Alatsinainy 19 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo 

Hebreo  6.1-11

Mandrosoa  ao  amin’i  Kristy  

1-Mandao  ny abidim-pianarana  ny  amin’i Kristy 

Mampianatra  ny  fiangonana ny Apostoly mba hitombo amin’ny finoana  sy ny  fitondantena  kristiana ka hiala amin’ny adidiam-pianarana  ny amin’i Kristy. Tarihana  hitombo  ao amin’i Kristy  ny  mpino  fa  tsy   ho   mpanao  tsianjery  ny asa famonjen’i Jesoa Kristy  . Tanisaina  eto  ny fiandohan’ny fiainana kristiana :ny  fibebahana , ny  batisa , ny  finoana an’ Andriamanitra  , ny fametrahan-tànana , ny  fitsangan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay . Fiainan’ny zaza bodo   , hoy  ny Hebreo 5.13 . Rehefa lehibe  kosa izy  dia mahay  manavaka ny tsara  sy ny ratsy  sady manana safidy  sy fanapahankevitra .

2-Mandroso  ao amin’i Jesoa Kristy 

Vokatry ny fanazavana  sy fandraisana ny fanomezana  avy any an-danitra  dia ny Fanahy Masina , ny fitomboana ara-panahy  (and4) . Fiainana  ny fahatsaran’ny Tenin’ Andriamanitra ihany koa . Indray  mandeha   ihany   ny fibebahana , izay  marihana  amin’ny Batisa . Indray mandeha ihany  koa i Jesoa Kristy  no   manaiky   hohomboana  amin’ny hazo  fijaliana  . Ny  fiverenan-dàlana indray  ho   amin’ny fahotana  dia mitovy  amin’ny fitenenan-dratsy  ny Fanahy Masina  (Lio 12.10) .Miorena  amin’ny fitiavana , dia ny fifanompoana   eo  amin’ny samy mpino. Tohano  ny kristiana sahirana , ka  samy  hanao  izany   tokoa  amin’ny fifaliana (and11). Mahavokatra tsara  ho an’ny hafa  izay  nandray  ny fitahian’ny Tompo araka ny  voatanisa teo  .

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV