Fiainan'ny fiangonana Synodamparitany Vaovao farany

SPAA10 / VOMM Anosibe Zaivola


VOATSANGANA NY TRANO FIANGONANA
,

MITOHY NY EZAKA ….

Iray amin’ireo 11 efa mitsangana ny VOMM eny Anosibe Zaivola, ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana, faritra Atsinanana. Miherina ity ny taona, izany hoe tamin’ny 11 desambra 2022 tamin’ny taon-dasa no natao ny asa famakiana lay voalohany izay nataon’ireo Misionera FJKM. Efa tafatsangana ny trano Fiangonana ankehitriny, voatafo sy voalalotra ny atiny. Iray volana taorin’ny
nitsanganan’ny Komity ny FAnorenana FIAngonana (KO.FA.FIA) no nahavitana izany ezaka lehibe izany, izay tsiahivina fa ny faran’ny volana septambra 2023 no tafatsangana ireo komity ireo na ny KOFAFIA. Ny alahady, 26 novambra 2023 lasa teo no nisantarana izany trano Fiangonana izany ka nanaovana
fanompoampivavahana fisaorana sy fankalazana an’Andriamanitra; io andro io koa no andron’ny taranaka voalohany indrindra ka nanatratrarana ezaka manokana isam-pianakaviana hanaovana ireo asa mbola miandry, toy ny fanamboarana (dalazy), varavarambe sy varavarankely fa eo koa ny trano fivoahana (WC) ary ny tranon’ny mpiambina. Manodidina ny 330 ireo taranaka tonga namonjy io fiaraha-mivavaka voalohany io, raha tao amin’ny efitrano malalaky ny biraom-pokontany hatramin’izay no nanatanterahana ny fanompoampivavahana, isaky ny alahady. 16 izao ireo mpianatra Katekomena, nanolotena, ka heverina ho amin’ny Andro Niakarana amin’ny taona 2024 no handraisana azy ireo.Nitondra ny hafatra avy amin’ny Soratra Masina tamin’io fotoana io Atoa RANDRIAMAMPIANINA Harimanga Ranto Fieferana,Mpitandrina, izay miandraikitra ireo VOMM eto Antananarivo sy ny manodidina.Nambarany fa Anosibe Zaivola no nahatafatsangana voalohany ny tranoFiangonana amin’ireo 11 efa misy amin’izao, izay tsapa hoy izy, fa mandroso tokoa ny Kristiana amin’iny toerana iny. Marihina fa fianakaviana iray nohetsehan’ny Fanahy Masina ka nanolotra tany maimaimpoana ka nahafahana nanorina ity trano Fiangonana ity, izay mirefy 13 metatra ny lavany ary 7 metatra ny sakany. Vita biriky ranoiray, tafo fanitso. Nanao antso ny komity fa vonona hatrany, izy ireo, handray izay atolotry ny malala-tànana amin’ny fanitarana ny tranon’Andriamanitra.

Evariste R.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV