Hafatry ny Filoha / Martsa II
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Na dia tena sarotra aza,
toy ny ady tsy sahaza,
izato ady atrehina eto
mafy sady mampisento !
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Na dia kamo sy malaina
Aza ireo izay nantenaina,
Ka toa vitsy ireo izay sahy
Hijoro ho tena lehilahy!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Na dia hitanao fa tery
Ary ila hahavery
Aza izato lalanao,
fa ny Tompo momba anao!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Na dia toy ny vitsy foana
Ny vokatra azo manoloana,
Tsy araka ny nantenaina
Tamin’ny fikelezana aina!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Na misy aza mamarara,
Ny ezakao, tohizo tsara
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina
Filohan’ny FJKM