SAF / Fandaharana iombonana 2018.

Alahadin’ny  ny SAF/FJKM 18 Martsa 2018
Lohahevitra: MIBEBAHA EO ANATREHAN’NY TOMPO
FANDAHARANA IOMBONANA

Fanatrehana an’AndriamanitraHira fanevan’ny faha 50 taonan’ny FJKMFiarahabana apostolikao Salamo 95 : 1 – 7aHira FFPM 24Vavaka fiderana sy fisaorana Tenin’AndriamanitraHira 761 : 1,3Dimy minitra an’ny Sekoly AlahadyVavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina Soratra Masinao Jeremia 36: 1-10o Marka 6: 7-13o II Kor 7: 5-10 Hira 515 :3ToritenyVavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonanaHira 437 : 1,2Famelan-kelokao Hosea 11 :8 – 9 ; IJao 5 :11 « Sambatra ny olona izay voavela ny helony…. » Salamo 32 :1-2Hira 170: 1,2,3Fanekem-pinoanaAsa vavolombelonaRaharaham-piangonanaRakitra: Antoko MpihiraFanolorana ny rakitra : Hira 275 : 1, 4.Hira Fanampiny 17Vavaka fangatahanaTsodranoAmin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

 Ry Havana, Misaotra an’Andriamanitra isika noho izao Alahady hitondrana am-bavaka ny asa fampandrosoana tanterahan’ny Fiangonana FJKM izao.

Zava-kendren’ny Fiangonana FJKM, araka ny Fotodalàna sy Fitsipika, ny “fijoroana ho vavolombelon’I Jesoa Kristy eo amin’ny fiaraha-monina. Izany no anehoany ny maha fanasina sy maha fahazavana azy eo anivon’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao.”

Nohamafisin’ny hafatry ny Synoda Lehibe faha XVIII teo izany fa hataon’ny Fiangonana FJKM ho vaindohan-draharaha ihany koa ny asa mahakendry ny fiainana an-davanandron’ny olona. Ny Fiombonamben’ny Fiangonana « Reformée » izay nivory tany Allemagne farany teo dia manamafy izany ihany koa, ka manao hoe :“Vonjeo ny olona mila vonjy”.

Antso sy irak’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana araka izany ny hirotsaka eny amin’ny fiaraha-monina, hiasa ka hitondra fiovàna mihatsara sy azo tsapaintànana. “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara “ satria izay mandray an’i Kristy dia antsoiny handray andraikitra ho “fanafahana” amin’ireo geja manjo ny mpiarabelona ka manimba ny olona araka ny maha “endrik’Andriamanitra” azy. Isan’izany ny fahantrana lalina.

Miandrandra ny Fiangonana ny fiarahamonina mba ho namany. Efa mirotsaka tokoa ny Fiangonana. Kanefa noho ny fivoaran’ny toe-piainana ankehitriny, dia hantsoina hivoatra ihany koa ny firotsahan’ny Fiangonana, no sady hanao izany ho vaindohan-draharaha Efa maro ireo Synodamparitany sy Fitandremana mirotsaka sy mandrafitra asa ary mifampitantana akaiky amin’ny SAF/FJKM izay manome tohana ara-teknika. Isan’izany, ohatra, ny fanofanana ireo “Volontera FJKM” miisa 10 000 mahery amin’ny “fitantànana ny tandindon-doza sy loza voajanahary”, ny fambolenkazo, ny fanofanana momba ny “VOAMAMI” ifanaovana tahiry iombonana sy ifampisamborana ary fampiasam-bola, ny fandraisana an-tànana ny zaza tsy ampy sakafo, ny fanofanana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy zaza, ny asa fanadiovana sy fanentanana ho an’ny fidiovana, sns…

Manentana hatrany ny Synodamparitany sy ny Fitandremana mba hanohy sy hampivelatra izany fomba fiasa izany satria maro ny vava asa miandry antsika Fiangonana FJKM, ka avondrona ny hery ho enti-miatrika ireny. Ho vavolombelona isika Fiangonana ka ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona eny amin’izay toerana misy Fiangonana FJKM dia hahitana fiovana tsara noho ny asa mivantana sy mahomby ataon’ny Fiangonana. Ny tanjona dia ho hitan’izao tontolo izao fa “tia ny olona rehetra Andriamanitra”.

Mampahery antsika, ry Havana, amin’ny fanatanterahana ny iraky ny Tompo ary mitarika antsika hatrany hibanjina ny fahasoavana sy fahafenoana ao amin’ny Jesoa Kristy, izay omeny hahatonga antsika hijoro sy hiasa amin-kery manoloana ny toe-javatra ankehitriny ; ka“tsy ho menatra tokoa isika ho vavolombelon’ny Tompo”.

Ho amin’ny fanahinareo anie ny Tompo.

Ny Filankevipitondrana SAF/FJKM

  ………………………………………………………………………………………………………………………..

Ireo Fitandremana nahatonga Rakitra taona 2017

P E MANERINERINA 4 550,00FJKM BELAVABARY FAHARETANA 3 000,00FJKM BETELA TOAMASINA 391 350,00FJKM SANGANORO FAHAZAVANA 22 000,00FJKM ANTANETIBE MAROMBY 4 700,00FJKM FIANTSONANA SP 38 15 000,00FJKM AMBATOFAHAVALO 5 000,00FJKM ANTSAHAMAROFOZA 22 600,00FJKM VOHIDIALA AMBATONDRAZA… 10 900,00FJKM AMPARIBE FAMONJENA 50 000,00FJKM ANONIMASINA ZIONA 55 100,00FJKM ANTANIMAFY ALAOTRA 13 000,00FJKM AMBATOLAMPY FAHARETANA 3 850,00FJKM AMBODIMITA BETELA 44 000,00FJKM AMBODIHADY VAOVAO 20 000,00FJKM MANARINTSOA 32 200,00FJKM ANTANIMENA ANDREFANA 358 900,00FJKM ANTANAMALAZA FAHAZAVAN… 28 750,00FJKM MALAIMBANDY 19 000,00FJKM IMERINA IMADY 8 000,00FJKM MANIRISOA SALEMA 6 000,00FJKM AMBATOMENALOHA 22 000,00FJKM AMBOHIPIA 4 000,00FJKM TSARARIVOTRA 7 400,00FJKM TSARASAOTRA 3 000,00FJKM MAHITSY FEHIZORO 14 000,00FJKM FJKM AMBOHIMIANDRA 100 000,00FJKM AMPARIHINDRAVATO 4 200,00FJKM SOAMIAFARA SOAVINANDRI… 3 000,00FJKM FJKM ANKIRIHIRY 197 100,00FJKM SAHAFITANA FITIAVANA 2 000,00FJKM MAROSOA 8 000,00FJKM AMBATONAKANGA 100 000,00FJKM MAHITSIARIVO AVARABARY 5 000,00FJKM ANDRAVOAHANGY FIVAVAHA… 816 500,00FJKM TSARASAOTRA FAHAZAVANA 5 000,00FJKM ANDOLOFOTSY FITAHIANA 23 600,00FJKM AMBOHIJAFY FANANTENANA 80 000,00FJKM AMBOHIMIRARY FAHARETAN… 7 500,00FJKM ANOSIZATO HEBRONA 214 300.00Narotsaka mivantana Banky 250 000.00……………………………………………………………………………………………………………………………  

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV