Alakamisy 15 Martsa 2018.
Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo Apokalypsy 2.18-29Taratasy ho an’ny fiangonana any Tyatira milaza ny asany sy ny fanaony . Miseho ao fa misy tokoa ny olona omen’ny Tompo fotoana hibebahana nefa tsy mandroso. Tsy mangina ny Tompo fa maharipo ka manarina azy noho ny fitiavany .1-Mitarika azy hanompo
Ny asa fanompoana efa nataon’ny fiangonana dia miharihary eo anatrehan’ Andriamanitra . Nanao asa lehibe noho ny teo aloha ny tao Tyatira . Jesoa efa nampianatra fa hanao asa lehibe ny fiangonana rehefa tsy ety an-tany intsony izy . Mitarika antsika hanatanteraka ny anjarany avy saingy tsy tokony haroharoana faharatsiana satria tsy zakan’ Andriamanitra ny fivoriana masina afangaro amin’ny fanompoantsampy tahaka an’i Jezebela .
2-Manarina ny lavo
Ny fibebahana ihany no endrika fanarenan’ny Tompo ny lavo . Manan-kery hamafana ny heloka sy ny fahotana rehetra ny sorona nataon’ny Tompo tamin’ny tenany , dia ny nandatsahany ny Rany ho fanavotana antsika . Tiany handresy ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana rehetra isika ka omeny ny teniny ho fanarenana . Aoka hivelona amin’ny teniny ny finoantsika , ny asa fanompoana dia hatao mifanaraka amin’ny sitrapony ao amin’ny Soratra masina rahateo hanamarika fa mpanompony isika .
Fanontaniana:Misy zavatra hafa omentsika lanja miaraka amin’ny fanompoana ve?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM