy ireo dia miditra avy hatrany any amin’ny toerana misy ny Tompo sy mahita ny voninahiny (Jao 14 :2,3 ;17 :24) toeram-pahasambarana idiran’ny olo-marina aorin’ny fahafatesana (Testamenta Taloha sy hevitra tatsinanana). Paoly milaza fa ny mpanompon’i Kristy modimandry dia ao amin’i Kristy avy hatrany (Fil 1 :23). Manamafy izany ny Apokalypsy : "Sambatra ny maty , dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao,.Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy ; fa ny asany manaraka azy" (Ap.14 :13). Manomboka eo amin’ny fahafatesany dia sambatra izy.

Ny Baiboly dia tsy milaza fa ny fanahy ihany no miditra any amin’ny fahasambarana na any amin’ny fijaliana, ny olona no mankany fa tsy ny ampahany na ny faritra sasany. Ny tenin’i Paoly momba ny tranolay (vatana) izay hosoloin’Andriamanitra toy ny manome vatana vonjimaika ho an’ny maty mba ho olona feno no sambatra na mijaly, fa tsy matoatoa na ambiroa matory tsy mihetsika any amin’ny Fiainan-tsi-hita.

Ny Tena na Vatana araka ny fombam-panahy (Corps spirituel)

Hoy Paoly : « Jesoa Kristy Tompo hanova ny tenan’ny fizotran-tenantsika hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy (Fil 3 :21).Hazavainy koa ao amin’ny I Kor15 fa ny vatan’ny olona hitsangana dia tsy ho lo, hanana voninahtra sy hery, talohan’ny vatana araka ny fomban’aina » ato aoriana « vatana araka ny fombam-panahy (Ikor 15 :42-44) araka izany, dia ny vatana nananan’i Kristy tafatsangana no modely na filamatra hotratrarin’ny vatan’ny olona hitsangana amin’ny maty.

(1) Vatana manam-piraisana amin’ilay tety an-tany.Izany no dikan’ny teny hoe ! afafy sy atsangana : ilay taloha ihany nefa nandalo fiovana, fanavaozana.Ho fantatra fa vatan’ilay olona taloha io, tsy endrika hita maso no hahafantarana izany fa toetra anaty tsapan’ny fanahy.Angamba amin’ny fotoana ahafatesana no andraisana io vatana vaovao io, rehefa rava ny tanolaintsika ety an-tany.Ny tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy hoe : »Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Jakoba, dia nanaovan’ny Tompo fahazavana fa « tsy Andriamanitry ny maty Jehovah, fa an’ny velona, izany hoe : tsy avelan’Andriamanitra ho foana na very ny mpanompony rehetra maty, fa velominy ho eo akaikiny mandrakizay (Mar.12 :26)

(2) Vatana araka ny fombam-panahy.Vatana araka ny fombam-panahy, Vatana antonona ny lanitra izay fonenana ara-Panahy, tsy nofo izay antonona ny fiainana eto an-tany, fa « fonosana » afaka miaraka amin’ny fanahy, tsy fehezin’ny fotoana sy ny toerana (Jao.20 :19-26)

(3) Vatana vaovao, hafa noho ny taloha tahaka ny voam-bary izay afafy, nefa manjary vary manana taho, ravina, salohy.

(4) Vatana manana voninahitra.Manana endrika sy bika ary fomba tsy misy kilema na fahasimbana hita maro.Jesoaniova tgarehy tao an-tendrombohitra dia ahafantarantsika izany vatana manana voninahitra izany.Jesoa tafasaraka, raha naneho tamin’i Paoly, dia mazava avy any ambony, manelatselatra, tampoka, manodidina no hitan’i Paoly ‘Asa 9 :3 ; Mat17 :2)

4. Ny Fitsarana farany.

Ho avy indray Kristy hitsara ny velona sy ny maty :

Hita ao amin’ny Baiboly ny fitsanganana amin’ny maty dia harahin’ny fitsarana ny olona rehetra ataon’i Kristy. Ny olona rehetra izay mino fa misy Andriamanitar dia manantena fa ho avy ny fotoana izay hamoahantsika eo anatrehan’Andriamanitra ny zavtra izay nataontsika, satria tompon’andraikitra amin’ny asantsika sy ny toetrantsika isika. Ao amin’ny Testamenta Taloha , ny mpaminany tamin’ny taonjato faha-8 talohan’i Krisry dia nanambara fa Isiraely no tsirairay ao amin’ny fitsaran’Andriamanitra atrehin’ny firenena rehetra (Mat. 25 :31-46, Apo.20 :11-15). Ny olona tsirairay dia tsaraina amin’ny andro ahafatesany, fa ny didim-pitsarana dia havoaka ampahibemaso amin’ny Fitsarana farany. Izao no azo tsoahana momba izany.

1. Ny olona rehetra hotsaraina, ka tsy misy ho afaka miala sy mandositra (Rom 14 :10-12 ;, II Kor 5 :10). Samy handray ny valin’ny asany sy ny toetrany, na ny marina na ny diso.

2. Amin’ny lalàn’ny fahamarinana no hitsaran’Andriamanitra : sy mba lalana mety diso antaon’olombelona no hitsarana, fa lalàna tsy mety diso nataon’ny fahamarinan’Andriamanitra.

3. Jesoa Kristy no ho Mpitsara : satria Izy irery no manana ny toetra sy fahefana hanao izany (Jao 5 :22 ; Asa 10 :42). Mahalala ny zavatra rehetra Izy, tsy miafina aminy ny toetry ny fo izay loharanon’ny asa natao) ; tsy miangatra Izy, nefa mahafantatra izay tena anton’ny fahadisoana : »Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika » (Sal.103 :14)

4. Samy hafa ny fitsarana ny kristiana sy ny tsy mahalala an’i Kristy : Ny Kristiana dia hotsaraina araka ny vokatry ny fahalalany an’i Kristy eo amin’ny fiainany (Jao 12 :48 ;Rom.2 :6 : II Kor 5 :10)

Ohatra ny mpitandrin-draharaha mahalala ny tokony hataony, nefa tsy manao dia meloka ny mpanompo nanao ratsy, nefa tsy nahalala ny tokony hataony (Lio 12 :42-48).Ny olona tsy mahalala an’i Kristy sy ny filazantsara, dia hotsaraina araka ny kely fantany ao amin’ny fieritreretany (Rom 2 :12-16).

5. Ny marina dia hanatrika ny fitsarana amin’ny fifaliana : Na dia hotsaraina aza ny amrina dia tsy hohelohina izy : »Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahy Tokan’Andriamanitra » : Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy heloina, fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy (Jao 3 :18 : 5 :24). Koa amin’izany, dia fifaliana ho an’ny mpino ny mihaona amin’ny Mpitsara efa namela ny helony : »Tomoera eo aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy (Ijao 2 :28)

6. Ny Famaizana ny ratsy fanahy : Hoy ny teny voasoratra eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa : »Avy ny andro izy handresenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, dia hivoaka izy, izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana, fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana « (Jao 5 :28-29). Ao amin’ny Soratra Masina dia be ny teny milaza famaizana ny ratsy fanahy : »Hariana any amin’ny helo dia any amin’ny afo tsy azo vonoina (Mat. 5 :43).Ny farihy izay mirehitra afo sy solifara (Ap.21 :8). Ny fitoerana izay itomaniana sy ikotrohan’ny nify (Mat.8 :12) Fandovana lehibe mirehitra afo (Mat. 13 :42).Ny satroky ny fijaliana miakatra mandrakizay mandrakizay mandrakizay, ka tsy manam-pitsaharana andro aman ‘ alina (Ap.14 :11). Ny Mahatsiravina indrindra anefa dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra Tompon’ny fifaliana sy ny fiadanana.Ny Rain’ny Fiangonana rehetra dia nitana sy nampianatra izany finoana izany. Maro koa ny teolojiana Katolika sy Protestanta manaraka izany.Ny tenin’ny Tompo voatahiry ao amin’ny Testamenta Vaovao dia toa manamarika izany, nefa tsy tokony hohadinoina fa teny an’ohatra milaza fijaliana mafy ireny, fa tsy azo raisina ara-bakiteny.Ny teny hoe « mandrakizay » (gr.AIONIOS) dia azo adika hoe : maharitra amin’ny fotoana iray, na amin’ny fotoana lava, na amin’ny fotoana mifandimby.Mety hitovy amin’ny hoe : tsy manam-pahataperana , nefa koa mety tsy ho voafetran’ny fotoana takaha an’Andriamanitra tsy voafetran’ny fotoana, satria avy amin’Andriamanitra miankina amin’Andriamanitra. Ny fiainana mandrakizay dia fiainana avy amin’Andriamanitra, omen’Andriamanitra ka tonga lafatra, sambatra.Ny fahaverezana mandrakaizay dia fisarahana amin’Andriamanitra izay tsy mitsahatra raha tsy Andriamanitra no mampiato azy, fijaliana izay Andriamanitra irery no mahalala izay haharetany. Ao amin’ny Baiboly grika (Septante), ny teny hoe aiônios dia milaza zavatra misy farany ihany ; ohatra : ny fisoronana, mandrakizay, ataon’ny zanak’i Arona (Nom 25 :13) ? ny vavahady mandrakizay an’i Ziona (Sal 24 :9), ny fombam-pivavahana mandrakizay amin’ny andro fanavotana (Lev 16 :34) Ao amin’ny boky enoka 10 :10) (voasoratra tamin’ny 150-50 talohan’i Kristy) dia voalaza ho aionnios ny fiainana izay maharitra 500 taona ihany.Tamin’ny fotoana nanoratana ny Testamenta Vaovao dia nampiasaina ny teny hoe : mandrakizay mba hilazana fanasitranana na fanitsiana , izany hoe : mijanona rehefa vita ny ilàna azy (H.Maldwyn Hughes :Christian Foundations (1933) P.230.1.)

Tsy manamaivana ny vy famaizana ny ratsy fanahy izany, saingy manamabra fa samy hafa ny hevitry ny hoe : « mandrakizay » arakaraka ny tian’ny mpanoratra ho lazaina indraindray faharetana (durée), indraindray toetra (qualification).

7. Ny fahasambaran’ny marina : Ny voavonjy dia voalaza fa miditra sy mitoetra any amin’ny LANITRA na PARADISA Ao amin’ny Ap.21 :10-17 dia toerana na tanàna kanto, mamirapiratra, madio, mahagaga ny lanitra.Ny famaritana tsara indrindra ny lanitra anefa dia izao, izay misy an’Andriamanitra dia anjakany sy andraisany ny olo-masina sy ny voafvonjy rehetra ny lanitra dia firaisana amin’i Kristy any amin’ny fonenana tsy hita maso andraisana ny fitahiam-panahy rehetra (Efe.1 :3)

(1) Firaisana amin’i Kristy. Andriamanitra irery no sambatra ka izay tafaray aminy no mahita fahasambarana.Ny fahasambarana dia ny fahitana ny zanak’Andriamanitra sy ny fiovana ho tahaka Azy : »Fantantsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Iy, dia izay tena endriny tokoa (IJao 3 :2). Ny firaisana amin’i Kristy dia manome fahalalana feno ny zava-panahy tsy hita maso rehetra, tsy fahafantarana sombintsombny intsony (Ikor.13 :12)

(2) Fahafana amin’ny fahorian’ny nofo. Tsy hisy intsony ny Havizanana, ny aretina, ny fahadisoam-panantenana, ny fiovaovana, ny fahadisoan-kevitra, ny alahelo, ny tahotra, ny ranomaso

(3) Fahafahana amin’ny fahotana. Foana ny fakam-panahy fa soloana fahadiovana sy fitomboana ara-panahy, tohizana any an-danitra ny fibanjinana ny Tompo mba hanatratra ny fahamasinany (II Kor 3 :18)

(4) Fahalalana mitombo.Mbola hitombo ny fahalalana an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy vokatry ny firaisana aminy (Jao 17 :3). Ho fantatra koa ny haren’i Kristy tsy hita lany (Ef3 :8 : 3 :19), na ny fahafenoan’Andriamanitra

(5) Fanompoana mitombo efa nampanantena izany ny Tompo : « Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanampaka ny be, midira amin’ny fifalian’ny Tomponao (Mat.25 :21). Ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no ho eo aminy ary ny mpanompony dia hanompo Azy (Apok.22 :3).

8. Ny Fanjakana mandrakizay : Tsy ny olombelona sy ny lanitra ary ny tany ihany no ho vaovao, fa ho vovao koa ny voninahitra sy ny fandresen’i Kristy, tsy hisy mpanohatra na fahefana hafa intsony. Ho tanteraka ny fanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany, dia ho ao aminy (Ef 1 :10), izay Mpanjaka tokany mandrakizay. Tanteraka ny fanadratana an’i Kristy sy ny fanomezana Ahy ny anarana ambony noho ny anarana rehetra ary ny fandohalohan’ny lohalika rehetra amin’ny anarany, ka haneken’ny lela rehetra fa Izy irery no Tompo (Fil.2 :10) Handresy Kristy, ho lazany avokoa ny fanjakana rehetra, nefa hanaiky ny fahefan’ny Rainy Izy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany (Ikor 15 :28), hany Mpanjakan’ny fanjakana rehetra hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

FANAMARIHANA

1. Ny Teolojia dia tsy maintsy miainga avy amin’ny Soratra Masina, nefa tsy hanana fiantraikany amin’ny fiainan’ny Fiangonana raha tsy halalinina ny fampianarana nataon’ny teolojiana nandritra ny taon-jato roapolo niorenan’ny Fiangonana. Harem-be ara-tsaina sya ra-panahy. Nahoana ?

2 Tokony hampandroso ny F.J.K.M. ny fikarohana teolojika ataony, nefa ny teolojia tsara indrinda fdia ny fiainana araka an’Andriamanitra, fa tsy ny fahalalana momba an’Andriamanitra.

3. « Le Calvinisme est une religion démocratique et républicisme » (Alexis de Tocqueville). Hita amin’ny fiainan’ny FJKM ve izany ?

4. Ny Litorjian’ny fiangonana dia fitaratry ny adim-panahy eo aminy. Inona no banga eo amin’ny Litorjia FJKM ?

5. « Tsara raha manana fanekempinoana ara-tSoratra Masina ianao, nefa moa ve fenoin’ny fitiavana Kristiana sy tarihiny ny fanekempinoanao ? »

6. « Ny saina, ny harena, na herin’ny fiadiana, ny fahaiza-mitondra tena, ny sivilizasiona, dia eo amin’ny firenena Protestante » (HL. Wayland, teolojiana amerikana) Eken’ny FJKM ve izany ?

7. Lazao ahy izay inoan’ny olona anankiray, fa holazaiko anao izay hataony ? Inona no hataon’ny FJKM raha fantany izay inoany ?

Atoa Ramambasoa Joseph,Mpitandrina

NY F.J.K.M. MANAMBARA NY FINOANY AMIN’NY MAHA FIANGONANA REFORME AZY.

FITARIHANA

Ny volana aogositra taona 1968 no nanambarana am-pahibemaso ny fisian’ny FJKM Nisolo sy manambatra an’ireo Fiangonana telo nisy teo alohan’izany izy amin’izany, dia ny Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara (FKM), ny Fiangonana Frenjy Malagasy (FFM) ary ny Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasikara (FPM) Misafidy ny hoe : Reforme ny FJKM ary nandrafitra Fanambaram-pinoana manokana ho azy izay misy fizarana fito samihafa.

Ity lahateny ity dia mikasika ny fizarana fahatelo sy fahaenina amin’io Fanambaram-pinoana io izay omena lohateny eto hoe : »Ny finoan’ny FJKM ny amin’ny Fanahy Masina sy ny amin’ny maha-Fiangonana ny Fiangonana.

1. HEVITRA TIANA HAVOITRA.

Tiana havoitra hatraty am-piandohana ireto foto-kevitra manaraka ireto raha ny mpaha-iozy azy ny FJKM noa tao votoatin’ny fiaraha-midinika.

1.1. Tsy azo hadinoina fa efa fampiraisam-piangonana hatrany am-boalohany ny FJKM

Ilaina hatrany ny toe-tsaina MIFAMANTATRA, MIFAMPITSIMBINA, MIFANDEFITRA ary MAMPANDROSO NY FIFANKATIAVANA mba ahazoan’Andriamanitra mitondra ny FJKM ho amin’ny tanjona tiany hitondrana azy.

1.1.1. Ny London Misionary Society (LMS), fikambanana nataon’Andriamanitra ho fitaovana nitoriana ny Filazantsara sy nanorenana ny Fiangonana teto Madagasikara dia fiaraha-miasan’ny kristiana avy amin’ny Fiangonana Kongregasionaliste, Anglikana, Presbyteriana ary Wesleyana, tany am-piandohana, kanefa mahay hifandamina ka nanao ho anankiray tamin’ny foto-kevitra bnijoroany ny famelana malalaka ny misionera nirahiny hampijoro izay endri-mpitondram-piangonana noheveriny ho nety tany amin’ny toerana nalehany avy. Ny teto Madagasikara dia ny fitondrana Kongregasionaly no najorony, ka naha-FKM ny FKM.

1.1.2. Ireo Misionera nirahin’ny Friends » Foregn Missionary Association (FFMA), izay nanana ny naha-izy azy tokoa na teo amin’ny foto-pinoany, na teo amin’ny fitondrana ny fikambanany, dia nanapa-kevitra hatraamin’ny voalohany fa mba tsy hampikorotan-tsaina ny Kristiana Malagasy dia tsy nivonona haneho foto-pinoana tena miavaka sy endri-pitondram-piangonana hafa dia hafa noho izay efa nataon’ireo misionera avy tamin’ny LMS niantso azy ho mpanampy teo amin’ny asa fampianarana ny vahoaka Malagasy indrindra. Izany no naha-FFM sy FFM

1.1.3. Ny Mission Protestanta Française (MPF) nandefa ny misionera niasa voalohany taty Madagasikara noho ny vanim-potoana sarotra nodiavin’ny tantaran’ny Firenena Malagasy sy ny Fiangonana teto Madagasikara, teo amin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo, dia avy tao amin’ny vondrom-piangonana niroso ho amin’ny firaisana taorian’ny fanenjehana farany nataon’ny Restauration de Bourbon (1815), ka afa-niara-liasa tsara tamin’ny misionera Anglisy voalaza etsy aloha teo anatrehan’ny nety ho fahavoazann’ny Fiangonana Protestanta bnoho ny nafitsoky ny Jezoita sy ny fitondrana mpanjanatany.

1.1.4. Ny fanambarana ny fijoroan’ny FJKM tamin’ny 1968, dia vokatry ny asan’ny Komitin’ny Firaisana nandritra ny 10 taona mahery izay tsy tokony hodian-tsy hita.Tsy maintsy hampandroso ny fiainan’ny FJKM ny fahafantarana ny asan’ny Komitin’ny Firaisana sy ny fandalinana azy ireny any amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina FJKM

1.2. Tsy maintsy saro-piaro amin’ny maha "Reforme" azy ny F.J.K.M.

1.2.1. Milaza izany fa ao anatin’ny vondrona lehibe antsoina hoe : Protestanta isika , mpandà ny foto-kevitry ny vondron katolika.Mariky ny fahalemena amin’nh olona sasany eto amintsika FJKM, indrindra fa ny mptiandrina, ny fandraisana amam-bolony fotsiny ny foto-kevitra na fomba tena amin’ny Fiangonana Katolika na Anglikana iraisantsika ao amin’ny FFKM.

1.2.2. Amin’ny lafiny malalaka dia marina fa iantsoan’ny Fiangonana Protestanta amin’ny ankapobeny izay nandray ny hevitry ny Reformasiona ny anarana hoe : « Reforme ».Ny tena izy anefa dia ny Fiangonana nandray ny hevitra kalvinista no « Reforme, izany hoe : hafa noho ny loterana.

1.2.3. Tena manana fifandraisana tokoa amin’ny vondrom-piangonana Katolika sy Anglikana ary Loterana isika FJKM amin’ny FFKM sy ny FFPM kanefa dia amin’izany maha-« Reforme » antsika izany no anatanterahantsika izany fifandraisana izany Andraikitra amintsika FJKM izany ny mandalina sy ny manao izay hampahavanana antsika tyokoa amin’n- maha « Reforme » antsika.

2. NY FINOAN’NY FJKM NY AMIN’NY FANAHY MASINA

Araka izaynanehoana izany tamin’ny alàlan’ny Fanamabaram-pinoana navaka avy tao amin’ny Komitin’ny Firaisana no nandaharana ny hambara momba ity finoan’ny FJKM ny amin’ny Fanahy Masina ity.

2.1. Mifanaraka amin’ny foto-pinoana TRINITARIANA.

Araka izany dia tsy miombona amin’ny foto-pinoana Unutariana, mandà ny foto-kevitra momba ny Trinito-Andriamanitra Telo Izay Iray –ny FJKM ary tsy momba koa ny Trithéisme- Andriamanitra telo samy hafa.Tsy maintsy mitandrina mba tsy ho latsaka amin’ireo foto-pinoana roa ireo ny FJKM ary izany no anamafisana izany foto-kevitra trinitariana izany eo amin’ny namaranana mazava tsara ny andininy fahatelo amin’ny fanambaram-pinoan’ny FJKM hoe :« Ny Fiangonana (FJKM) dia mivavaka amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Andriamanitra telo izay Iray. »

2.2. Miara-dalana amin’ny mpomba ny « Filioque »

Ny FJKM dia manaiky sy manambara ny "finoany ny Fanahy masina dia ny Fanahin’ny Ray sy ny Zanaka".Mitovy amin’izany no hitantsika eo amin’ny Fanekem-Pinoana Nicée-Constatinople manao hàe : « Isika mino ny Fanahy Masina….Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ».Tsotra tamin’ny Fiangonana hatrany am-boalohany ny fanekena ny fanahy Masina ho avy tamin’ny Ray. Ady hevitra efa hatramin’ny taonjato fahaefatra ka mandraka izao taonjato faharoapolo izao kosa ny fanekena ny Fanahy Masina ho any amin’ny Zanaka. Ny tsy maintsy nampidirana ny teny hoe : "sy ny zanaka"’ no atao hoe : "Filioque" ary ny fanononana ny fanekem-pinoana hoe : “avy amin’ny Ray sy ny Zanaka” no fonosin’ny hoe : "Double Procession".

2.3. Manambara loharanon-kery lehibe

Ny fahatakarana ny foto-kevitra ambara amin’ny teny hoe : ruach sy neuma hita ilazan’ny Baiboly ny amin’ny Fanahy Masina no anehoan’ny Teolojika Kristiana azy ho hery anatanterahan’Andriamanitra ny asa eo amin’ny zava-boahariny sy eo amin’ny fon’ny olona tsirairay avy koa ; Teo amin’ny Famoronana (Gen 1 :2), teo amin’ny fanaovana zava-kanto (Eks 36 :1-2), teo amin’ny andraikitry ny maha-mpitondra (Deo.34 :9) teo amin’ny herim-batana mahagaga (Mpit 14 :6) ; teo amin’ny andraikitry ny mpaminany (Isa 61 :1-2), teo amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (Lio 1 :35), teo amin’ny nanaovam-batisa Azy (Mar.1/10, teo amin’ny nakan’i Satana fanahy Ahy (Amos. 1 :12). Omena anarana maro samihafa io Fanahy Masina io « Fanahy », « Fanahin’Andriamanitra », Fanahin’i Kristy, « Fanahin’ny Zanak’Andriamanitra, » Fanahy Masina », ny « Parakleto » adika ho Mpanampy, na Mpampahery na Solovava. Ny FJKM dia maneho ny Fanahy Masina ho :

Hery mahatonga finoana : Ambaran’ny Soratra Masia fa ny finoana no « fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita » (Heb 11 :1). Antitranterina fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanani-lahy tokana », mba tsy ho very izay rehetra MINO Azy, fa hanana fiainana mandrakizay »(Jao 3 :16). Ny hahatanteraka izany no tsy maintsy nanomezan’i Jesoa toky ny mpianany : »ny Mpananatra, dia ny Fanahy masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolaviko taminareo ». Kristy no fototry ny finoana Kristiana, ny Fanahy Masina, araka izay nanambaran’i Kristy azy, no hery ananan’ny Kristiana izany finoana izany. Natao hatramin’ny voalohany nahaterahan’ny Fiangonana izany (Asa 1 :5,8) sady ifanoloran’ny Fiangonana (Asa 8 :14-17) ; 10 :44-45 ; 19 :6). Raha manao fametrahan-tanana ny FJKM eo amin’ny fanompoam-pivavahana anaovany izany dia io Fanahy Masina Hery mahatonga finoana io indrindra no asehony amin’izany fihetsika izany.

Herim-pinoana ho amin’ny fahateraham-baovao : Asan’ny Fanahy Masina tokoa izany finoana izany, Izy rahateo no tompon’ilay finoana omeny ny olona mba hahatonga ny olona hanana ny « fahateram-baovao » (II Kor 4 :13-15).Tsy mampianatra na manoro fotsiny Izy tenany mihitsy no miasa (Jao.3/8).Tsy manao fahariana vaoao indray Izy tsy akory fa ny olona efa eo ihany no iasany mba hanaovany azy ho "« lona araka » ny Fanahy (I Kor2 :12-16). Fa izay antsoina hoe : « fifohazana » dia mifaningotra mandrakariva amin’izay lazaina hoe : fahateram-baovao, na fiainam-baovao’ (Efs.5 :14).Ny Fanahy Masina no mandresy lahatra ny olona, ny olona resiny lahatra mijery ny Zanaka ka mino azy » (Jao6 :40) mandre nyfeony (Jao 5 :25) mampiaiky an’izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana »(Jao 16 :8) Izy ka mahatonga ny olona hahazo « fanamarinana » avy amin’Andriamanitra (Rom 5 :21-26) manjary mihavana amin’Andriamanitra (Rom 5 :1). Izany no maha-olom-baovao, na olona teraka indray, niasan’ny Fanahy Masina, nahazo toky eo amin’i Kristy satria akambany aminy, izay Aminy ao aminy (Ikor 6 :17 ; I Jao 5 :20 ; II Kior 5 :17)).Efa tsara ny ananan’ny FJKM sampana Fifohazana ; ny tena kendrena anefa dia ny hananan’ny FJKM olona ateraky ny fanahy (Jao 3 :6) hanampin’ny Tompo isan’andro (Asa 2 :17).

Hery andraisana ny famonjena : Eto no anambaran’ny F.J.K.M. FA NY Fivavahana Kristiana dia tsy Fivavahana itadiavam-pamonjena kosa. Na te-ho voavonjy aza ny olona, tsy hainy ny mamonjy tena, eny fa na dia Jesoa aza (Mar.15 :31) Andriamanitra irery no tompon’ny famonjena (Sal 3 :8 ;121 :1-2).Efa nanao izany famonjena izany izy (Mat 1 :20-21) ;Kristy Jesoa no nanatanterahany izany famonjena izany ho an’ny olona rehetra (Jao 3 :16). Ny teny rehetra eo amin’ny fizarana faha-2 amin’ny Fanambaram-pinoana FJKM dia ilazana izany fahavitan’i Kristy ny famonjena izany, ny fahatongavany ho olona, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty. Rehefa izany dia niakatra any an-danitra Izy, asandratr’Andriamanitra ho Tompo. Tsy nialangalana tamin’izany asam-pamonjena nataon’i Kristy izany akory ny Fanahy Masina teo Izy tamin’ny fahatongavan’ny Tompo ho nofo (Lio 1 :35) ; tamin’ny fanokanana Azy tamin’ny Batisa ( Lat.3 :16), tamin’ny fanatrehany fakam-panahy ( Mat. 4 :1) ; tamin’ny fahatanterahany ny asan’ny maha- Mesia Azy (Lio 4 :14-21) ; tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty (Rom 8 :11).Rehefa nasandratra any amin’ny voninahiny Jesoa dia miray feo Izy sy ny Fanahy Masina miteny amin’ny Fiangonana mampandray ny famonjena efa vitan’i Kristy (Apo0.2,3).Ny fandraisan’ny mpianatra ny Fanahy Masina nampanantenaina azy (>Asa : 1 :8) no hery ijoroan’ny Fiangonana amin’ny maha-vavolombelon’ny efa nahavitan’i Kristy ny famonjena, ka anentanany ny tenany sy ny hafa handray izany famonjena izany (Asa 2 :37-39), taorian’ny andro Pentekosta (Asa 2 :1-4). Fampiharihariana izany ny Tafika Masina ataon’ny FJKM

Hery manazava amintsika ny Tenin’Andriamanitra : Misy teny telo tiantsika Reforme tokoa : "Sola fides" araka ny fampianarana noraisintika avy amin’ireo mpanitsy fivavahana ilazana fa amarinina amin’ny finoana isika ka mandray ny famonjena voalaza etsy aloha : "Sola Gratia" araka ny foto-kevitry ny Paoly fa tena « fahasoavan’Andriamanitra » no hamonjena antsika, "Sola Scriptura", ilazantsika fa ny Tenin’Andriamanitra no Fahefana ambony indrindra momba ny finoantsika sy ny fiainantsika.

Ny fandikana ny Baiboly efa nataontsika hatramin’ny ela, ny fanohanana ny asan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly, ny fianarana Soratra Masina atomboka amin’ny asan’ny Sekoly Alahady , ny fananana Sekolin’ny Mpitoriteny dia samy anehoantsika ny toerana omentsika ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ampy dia tsy ampy ny natao hatramin’izao ary mihena aza ny asantsika raha jerena ny fihenan’ny boky voasoratra momba ny Baiboly omena ho eo am-pelatanan’ny vahoaka. Miditra eto ny Trano Printy sy ny miara-dalana aminy.

Mahatsapa koa anefa fa sarotra dia sarotra tokoa ny « fandinihana » ny Soratra Masina (Jao 5 :39), ka maro no mety hiteny toy ny mpianatry ny Tompo fahiny hoe : « Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany ? » (Jao 6 :60). Izany no anamafisantsika FJKM fa ny tena Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra dia Andriamanitra Tompon’ny Teny ihany, amin’ny alàlan’ny Fanahiny Masina. (Jao 14 :26).Fa raha lasa any amin’ny voninahiny Ilay Teny tonga nofo, dia Kristy efa nanome toky ny mpianany Izy fa « momba azy mandrakariva ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat. 28 :20) ;ny fanatanterahany izany fanatrehany izany dia amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina (Jao 14 :16).Voasana lalina kokoa ity foto-kevitra ity eo amin’ny Fizarana faha.4 amin’ny Fanambaram-pinoan’ny FJKM.

Hery nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny famokarana asa soa : Teny fikasana natao hatramin’ny andron’i Abrahama ny hoe : « Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany » (Gen 12 :3).Andriamanitra no manatanteraka ny teny fikasany, ny olony kosa no ataony fiasana ho amin’izany. Amintsika REFORME dia Jesoa Kristy hatrany no filamatra Eto koa dia izay voalaza ny Aminy no izorantsika. Ny Asa.10 :36-48 no amintinana ny amin’i Kristy sy ny fifandraisanby amin’ny Fiangonana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Voalaza ao ny maha-mpanao soa an’i Kristy Izay nandidy ny mpianany hanao izany (Lio 10 :37), na dia amin’izay fahavalo aza (Lio 6 :27-37).Ny olona nandray famonjena tamin’ny alàlan’ny herin’ny Fanahy Masina sady omeny fahalalan,a marina ny Soratra Masina dia tsy avelany ho velona ho an’ny tenany fotsiny. Ny fiombonan’ny olona eo anatin’ny Fiangonana indrindra no mampandrobona ny vokatry ny asa soa eo amin’ny mpiara-belona amin’ny Kristiana (Gen 5 :22). Samy amafisin’ny FJKM amin’ny fanambaram-pinoana ireto manaraka ireto satria inoany ho tena asan’ny Fanahy Masina.

(i) Ny manao soa na asa fiantrana ho an’ny efa ao anatin’ny Fiangonana (Asa 6 :1,9 :36, Rom.16 :25 ; I Kor 16 :1)

(ii) Ny miezaka hampandroso ny fiaraha-monina misy azy na toy inona na toy inona hahasarotan’izany (II Tes.3 :13 Manana Sampan’Asa Fampandrosoana ny FJKM izay mbola tsy maintsy velariny kokoa.

(iii) Tsy ny manaop soa ihany fa ny manao tsara koa na ny mijoro ho vavolombelon’ny tsara, dia foto-pinoan’ny FJKM Anahafany an’i Kristy izany (3 Jaona.11) ary ataony ho voninahitr’Andriamanitra,(Asa 10 :44-48). Tena diso ny hoe : »ny raharaham-pivavahana ihany no anjaran’ny Fiangonana « idrikinan’ny sasany, fa tsy maintsy mandray anjara ao anatin’ny fiainam-bahoaka mivantana mihitsy ny Fiangonana.Manana ny Vaomieran’ny Fiainam-pireneny ny FJKM tsara ny amin’izany.

Hery isantarana ny lova rahatrizay : Asan’ny Ray indrindra sy fahariana , asan’ny zanaka indrindra ny Famonjena, tena asan’ny Fanahy Masina indrindra ny manome ny fahafahan’ny olona hisitraka feno amin’izany asam-pitiavana rehetra nataon’Andriamanitra izany. Asehon’ny FJKM tokoa amin’ity fizarana ity ireto foto-kevi-dehibe ireto :

i) Ny Doctrine de la Prédestination - ny fifidianan’Andriamanitra mialoha – anankiray amin’ireo foto-kevi-dehibe navoitran’i J. Calvin (Efes.1 :14). Ho an’ny olona ny lova, ny olona handova dia izay efa nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany », efa nofidiny « fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao » (Efe.1 :4) »mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka » (Efe.1 :5), ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany » (efe 1 :6).Asan’Andriamanitra ao amin’i Kristy izany rehetra izany.

ii) Ny maha-mpandova antsika. Ny olona tsirairay mikambana ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no « isika ». Foto-kevitra tena ara-tSoratra Masina tokoa ny amin’ny mpandova (Rom 4 :13,8 :17, Gal.4 :7 ; Tit 3 :3-7).

iii) Ny fihavanana Kristiana ao amin’ny Fiangonana iasan’ny Fanahy Masna no isantarana ny fiainana mandrakizay, amin’ny alàlan’ny fiderana ny voninahitr’Andriamanitra isan’andro isan’andro (Rom 5/11,Lio 15 :32 ; Mat 5 :12).Ny fanehoana iombonana eo almin’ny fiainan’ny kristiana ao anatin’ny Fiangonana FJKM dia raisina ho fisantarana izany lova rahatrizay izany ka tsy maintsy hampandrosoana

2..4 FANAMARIHANA

Amin’ny maha-foto-pinoana ity Fanambaram-pinoana FJKM andininy faha-3 ity dia tiana ny manao ireto fanamarihana ireto ho famaranana nyr ‘ezaka momba azy.

2.4.1. Tsy maintsy mailo ny FJKM amin’ny fandraisana amam-bolony ny foto-kevitra momba ny Fanahy Masina ka manao Azy ho fitaovana ho entina mandrendrika ny vahoaka (Asa 8 :9-13 ;18-24 ;16-24). Tsy maintsy zahana toetra ny fanahy (Ijao 4 :1-3). Tsy maintsy hohalalinina indray ny momba ny Fifohazana sy ireo asam-panasitranana mipoipoitra etsy sy eroa amin’ny sahan’ny FJKM

2.4.2. Tsy maintsy mitandrina ny FJKM amin’ny fanomezana toerana be loatra ny amin’ny Fanahy Masina izay mandrava ny filaminan’y foto-pinoana momba ny Trinite. Mandraviravy ny maro amin’ny vahoaka FJKM ny foto-pisainana Pentekotista izay miha-mahazo vahana eto Madagasikara. Samy tsy maintsy omena ny toerany sy lanjalanjaina tsara , na eo amin’ny toriteny, na eo amin’ny fampianaran’ny Fiangonana, na eo amin’ny asa ataontsika FJKM ny amin’Andriamanitra Ray sy ny zanaka sy Fanahy Masina, Andriamanitra Telo Izay Iray.

2.4.3. Etsy andaniny indray abnefa dia tsapa ny tsy fahampian’ny anjara-toeran’ny Fanahy Masina eo amin’ny fanompoam-pivavahntsika FJKM.

Na manao ahoana anefa na manao ahoana, ny FJKM dia andray tokoa ny tenin’ny Soratra Masina ary miezaka mampitandrina ny olona rehetra na iza na iza ny amin’izay efa nambaran’i Jesoa Kristy ny amin’ny Fanahy Masina ka tsy hiteny ratsy hanao teny manohitra ny fanahy Masina (Mat.1 :31-32).

3. NY FINOAN’NY F.J.K.M. NY AMIN’NY FIANGONANA

Ny fototry ny teny malagasy niandohan’ny « Fiangonana » dia « angona » izay mitovy amin’ny hoe : « vory, aika, kambana, handrona, androka, vosa ; mifanohitra amin’ny ely, paritaka, saratsaraka, tsipotetika, zarazara. Ny matoateny « miangona » dia mitovy amin’ny : mivory ao amin’ny toerana iray, mikambana, miara-mitoetra, miara-mihaona ».Ny « Fiangonana » izany dia « Fikambanana manana firaisana ka mihaona bna mivory amin’ny teorana iray. Tsy mba olona iray ny Fiangonana fa tsy maintsy vitsivitsy na maromaro na marobe. Izany teny izany no noraisintsika Malagasy handikana ny teny Hebreo « gaahal » sy ny teny grika « ekklesia ». Samy milaza fiangonana sy fivoriana ireo teny roa ireo ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia vahoaka Isiraelita, indrindra fa izy ireo ao anatin’ny Fanjakana ka anavahana ny « zazasary » sy ny « hafa firenena » teo aminy. (Deo 23 :3, Neh 13 :1). Ao amin’ny Filazantsara dia hita ho nampiasa izany teny izany indroa Jesoa (Mat.16 :18 ;18 :17). Ao amin’ny Epistilin’i Paoly dia nanondroana ny kristiana nonina teo amin’ny toerana iray voafaritra tsara izy, (Gl 1 :2 ; Ites 1 :1) sady nentiny nilaza ny Kristiana rehetra (I Kor 12 :28).Tsy mba nanondroana trano na oviana na oviana ny hoe ; ekklesia eo amin’ny Testamenta vaovao, Tempoly na Synagoga no nanondroan’ny Testamenta Taloha ny trano fivavahana ary ny fotoam-pivavahana kristiana hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly mbamin’ny Epistily dia natao teo an-tranon’olona (Roù 16 :5, I Kor 16 :19). Naorin’ny Kristy ny Fiangonana (Mat.16/18) ; tsy misy ahazoana milaza izay tena endrik’izany Fiangonana naoriny izany eo amin’ny Filazantsara, hita ao kosa anefa ny sasany amin’ny andraikitra napetrany taminy : Samy inoan’ny FJKM ny Fiangonana hita maso sy ny Fiangonana tsy hita maso.

3.1. Ny Fiangonana dia toerana andraisan’ny taranaka rehetra ny asam-pamonjena vitan’i Kristy.

Ny Fiangonana hita maso dia ilay Fikambanana Kristiana vita fandaminana eo amin’ny toerana anankiray no ambarany amin’izany. Inoan’ny FJKM fa miasa ao anatin’izany ny Fiangonana izany ny Fanahy Masina araka izay hevi-baventy voalaza etsy amin’ny resaka momba ny Fanahy Masina. Tsy milaza akory izany fa ny fidiran’ny olona ao anatin’ny Fiangonana hita maso dia manery ny Fanahy Masina hiasa ho an’ny isam-batan’olona tsirairay avy.Milaza kosa izany fa tena miasa ara-dalàna tokoa ao anatin’ilay Fikambanana misy olona nirotsaka ho mpikambana ao aminy ny Fanahy Masina amin’ny alàlan’ny asa sy ny fiainana ao anatin’izany Fikambanana izany : ny Tenin’Andriamanitra vaiana na torina, ny fahatanterahana ny sakramenta, ny fisian’ny fitsipika fitondrana, ny fahatsiarovantena avy amin’ny foto-kevitra kristiana ambara ao. Mandray asam-pamonjena vitan’i Kristy tokoa ny olona ao anatin’ny Fiangonana nefa izany tsy mahasakana velively izay mety ho asa ataon’Andriamanitra any ivelan’ny Fiangonana (Jao 10 :16)., Rom 11 :1-6).

3.2. Amin’ny alàlan’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara

Izany no zokin’andraikitra sy voalohan’ny asan’ny Fiangonana araka izay nanorenan’ Kristy azy (Mat.10 :7 ; Mar 16 :15) : mampiseho ny maha-mpanohy ny asan’i Kristy azy rahateo izany (Mar 1 :14-15 ; Asa 2 :14-40 ; I Kor 1 :17). Ireto indrindra no anatanterahantsika FJKM izany.

Ny toriteny ataon’ny Fiangonana

Tsy Lotera ihany fa Calvin koa sy ny Presbyteriana dia samy manamafy fa ny Soratra Masina, dia ny Tenin’Andriamanitra, no hany fitsipika mifehy ny Finoana. Mba handraisan’ny taranaka amin’izany Tenin’Andriamanitra izany no anton’ny toriteny. Ny Polipitra ao anatin’ny Fiangonana Reforme, izay apetraka eo amin’ny toerana tazan’ny mpiangona rehetra tsara, no anatanterahana an’izany toriteny izany. Atao koa izany amin’ny alàlan’ny fihaonan’ny mpitondra Fiangonana amin’ny olona amin’ny aton-javatra maro samihafa (Cures d’Ames) amin’ny fitaizana atao, toy ny amin’ny Sampana. Izany indrindra no tsy maintsy hikelezan’ny FJKM aina amin’ny fanofanany mpitoriteny, fanamaraoany ny fampianaranasy ny Soratra Masina, ny anaovana ho zava-dehibe ny perikopa isan’Alahady sy isan-taona ka ananany ny sampan’asa Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana (FFP) Tena zava-èdehibe amin’ny FJKM ny ananany sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara (AFF) izay iasan’ny olona voavoman’ny Fiangonana hitory teny sy hanao Tafika Masina avy ao amin’ny Fiangonana mankany ivelan’ny Fiangonana ka mikendry vokatra avy amin’izany, diany hisian’ny olona resi-lahatry ny tenin’Andriamanitra noho ny herin’ny Fanahy Masina.ka miorina ho Fiangonana koa.

Ny toe-piainana mifanaraka amin’ny toriteny ataony

Tsy ny mitory fotsiny na mampianatra ihany no ataon’ny Fiangonana fa ny mampiseho amin’ny fiainan’ny Kristiana eo aminy ny fahaveloman’ny toriteny ataony Kristy efa nanafatra ny amin’izany, toy ny hoe :« Hianareo no fanasina »(Mat.5 :13) « fahazavana  » (Mat 5 :14)na ny fanoherana ny amin’ny hazo mamoa (Mat.7 :15-29, sns…)

Tamin’ny andron’i Calvin dia nisy ny consistoire » notarihiny izay nanendrena mpitandrina sy tsy Mpitandrina antsangana ho fitsarana mihitsy momba ny fitondran-tenan’ny olona tany Geneva, hanana fahefana nanongana olona tsy ho isan’ny Fiangonana intsony ary afa-nitsofoka tamin’ny fitondran’ny olona ny fiainany tsirairay avy ka nanome sazy an’izay diso, na teo amin’ny amin’izay nanaram-po tamin’ny fandihizana sy ny filokana.Nisy ny nanohitra izany nefa ireny dia noresen-dry Calvin sy ny namany tamin’ny alàlan’ny fampiasan-kery mihitsy aza ka nahatonga an’i Geneva ho tanana nanana fitsipi-pitondran-tena faran’’zay hentitra indrindra. Efa hatramin’’ny ela ny FJKM no tokony ho nanana ny Fotodalanany sy ny Fitsipika itondrany ny fiainan’’y Fiangonana. Anehoany ny fahamarinan’ny toriteny ataony ireny Ny fanaovana an-drainazy izany dia miteraka fahalemena mihitsy eo amin’ny Fiangonana ary ny tsy fahasahiana mampianatra izay efa nifanaraka hatramin’izao dia fahavoazana lehibe ho an’ny FJKM sady itenenan-dratsy na dia ny anaran’i Kristy izay entiny asa.

Amin’ny alàlan’ny fanolorany ny Sakramenta

Zava-dehibe amin’ny Fiangonana Kristiana rehetra, na inona na inona karazany ny sakramenta. Ny Frenjy sy ny Tafiky ny Famonjena ihany no fantatra fa manana hevitra hafa noho ny an’ny rehetra momba izany. Aoka anefa hazava fa misy fahadisoam-pandraisana ny hevitry ny Frenjy ihany. Lazaina ho mpandà ny sakramenta mantsy izy ireo. Izao no fanazavana omeny : "Tsy hoe : tsy mino ny sakramenta tsy akory ny Frenjy fa izao kosa, izy indrindra no maneho ao amin’ny fiainany isan’andro omen’ny Tompo izay ny fahafantarany tsara ny maha-Izy azy ny Sakramenta saingy tsy mila mihitsy an’ireo zavatra hita maso amin’ny aiainany ny maha-sakramenta ny sakramenta .Tsy mila ny rano izy amin’ny batisa fa tena tsapany tsara kosa ny maha-olona ateraka indray azy rehefa hiasan’ny herin’ny Fanahy Masina Izay antsoiny hoe : fahazavana Anaty. Tsy mila ny mofo sy ny divay izy nefa mahatsapa tsara izay atao hoe : firaisana amin’i Kristy ary ny fiainany dia anehoany izany fahaterahana indray ao amin’Kristy izany" (Grubb).

Avy amin’ny teny latina "Sacramentum" ny hoe sakramenta.tsy teny ampiasain ao amin’ny Baiboly izy. Voahasina na voatokana no heviny teny am-boalohany, taty aoriana dia nilazana ny fianianana nataon’ny miaramila tamin’ny fanompoana sy fiarovana ny Amperora izy. Taty aoriana indray dia nandikana ny teny grika hoe : mlusterion (mystère) izy. Tamin’ny taonjato faha-12 Hugo de St-Victor dia milaza ao amin’ny soratra nataony "De Sacramentis Christianes Fidei" fa nisy hatramin’ny 30 ny sakramenta. Ny kaonsily tany Trente (1545-1563) fivoriana faha-VII tamin’ny 1547 no nanapaka ny isany ho 7 : ny batisa, ny Konfirmasiona, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana Farany, ny Filaharana ary ny Fanambadiana. Nisy mihitysy fanozonana (anatema) tao amin’izany Kaonsily izany ho an’izay milaza fa ny sakramenta rehetra dia tsy naorin’i Jesoa Kristy, na izay milaza fa vitsy na mihoatra ny fito ny isany.

Ireo fito ireo no tanan’ny katolika Romana mandraka ankehitriny : ny Anglikana dia manindry indrindra ny Batisa sy ny Eokaristia nefa dia mitana ihany koa ireo dimy hafa lazainy ho madinika kokoa. Ny Protestanta amin’ny ankapobeny dia tsy miteny afa-tsy ny Batisa sy ny Eokaristia ihany. Na izany aza anefa dia mbola maro ihany ireo zavatra hafa tsy tena raisina ho Sakramenta fa mifanakaikikaiky aminy fotsiny satria tsy ahitana teny milaza ny nanorenana azy mihitsy eo amin’ny Soratra Masina kanefa maro no mampiasa azy. Antsoina hoe : "Sakramenta" izy ireny. Amin’ny teny teknika ilazana azy dia ireto izy : "orans" (vavaka), "tinctus" (fanosorana), "edena" (fhinanana), "confessus" (kaonfesy), "dons" (fanomezana) "bénédicens" (fitsofandrano). Ao anatin’ireo sakramentaly ireo no ahitana an’ireto : ny famantarana ny hazofijaliana, ny vavaka amin’ny sakafo, ny vavaka fiampangan-tena, ny akanjo,masina, ny jiro, ny sampan-kazo, ny lavenona, ny lalan’ny hazofijaliana, ny litania, ny engelus, ny sapile, ny fitsofandrano, ny fan&ambadiana, ny fisaronan’ny vehivavy loha ao am-piangonana (misarona voaly) sns. Misy amin’ireo izay ataontsika FJKM (vavaka amin’ny sakafo, akanjo, masina, fitsofandrano fanambadiana).

Augustin avy any Hippo (354-430) no azo tondroina ho namintina tsara ny famaritana atao hoe : sakramenta dia izao : « famantarana hita maso ny fahasoavana tsy hita maso ».Amin’ny Fiangonana manao ho zava-dehibe ny fitoriana ny teny dia « fanamabrana ny Teny » koa ny sakramenta.

Ny amin’ny Batisa.

Tamin’ny niorenan’ny Fiangonana teto Antananarivo dia « badisa » no fitenin’ny olona ary « mpanao badisa’ no niantsoan’ny kristiana.Lazaina fa fanononana diso no nahatonga izany ; misy koa anefa ny voambolana hoe : badisa izay ilazan’ny Antanosy ny fintana fakana amalona. Fa ny battisa ampiasain’ny Protestanta eto Madagasikara dia ambaran’ny « Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy » ho teny nogasiana avy tamin’ny teny anglisy hoe : baptism. Mahagaga ny mahavery ny feon’ny « p » izay voatonona tsara amin’ny fiteny anglisy.

Hatramin’ny fiandohan’ny Tantaran’ny Fiangonana Kristiana no nanao ny batisa ho famantarana ny fidiran’ny olona ao amin’ny Fiangonana mba handray ny asam-pamonjena vitan’’ Kristy ny Fiangonana, dia ny fandiovana ny otany sy ny famelana ny helony ary ny fahaterahany noho ny asam-panamasinana ataon’ny Fanahy Masina. Tamin’ireo mpanitsy fivavahana dia i Zwingli irery no nitsipaka ny ilana ny Batisa ary izany dia noho ny fiheverany azy ho famantarana ny fandraisana ny olona ho ao anatin’ny Fiangonana Kristiana, na ho mpikambana fotsiny. J. Calvin dia hampianatra fa amin’ny Batisa dia mahazo ny amin’ny famelana ny helony sy ny amin’ny fandraisana nyf ahasoavan’i Kristy ny olona, saingy nofaritany tsara ho an’izay voafidy ihany izany satria araka ny heviny, da ireo izay voafidy ihany no nomena ny finoana hampahavanona ny asan’ny Batisa.

Ny FJKM àry dia

i) Manaiky ny foto-kevitra ankapobeny izay tanan’ny Fiangonana momba ny Batisa (fanadiovana amin’ny fahotana, famelan-keloka na dia tsy mbola ifanarahana aza ny mikasika ny atao hoe fahotana tamin’ny fototra, fidirana ho mpikambana). Izany resaka momba ny maha-mpikambana izany no ilana ny bokim-piangonana ahitana koa ny « vita batisa ».

ii) Nanao batisa ny olon-dehibe sy ny zaza. Tokony hazava tsara kokoa noho ny misy ankehitriny ny amin’ny fanatanterahantsika ireo batisa ireo satria ny iray dia fanaovam-batisa olona efa tena tompon’ny tenany sy ny manana sitrapony ny iray kosa atao ho an’ny zaza izay anatanterahan’ny ray aman-dreny ny heviny fotsiny. Ezaka mbola ilaina amin’ny fanamboarana ny litorjian’ny batisa izany

iii) Manaiky ny « Fanoloran-jaza ». Ny Komitin’ny Firaisana dia efa hamoaka fanapahan-kevitra fa : »Ny fianakaviana avy amin’ny FFM teo aloha , izay mino ny tsy ilana ny rano amin’ny fanaovana batisa dia mahazo mangataka amin’ny mpitandrina ao amin’ny Fiangonana misy azy ny hanaovana ny « Fanoloran-jaza » ho an’ny zanany ho solon’ny batisa amin’ny rano ». Nanapaka koa izyanefa fa « ny Mpitandrina avy amin’ny FFM teo aloha dia tsy maintsy manao batisa amin’ny rano eo amin’ny Fiangonana entiny, na dia tsy mifanaraka amin’ny finoana Frenjy tanany aza izany. Maro amin’ny Fiangonana Protestata izay samy manaiky ny fanaovana batisa ny zaza no mandray izany batisa izany na Fanoloran-jaza ho an’Andriamanitra (Lev 12 :4-8 ;Lio 2 :22-24) ary izany dia mba ho fanehoana fa ny fanomezana ny famonjena vitan’i Kristy, izay mialoha ny fanoloran-tena ataon’ny olona sy fanapahan-kevitra na ho anisan’ny Fiangonana na tsia, dia ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ary ao anatin’izany ny zaza.

iv) Manao ny batisa ho tena raharahan’ny Fiangonana ka :

-  Amin’ny fanompoam-pivavahana ataon’ny Fiangonana no anatanterahana ny abtisa.Tsy manao batisa abn-kamehana ny FJKM

-  Tsy atao tampoka fa misy fanomabnana tsy maintsy atao

-  Azo atao amin’ny fotoana rehetra fa tsy hifidianana « andro tsara » na amin’ny fotoan-dehibe sasany ihany

-  Ny Mpitandrina ihany no mahazo manao batisa

-  Samy mety ny fananana fitaovana mifanentana amin’izany na fanaka fasian-drano tsotra na ‘baoptistery », nefa tsy ho toy ny an’ny Batista.

v) Manao batisa "ho amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina"

Arotsaka intelo amin’ny lohany atao batisa ny ranomiaraka amin’ny fanononana ny teny hoe…..ny "Ray" sy ny "Zanaka" sy ny "Fanahy Masina". Izany no atao hoe : "affusion", fa tsy "aspersion" ary tsy "immersion".Misy fomba samihafa tokoa mantsy anaovan’ny Fiangonan Kristiana batisa : ny Fiangonana Batista dia manatsoboka ny olona manontolo ao anatin’ny rano. Eto amin’ny resaka ifanaovantsika amin’ny FFKM dia io affusion io no angatahin’ny EKAR amintsik FJKM ho voatandrina tsara satria ataony antoky nyfanekena ho ara-dalàna ny bnatisa ataontsika. Mifanampy amin’ny Mpitandrina manao batisa hatrany ny Diakona amintsika FJKM

vi) Mandà sy mampitandrina ny amin’ireto manaraka ireto :

-  Ny manao batisa fanindroany ny olona efa vita batisa ara-dalàna trany amin’ny Fiangonana hafa. Ny tsy hisian’ny olona ny amin’izany koa no anesorantsika FJKM Taratasy Fanamarihana ny nanaovana batisa ho an’izay rehetra nataontsika batisa.

-  Ny mampanangan-tanana ny ray aman-dreny na ny mpiantokla eo amin’ny fotoana amaliany ireo fanontaniana miendrika fanekena atao aminy.

-  Ny mampiasa ny rano sisa tamin’ny nanaovana batisa ho toy ny zava-masina manan-kery ho fanasitranana, na mihevitra izany ho « rano voahasina »

-  Ny fakan-tahaka be fahatany ny ataon’ny Fiangonana hafa, fandretana labozia mandritra ny fotoanan’ny batisa, famahanana sira ny atao batisa, fanosorana diloilo amin’ny handriny sy ny tratrany, fametrahana ny zioga (étole) eo ambony lohany, sns.

Ny amin’ny Fanasan’ny Tompo.

Io no anarana iantsoantsika ny Sakramentan’ny Eokaristia. Avy amin’ny teny Grika midika hoe : « fisaorana » ary nalaina tamin’ny teny milaza ilay niarahan’ny Tompo nisakafo farany tamin’ny mpianany sy nihinanany ny Paska Jiosy, ny Eokaristia (Mat.26 :26, Mar 16 :22 ; Lio 22 :17-19, I Kor 11 :24)

Amin’ny teny Anglisy izay matetika dia loharano no antsika koa , dia « Lord’s Supper » no iantsoana azy rehefa tsy hampiasana ny hoe : Communion. Ny Supper dia enti-milaza ny sakafo lehibe indrindra hanin’ny olona amin’ny indray andro tsy midika avy hatrany ho fanasana akory ka hita fa tsy mifanaraka amin’ny teny nofidintsika izay nalaina avy tamin’ny teny hoe : « dia tsy hihinanana ny Fanasan’ny Tompo akory » (I Kor 11 :20). Ny tany grika ampiasaina ao amin’io andininy io anefa dia ny « deipton », izay dikan’ny supper amin’ny teny anglisy voalaza etsy aloha ihany.. Io ihany koa no hita ao amin’ny Apok. 19 :9 nadikantsika hoe : « fanasana fampakaram-badin’ny zanak’ondry ». Raha ny teny milaza « fanasana » araka ny hevitry ny tenintsika Malagasy dia manana tsy latsaka ny roa ny teny grika, dia ny « doche » (Lio 5 :29 ; 14 :13) sy ny « suneuicheo » (II Pet 2 :13 ; Joda 12). Mizarazara ny foto-kevitry ny Fiangonana momba ny Eokaristia, ny Katolika dia efa nitana ny foto-kevitra antsoina hoe : Transubstantiation » na ny « fiovan’ny mofo sy divay ho Tena sy Ran’i Jesoa Kristy nefa tsy miova amin’ny endrika maha-nofo sy maha-divay azy, aorian’ny teny tononin’ny pretra amin’ny fankamasinana. Ny Konsily Ekiomenika fah-4 tany Lettran (1215) no nampijoro izany ho foto-pinoana ary mbola nohamafisina tamin’ny Kaonsily tany Trente, fihaonana faha.2 (1551-1552), fivoriana faha-XIII (11 Oktobra 1551)

Lotera dia nampijoro ny foto-kevitra « Consubstantiation » na ny tsy fiovan’ny mofo sy ny divay ny Ran’i Kristy aorian’ny teny fankamasinana fa iraisany amin’ny samy maha-izy azy koa.

Zwingli dia nampianatra fa ny Eokaristia dia foto-pahatsiarovana indrindra ary tsy misy zavatra miova amin’’zany na inona na inona.

Calvin sy ny namany dia niditra teo anelanelan’ireo hevitra ireo ary namabrany fa ny mpino dia tena mandray hery avy amin’ny Tena sy Ran’i Kristy mihitsy. Fotokevitra notanana efa hatramin’ny ela momba ny Eokaristia koa ny maha-fanatitra na sorona azy. Teo amin’ny Katolika dia namafisina tamin’ny Kaonsily tao Trentye fihaonana faha-3 (1562-163), fivoriana raha-XIII (17 Sep.1962), momba ny lamesa izany, nairaka tamin’ny foto-kevitry ny fandraisana kononio sy ny kaonfesy. Noalmcin’ny reformasiona izany rehetra izany.Amin’ny Fiangonana reforme, ny fanompoam-pivavahana Alahady dia karazana famintinana ny fanompoam-pivavahana Eokaristika ihany, ny ananany koa anefa ny fanompoam-pivavahana anaovana fandraisana ny fanasan’ny Tompo manokanan’izay atao tsy dia matetika loatra.

Ny FJKM àry dia

i) Miandany amin’ny foto-kevitra Reforme momba ny Fanasan’ny Tompo, fahatsiarovana tsy misy zavatra miova na amin’ny mofo na amin’ny divay, fandraisan’ny mino ny fahasoavana avy amin’ny famonjena vitan’i Kristy araka ny herin’ny Fanahy Masina.

ii) Manomana ny olona ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Ireo no katekomena izay andraikitery ny Mptiandrina ny manomana azy. Efa nampifandraisiny tamin’ny fanaovana batisa rahateo moa izany fanomanana izany ary ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo no ataony tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Fiangonana, ka ny maha-mpandray dia sady zo no adidy.

iii) Manana koa ny antsoina hoe : "mambra". Efa nifanarahana tao amin’ny Komitin’ny Firaisana fa "Ny Mambra teo amin’ny FFM teo aloha dia mitovy lenta tsara amin’ny Mpandray avy amin’ny FKM sy FPM teo aloha. Azon’izy ireo atao, noho ny finoany ny mandray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo nefa tsy mandray ny mofo sy ny divay.Ny Mpitandrina avy amin’ny FFM anefa dia tsy maintsy manolotra ny mofo sy ny divay na dia tsy mandray amin’izany aza ny tenany".

iv) Ny Mpitandrina ihany no mahazo mitarika ny fanompaom-pivavahana fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

v) Ny diakona dia manampy ny Mpitandrina amin’ny fizarana ny mofo sy ny divay amin’ny olona. Efa nisy hatramin’ny fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana kristiana ny Diakona lahy sy vavy. Samy manana ny heviny ihany ny Fiangonana samihafa ny amin’izy ity.Ny FJKM dia mametraka azy ao amin’ny rafitry ny fiainam-piangonana tahaka ny Reforme rehetra, ampitoviany ny hoe : "Loholona"’ sy ny hoe : "Diakona" ary tsy asa mahamatihanina akory izany aminy fa tena fandraisana anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana kosa’.

vi) Manolotra ny mofo sy divay ho an’ny Mpandray.Tsy mofo fotsiny toy ny an’ny katolika. Asehony amin’ny Litorjia fandraisana ny Fanasan’ny Tompo izany ary tena fanambarana ny fahafatesan’i Jesoa no anaovany azy. Mofo sy divay sa zavatra hafa ? Adihevitra izany.

Mofo mahazatra misy lalovay no ampiasain’ny Ortodoksa hatramin’ny voalohany
Mofo tsy misy lalovay no ampiasain’ny katolika (hostie).Ny protestanta amin’ny ankapobeny dia mampiasa ny mofo mahazatra misy lalovay, nefa misy koa ny mampiasa hostia.Ny anglikana dia miandany amin’izany fahalalahana eo amin’ny Protestanta izany taorian’ny adi-hevitra naharitra
Ny ortodoksa, ny Anglikana, ny Protestanta manao Fandraisana dia samy mampiasa tena divay. Ny Katolika koa dia mampiasa tena divay ny Pretra manao ny lamesa ihany no misotro azy fa ny olona rehetra dia omena ny mofo ihany. Fahavokarana sy fifaliana no ambaran’ny divay ary ny Fiangonana Kristiana dia manao azy ho fanambarana koa ny Ran’i Kristy atao sorona.

Tsy mitovy ny ampiasaintsika FJKM ilàna fandinihana. Tsy misy antony tokony haha-olana ny fampiasana mofo misy lalovay na tsy misy lalovay sy tena divay akory.

vii) Manao ny fandraisana ao amin’ny fanompoam-pivavahany. Amin’ny fiarahan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manao Fanompoam-pivavahana no anaovana ny Fandraisana. Ny fampandraisana ho an’ny marary dia tsy zavatra hafa fa fanohizana ny efa niarahana teo amin’ny Fiangonana ihany. Isam-bolana fara-fahakeliny ny Fandraisana FJKM

viii) Mandà sy mampitandrina ny amin’ireto :

-  Ny fifampitsaratsaran’ny kristiana ny amin’ny fandraisana na tsy fandraisana mofo sy divay. Fanapahan-kevitry ny tsirairay avy no tokony handraisana na tsy handraisana. Ny hoe : « mamantatra ny tena » eo amin’ny I Kor 11 :28-29 dia tsy manondro ny tenan’ny mpandray akory fa fanatrehan’i Kristy, Tompon’ny Fanasana mitarika ny zavatra rehetra amin’izany Fanasana izany amin’ny alàlan’ny Mpitandrina sy ny famantarana hita maso.

-  Ny mampifady hanina ny mpandray tahaka ny atao amin’ny Fiangonana sasany

-  Ny mihevitra ny mofo sy divay ho zava-masina manana hery manokana ka mivavaka aminy tahaka nya taon’ny Fiangonana sasany, na mitondra azy ho an’ny havana tsy afa-mamonjy ny fotoam-pivavahana Fandraisana noho ny aretina na fahosana.

Amin’ny alàlan’ny Fanompoam-pivavahana

Mbola ao amin’ny resaka momba ny Fiangonana hita maso ihany ity dia ny Fiangonana hita eo anivon’ny tanàna sy ny vohitra : manana trano Fiangonana anehoany ny maha-Fiangonana tsy hita maso azy ka ivoriany sy iangonany ary anavahana azy mihitsy amin’ny hafa. Manana fombafomba isan-karazany sy tsy mitovy fa tena mampiavakavaka azy aza ny Fiangonana samihafa amin’ity Fanompoam-pivavahana ity.

Manana ny Litorjiany ny FJKM

Zava-dehibe amin’ny FJKM koa toy ny amin’ny Fiangonana hafa rehetra ny fanompoam-pivavahana.Atao amin’ny fotoana samihafa sy noho ny anton-javatra samihafa vokatry ny toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainan’ny vahoaka ao anatin’ny Fiangonana sy ny an’ny vahoakan’ny firenena misy ny Fiangonana ireny fanompoam-pivavahana ireny ka ezahiny ho voalamina tsara. Manana boky Litorjian’ny FJKM saingy

i) Tsy mbola ananany feno avokoa ny tokony ho endriky ny fanompoam-pivavahana mety atao amin’ny fotoana sy anton-javatra voalaza etsy aloha.Manana ny vaomieran’ny Lirotjiany izy hitrandraka ny amin’izany. Tokony hifanampy tsara amin’ny Vaomieran’ny Litoria ny ambaratonga samihafa misy ao amin’ny FJKM mba hahatomombana izany.

ii) Hita koa anefa fa tena mahazo toerana eo amin’ny FJKM ankehitriny ny samy manao izay saim-pantany momba ity Litorjia ity ka aroso eto ireto tsio-kevitra ireto :

a) Ny hisian’ny teny midina amim-pahefana ho an’ny Fiangonana rehetra ato amin’ny FJKM mampahatsiaro azy ireny ny hanarahany ny efa vita momba ny Litorjia FJKM.

b) Ny hisian’ny fifanarahana tsara avy amin’ny fitondrana FJKM manondro izay olona sy Fiangonana ekena hanao fikarohana sy hanao andrana raisina avy amin’ny fikarohana mba hampivoarana na hanatsarana kokoa hatrany ny Litorjia efa misy. Velona sy manana aina ny Litorjia ka tsy mety raha gejaina fotsiny amin’ny fahazarana.

d). Ny fanentanana ny rehetra hahatsiaro mandrakariva fa ny Litorjia dia « asa iarahan’ny vahoaka manao an-tsitrapo sy fifaliana ary fitiavana ho fanehoana ny fanekeny ny fiantsoan’ny fahefan’Andriamanitra azy hivory eo amin’ny toerana izay tondroiny mba handre ny baiko hanatanteraka ny asa tiany hatao. »

e) Ny fiezahana hampitombo hatrany ny fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny Litorjia. Ny Katolika sy ny Anglikana dia manao ezaka tokoa amin’izany. Ananany ny « Mouvements Luturgiques » izay toa amaivanintsika Protestanta. Izany « Mouvements » izany indrindra anefa no manao fikarohana tokony hatao mba hananana litorjia mivoatra isian’ny fandraisan’ny vahoaka anjara mitombo hatrany.Ny Vaomiera Litorjia ananantsika velarina kokoa dia tokony ho afaka hisahana tokoa izany andraikitra izany.

Ny Fitafiana masina

Natao ho zava-dehibe mandrakariva ny fitafiana teo amin’ny Fivavahana.Ao ambadik’izany hatrany ny fifandraisana min’izay hivavahana.

Manana ny azy efa hatramin’ny ela ny Fiangonana Kristiana.Raha atao ny fanadihadihana dia hita fa tsy tena noraisina avy tamin’ny voalazan’ny Baiboly momba ny akanjon’ny taranak’i Arona akory ireny fitafiana ireny fa avy tamin’izay nahazatra ny olona teo amin’ny fiaraha-monina nisy ny Fiangonana. Lava ny resaka momba izany tao anelanelan’ny taonjato taha-4 ka hatramin’ny faha-9.Misy ny fiovana teo anelanelan’ny faha.10 sy ny faha.13.Niova betsaka izany tety aoriana

Ny katolika Romana dia nanamafy hatrany ny tsy maintsy hanaovan’ny Pretra fitafiana voatokana isaky ny manao lamesa ; tsy maintsy nohamasinina izy ireny ary misy aza ny vavaka tsy maintsy tononina isaky ny hitafy na hanaisotra azy. Ny Ortodoksa dia tsy lavitra an’izany.Ny anglikana dia efa nanao adihevitrra betsaka momba azy ity nandritra ny taona maro ary nanao an-tsoratra ho fitsipika ny fanatanterahana ny vokatry ny adihevitra.Ny Protestanta amin’ny ankapobeny dia manana fitafiana fanaovan’ny mpitondra Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana koa na dia tsy niezaka mihitsy manao izany ho marevaka sy be renty tahaka izay hita amin’ny Fiangonana hafa aza.

Ny FJKM manomboka tamin’ny Synoda Lehibe tany zrivonimamo indrindr’a (1980) dia nanapa-kevitra ny amin’ny hanaovan’ny Mpitandrina robe pastorale sy hampiasana loko litorjika amin’ny fanompoam-pivavahana samihafa aseho amin »’ny zioga n’ny Mpiandrina sy ny lambam-piangonana. Hita anefa fa misy ezaka tsy maintsy mbola ahtaontsika ny amin’ity ity mba hisian’ny fitovitoviana kokoa eo amin’ny didin’ny akanjo na dia samy fotsy aza, na eo amin’ny fanaovana zioga miaingo tafahoatra loatra ary misy tena étole katolika mihitsy aza.

Misy koa fitafiana fotsy anaovan’ny Diakona eo amin’ny FJKM kanefa dia misy ezaka tsy maintsy hatao ny amin’ny tokony hampitovitovizana azy ireny. Tahaka izany koa ny amin’ny fitafian’ny Anoko Mpihira izay toa tena samy maka ho azy tokoa ka indraindray dia lasa mahatsikaiky. Ny fahamendrehana no tsy maintsy kendrena koa eo amin’izany fitafiana isan-karazany izany entiny manatanteraka ny fanompoam-pivavahana ireny.

3.3. Mino ny Fiangonana ho tenan’i Kristy izay Lohany ny FJKM

Nisy tokoa ny teny ilazana ny Fiangonana ato amin’ny- Testamenta vaovao. Tondroina ho fofombadin’i Kristy izy na oharina amin’ny « vady »(II Kor.11 :2 ; Efe.5 :22-33).Lazaina ho « Tempoly » (tsy hita maso) izy (I Kor 3 :16) Enti-milaza ny fifandraisany ny firaisany amin’i Kristy mbamin’ny anjakan’ny- Fanahy Masina ao aminy tokoa ireny teny ireny. Eto amin’ny fanambaram-pinoan’ny FJKM dia ny maha-tenan’i Kristy azy noa voitra (I Kor 6 :15 ; 12 :27 ; Efe.1 :13 ;3 :12, Kol 1 :24).

Soma no teny grika ampisaina amin’ireny toko sy andinin-tSoratra Masina noraisina ireny ilazana ny Fiangonana. Io teny hoe soma io koa anefa no nampiasain’i Jesoa hita eo amin’ilay teny Eokaristika malaza hoe : « ity no tenako ».
Raha tena ny Fiangonana dia Kristy kosa no loha ( amin’ny teny grika : kephale). Ny loha no mibaiko ny tena mampanao ny hetsika rehetra tokony hataony, na hetsika tsaroana izany na hetsika tsy mila fahatsapana.

Asehontsika FJKM izany tenan’i Kristy manana an’i Kristy ho lohany izany ny Fiangonana.Lavintsika ny fanondrona olona na iza na iza ho lohan’izany tena izany.

3.3.1. Amin’ny alàlan’ny asany.

Hatrany am-bohoka ny tenantsika olombeloa dia miasa ary miasa izy amin’ny fotoana rehetra ivelomany amin’ny fiainana maha-olombelona azy ; mitsahatra amin’ny asany kosa izy rehefa tonga ny fahafatesana.Misy fetrany tahaka izany koa ny fisian’ny Fiangonana eto an-tany. Izany Fiangonana tenan’i Kristy izany no efa nobaikoana hoe : »Mandehana » raha vao torontoronina tamin’njy alàlan’ny fiantsoany an’ireo apostoliny, talohan’ny tena nahaterahany tamin’ny Andro Pentekosta. Miasa ny Fiangonana araka ny baikon’i Kristy Lohany no anaovany ny asany ary efa nomena azy ny herin’ny Fanahy masina mba hanatanterahany ny asany rehetra. Fehezina amin’ireto manaraka ireto ny asan’ny FJKM.

3.3.1.1. Asa fanomanana

Olona avy aminy no manao ireo rehetra efa voalaza hatreto momba ny Fiangonana toriteny, sakramenta, Fanompoam-pivavahana. Koa dia tsy maintsy manomana ny olona hanao ireny rehetra ireny ny FJKM

Hatreto dia manana Toeram-Panomana Mpitandrina roa karazany isika : ny Kolejy Teolojika sy ny Faculté de Théologie. Efa fivoarana lehibe izany raha oharina amin’ny teo aloha. Mbola ezaka ataontsika anefa ny hampitoviana fanomanana ny Mpitandrina rehetra amin’ny FJKM amin’ny ho avy ka ho tokana ny endri-panomanana hatao.

Mitandrina afa-miasa an-tanan-dehibe sy any ambanivohitra no omanina.Avy amin’ny tanora lahy na vavy salama sy matanjaka, efa nahavita tsara ny fianarany tamin’ny ambaratonga samihafa sady mahatsiaro tena ho voantso ka vonona hihafy noho izany finoany izany no handraisana abn’izay homanina ni Mpitandrina. Hohalalinina tsara ny amin’ny fiantsoana tsy hanambady, indrindra fa eo amin’ny tovovavy.

Tsy ny fitondram-piangonana ihany fa ny fanabeazana sy ny fanompoana samihafa holazaina eto ambany koa dia mitaky faharanitan-tsaina avy amin’ny Fanahy Masina ny fanatanterahana ny fanomanana ny olona ho amin’izany. Amin’ny alàlan’ny sokajy Fiangonana sy Fitoriana ny Filazantsara sy ny sokajy Mpiasa sy Fandraharahana no hanatanterahan’ny FJKM ny asa fanomanana ataony.

3.3.1.2. Asa fanabeazana

Tanterahin’ny FJKM amin’ny alàlan’ny fampianarana sy ny fanabeazana izany asa izany. Sehatra itorian’ny Filazantsara ny fampianarana FJKM ny sokajy fampianarana sy fanabeazana indrindra no niandraikitra ny amin’ity , ka tsy maintsy voafaoka amin’ny drafitrasa ataony sy amin’ny sampana siankarazany ao amin’ny Fiangonana.

3.3.1.3. Asa fanompoana samihafa

Ny- Ministère diversifié no ambara amin’izany. Efa voalaza etsy ambony ny amin’ny Mpitandrina . Tsy ampy ny fanomanana Mpitandrina fotsiny tsy maintsy karohina indray izao ny hanomanana ny olona ho amin’ny fanompoana samihafa ao amin’ny Fiangonana, indrindra fa izay aza fanompoana tokony ho sahanin’ny vehivavy ankoatry ny maha-diakona na maha-Dorkasy izay tokony ho laharam-pahamehana ao amin’ny FJKM.

3.3.1.4. Ny adidy ara-bola

Asa mila vola avokoa ireo voalaza rehetra ireo . Fitaovana napetrak’Andriamanitra no ho eo am-pelatanan’ny Fiangonana mba hanatanterahany ny asany na ny olona na ny vola na ny zavatra nefa toy ny tany ny trano , sns…. Efa manatanteraka ny Kitapo Iombonana ny FJKM mba hamelomany ny Mpitandrina ; mbola tsy tomomba mihitsy ny famelomana ny mpampianatra. Tsy mahazo mihamina amin’izay mety ho vitany fotsiny ny FJKM amin’izany famelomana ny mpiasany izany ; tsy maintsy mihezaka ary hiezaka mafy tokoa hamelona ny mpiasany am-pahamarinana mihoatra noho ny hafa ny FJKM avy amin’ny adidy efain’ny Kristiana eo aminy no nandraisan’ny FJKM ny vola nampiasainy hatreto , nanampy izany ny fanampiana avy any ivelany . Tsy maintsy manana izay ho lohanom-bola maharitra ho azy ankoatr’izay fanaovanan’ny kristiana adidy izy hatramin’izao.. Ny ao amin’ny sokajy vola sy fampandrosoana no miandraikitra izany indrindra.

3.3.2. Amin’ny alàlan’ny fanehoany ny firaisana

Raha tenan’i Kristy ny Fiangonana ary raha Kristy ny Lohany dia tsy maintsy avoitra tsara ny maha-zava-dehibe ny Firaisana. Fa hanao ahoana moa izany tena sy loha tsy miaina firaisana ka ny loha hanadino ny tena, ary ny tena tsy hanaiky ny Loha.,Kristy amin’ny maha-loha Azy dia tsy nampianatra fotsiny fa niaina sady niaina izany firaisana izany « Ambarapahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. (Mat.28 :20). Fa tena maha-Fiangonana ny Fiangonana kosa ny maneho hatrany izany firaisana izany ny FJKM dia maneho izany :

3.3.3. Eo amin’ny rafitra misy eo aminy

Rafitra Presbyteriana no tanan’ny FJKM : misy ambaratonga telo dia ny : Fitandremana (Fiangonana tsirairay na vitsivitsy entin’ny Mpitandrina iray miaraka amin’ny Mpandray ), Ny Synodamparitany (Fitambaran’ny Fitandremana maromaro) ary ny Synoda Lehibe (Fitambaran’ny Synodamparitany rehetra.)

Ny Presbyterana dia manana ny antsoiny hoe : "Assemblée Générale" izay ataon’ny Mpitsara ny raharaha manahirana : Mpitandrina sy Diakona (na Loholona) mitovy isa nalaina avy tamin’ny fifidianana nataon’ny Synoda na mambra ao . Tsy dia tokony ho hafa noho izany ny MFF ato amin’ny FJKM . Amin’ny alàlan’ny fifidianana hatrany no hametrahana ny olona ao amin’ireny rafitra FJKM ireny.

3.3.4. Eo amin’ny fifankatiavana

Manaiky ny FJKM fa mitovy ny olon-drehetra ao anatin’ny Fiangonana ka tsy misy fifanavakavahana. Hiainany ny voalaza ao amin’ny Epistily momba ny firaisana sy fitoviana ao amin’i Kristy (Ikor.11 :17 ; 12,13 ; Gal.3 :27-28) raisiny rahateo ny baikon’i Kristy Lohan’ny Fiangonana momba ny fifankatiavana satria inoany ho tena maha-Fiangonan’io Kristy ny Fiangonana izany. ( Jao.15 :12,13-34).

3.3.4.1. Eo amin’ny fifandraisana amain’ny Fiangonana manerana ny tany.

Izany no anehoany ny fisian’ny Fiangonana tsy hita maso. Manaiky Izy fa tsy voafetra ho eo aminy ihany ny Fiangonana fa misy ny fiangonana efa nialoha any ankoatra ary eo dia eo tokoa ny fiangonana mpiara-mitolona ety ambonin’ny tany. Izany Fifandraisany amin’ny Fiangonana eran-tany izany dia tena fanehoan’ny FJKM fa tena anisan’ny Fiangoan’i Kristy izy. Ireo Fiangonana naivian’ny mpitory ny Filazantsara voalohany taty Madagasikara dia mbola ifandraisany hatrany , ao koa ireo Fiombonana samihafa eran-tany

3.3.4.2. Eo amin’ny fandalinany ny Eokimenisma

Tsy manana fifandraisana amin’ny Fiangonana eran-tany fotsiny ny FJKM fa tena mandalina ny Eiokimenisma mihitsy ka vonona hatrany ny hifandray amin’ny Fiangonana tsy mitovy hevitra aminy na tena hafa foto-pinoana noho izy aza : FFPM sy FFKM. Avy amin’izany no anambarany ny Finoana ny amin’ny Fiangonana olom-boafidin’Andriamanitra sy taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina….hilaza ny hatsaran’Ilay niantso …hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (IPet.2 :9). Araka ny voalaza tany am-piandohana dia efa ekiomenisma rahateo ny maha-FJKM ny FJKM

Atoa RAVELOARISON Georges, Mpitandrina