Fampianaram-pinoana Fiainan'ny fiangonana Vaovao farany

Perikopa Alah1sy Alah 2 / Okt 2023

Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana

Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay Taloha sy Ankehitriny ary Ilay Hoavy. Miditra ao anatin’ny volana fahafolo amin’ity taona ity isika Fiangonana ka miara-mibanjina ny lohahevitra hoe: “Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana”. Koa indro tari-dalana iray ho enti-mandinika io lohahevitra io araka ny perikopa voalahatra amin’ny Alahady voalohany sy faharoa amin’ny volana oktobra 2023:


 Genesisy 2, 18- 25: Ny Fanambadiana no iaingan’ny fianakaviana. Koa raha miteny ny perikopa hoe: “aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana” dia izany no itaomana ny mpivady hanorina ny fanambadiany ao amin’ny Tompo. Tsy ny toko voalohany fa ny faharoa no mitantara ny fanambadiana naorin’Andriamanitra ka ireto no fepetra enti-nanorina izany: Avy ao amin’Andriamanitra no miainga ny hevitra hanorina ny fanambadiana (and. 18), Tsy vokatry ny famoronana voalohany izy, izany
hoe: tsy toy ny namoronan’Andriamanitra ny biby sy ny voromanidina avy tamin’ny tany, fa noforoniny avy tamin’ny efa vokatry ny fisiana, dia i Eva avy tamin’i Adama (And. 19- 20) Tena asan’Andriamanitra manontolo io fanambadiana io (and. 21- 22) fa anjaran’ny olona, dia ralehilahy, no manaiky ny fisiany (and. 23) mba hahatanteraka ny tena fiombonana miendrik’Andriamanitra (and. 24- 25)


 Matio 5, 31- 32: Manomboka eto amin’ity toko ity ny toriteny fampianarana nataon’i Jesoa, izay manatratra ny tanjon’ny fahasambarana izay tiany hisitrahan’ny olona manaiky ny teniny. Ravain’ny fisaoram-bady (fisarahana) anefa io fahasambarana io. Rava ny fiombonana izay endrik’Andriamanitra ao amin’ny fanambadiana (Zahao Deo. 24, 1-4 izay perikopa amin’ny alahady faharoa), dia ny fiombonana tsy azo averina intsony (Zahao Deo. 24, 5). Farany, ny fisarahana no manome vahana ny fijangajangana. (and. 32)
 Efesiana 5, 22- 33: Eto amin’ity epistiliny ity ny mpanoratra no manolotra ny lalana izoran’ny Mpivady ho amin’ny fahamarinan-toeran’ny fanambadiana, dia ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fanekena (and. 22- 24) sy ny fitiavana (and.25- 30) ny vady, ka hanjakan’ny fiombonana ho toy ny olona iray (and. 31- 33)


 Marka 10, 2- 12: Ny fisaraham-panambadiana dia ho an’ny olona mafy fo (fo-vato), izay azo heverina ho toy ny tsy afa-miaina na azo adika ho fidirana any amin’ny fahafatesana (and. 5) ka tsy eken’Andriamanitra na oviana na oviana ary na inona na inona antony. Tsy nahary fisarahana Izy fa nahary hiombonana tanteraka (and. 6- 9) Miverina indray eto ny fampianarana fa loharanon’ny fijangajangana ny fanomezam-bahana ny fisarahana hahazoana manorina fanambadiana vaovao (and. 10- 12)


 1 Korintiana 7, 1- 16: Ny fanambadiana no azo heverina ho fanefitry ny fijangajangana (and. 1- 2) kanefa ho zinona moa izany raha tsy iainana ny fombam-panaon’ny mpivady (and. 3- 5) noho ny maha zara fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana (and. 7). Koa amin’ny maha fanomezana azy dia tsy maintsy koloin’izay nandray izany ary tsy anerena ireo izay nisafidy ho amin’ny fitovoana (and. 8- 16)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra


RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV