Serasera amin’ny facebook

Misy misandoka ny anaran’ny FJKM

Misy groupe facebook antsoina hoe “FJKM-Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara” izay misy mpikambana marobe ao aminy dia marihina mazava tsara fa tsy nahazoan-dalana avy amin’ny Foibe FJKM, noho izany dia azo lazaina ho fisandohana izany. Ny zava-mitranga ao rahateo dia fanozongozonan’ny finoan’ny kristiana FJKM sy feno fitenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra ivavahantsika.

Noho izany dia ambara etoana fa ho fitandroana ny voninahitr’Andriamanitra sy ho fifanajan’ny samy olona mpikirakira ireny tambajotran-tserasera ireny dia handray andraikitra ny Fiangonana amin’ny alalan’ny “cybercriminalité”. Zon’ny fiangonana tanteraka izany satria ny FJKM dia mijoro ara-panjakana hatramin’ny niandohany ny taona 1968.

Maro ihany koa ny kristiana voafitak’io fisandohana anarana io ka tafiditra ho mpikambana ao, koa ampahatsiahivina ary fa ny tena antsika FJKM dia ny groupe “Seraseram-pifandraisana FJKM” sy ny groupe “TRANONKALA FJKM (Site Web FJKM)”.

AFIFAB FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV