Alarobia 14 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny TompoJoela 2.12-13

Fanaon’ny Jiosy rehefa tonga ny loza  ny  mandriatra   ny  fitafiany  sy  misikina  lamba fisaonana  ho fanehoany  ny alahelony   toy ny  fibebahany  sy  fitondrany   ny  fifonany   eo amin’ Andriamanitra tahaka ny ataon’i Jakoba  (Gen 37.34). Misy  endrika  telo  fiverenana amin’ny Tompo amin’ny fo rehetra eto:

1-Mifady  hanina:

Mamokàna  fotoana  hifantohana  amin’ny maha -mpanompon’Andriamanitra . Fa zava-dehibe  ny  manokana   fotoana hivavahana  sy  hanaovana  fifadian-kanina  raha hiatrika  zava-tsarotra  tahaka  ny nataon’i Estera rehefa namonjy  ny fireneny   izy  (Estera 4.16). Ny   fifadiankanina  nampianarin’i Jesoa  ny mpianany  dia fifadiana  mialoha ny ady  hatao  amin’ny devoly .

2-Mitomany  noho  ny fahotana vita 

Endrika  fibebahana  lalina  ny  ranomaso  tahaka an’ilay vehivavy  niankohoka  teo an-tongotry  ny Tompo  sady nanosotra  menaka  manitra . Mandray  ny  famonjena  satria tena mahatsapa ny  fahotana vita na ny fahadisoana  dia miverina amin’ny ranomaso .

3-Mitaraina  noho  ny antso vonjy Ireo  marary nitady  fanasitranana tahaka ireo boka nifanena  tamin’i Jesoa  dia nitaraina hoe: « mamindra fo  aminay  ry  zanak’i Davida ô ! « . Nanao  antso   vonjy  izy  raha  nitaraina mba hahazo fanasitranana.Fanontaniana:Inona tamin’ireo  no efa nataonao raha nibebaka?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV