Fandalinam-pinoana / Famonoana olona ???

MAMONO OLONA : BIBLIKA FA TSY KRISTIANA

Fotoana iresahana ny Fampihavanana Malagasy ankehitriny. Efa tsy zava-baovao amin’ny samy Malagasy izany mihavana izany. Atolotra ity lahatsoratra ity, mba ho saina mampieritreritra antsika mpampihavana sy ampihavanina.

Ny atao hoe Biblika dia fampianarana na hevitra hita voasoratra (boky, toko, andininy) ao amin’ny Baiboly. Ny “mamono olona” izany dia zavatra hita ao amin’ny Baiboly. Kaina dia nahafaty an’i Abela. Davida dia tsy navelan’Andriamanitra hanao tempoly satria namono olona izy. Mosesy dia namono ilay Egyptiana izay namono Hebreo.Tsy mampianatra velively hamono olona anefa ny Kristiana.

Ny atao hoe Kristiana dia fampianaran’i Kristy, fampianaran’ny Fiangonana araka izay nampitan’i Kristy azy tamin’ny Apostoly. Tsy hoe satria misy boky sy toko ary andininy ny zavatra iray, dia azo antsoina ho Kristiana avy hatrany io. Ahoana ny nampianaran’i Kristy azy, dia araka izay koa no hitanan’ny Fiangonana Kristiana azy.

Mat 5:21-22 sy 1 Jao 3:15

Ny fampianarana ntaolo (Jiosy tranainy) dia jeren’i Jesoa amin’ny maso kristiana. Mamono olona isika rehefa nahafaty ilay olona. Fa amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia efa mpamono olona izay tezitra (lava) amin’ny rahalahiny, mankahala azy,  manao ny rahalahiny ho adala, foka tsy misy saina. Ny fanivaivana olona dia efa famonoana azy, satria “endrik’Andriamanitra” ny olona tsirairay.

Koa tsy hiandry efa nahafaty azy vao mamono olona: izany no fampianaran’i Kristy ary tanan’ny Kristiana. Ary satria tsy mpamono olona ny Kristiana, dia tsy mpamaly faty koa izy izany.

Gen 9:6 sy Nom 35:9-14

Misy fampianarana momba ny “valin-dra” ao amin’ireo Soratra Masina ireo. Ny atao hoe “valin-dra” dia famaliana faty izay namono ny havan’ny tena. Ny fianakavian’ilay olona novonoina (tsy nahy) no hamaly faty ny ran’ny havany, ka ilay olona nahafaty ihany no valiany ra eo.

Zon’ny fianakaviana mihitsy eo ny mamaly faty (valin-dra) tamin’izany. Nasiana tanàna fandosirana koa ho an’izay nahafaty tsy nahy olona, mba tsy ho tratran’ny “valin-dra” izy. Miendrika fitsaram-bahoaka io “valin-dra” io, raha ny firesaka ankehitriny no ilazana azy. Ambara tsotra izany fa, biblika io “valin-dra” io, satria misy boky sy tokoa ary andininy milaza azy.

Tsy Kristiana kosa anefa izany mamaly faty izany. Ny Rom 12:14-21 dia manda ny fampianarana momba ity mamaly faty na “valin-dra” ity. Mivavaka ho an’ny fahavalony, maniry ny soa ho azy fa tsy manozona, ary miandry an’Andriamanitra hamaly izay ratsy nataony: izany no fampianarana kristiana. Ary mbola asain’ny Tompo manampy azy amin’ny fahavoazany amin’ny maha olombelona momba ny filana fototra (hanina, rano) aza ny Kristiana.

Fampitahana

Samy nanana ny nataony hoe “valin-dra”  ny firenena samihafa. Ho an’ny ankamaroan’ny fiarahamonina tranainy, dia miendrika fitsaram-bahoaka izany. Ny foko na fiaviana na firazanana no nampihatra izany. Ary na ilay namono olona, na ny havany akaiky dia samy afaka mamono amin’ny alalan’io valifaty (valin-dra) io avokoa. Sady zo no adidy mihitsy ny manao izay hahafaty ilay namono ny azy eo.

Ny Firenena israelita dia voalazan’ny Testamenta Taloha fa, ny havany akaiky ihany no mahazo mamono amin’ny alalan’ny valin-dra. Afaka mandositra mamonjy ny tanàna fandosirana anefa ilay nahafaty tsy nahy, mba tsy ho tratran’ny valin-dra, mialohan’ny hitsarana azy. Ary tsy azo vonoina ny havany, fa ilay namono ihany no azo ampiharany ny valin-dra.

Ny Kristiana kosa dia tsy manao valin-dra, fa miandry ny famalian’Andriamanitra. Tsy avela hifamono izany ny samy olombelona, na inona na inona ilay tranga nahafaty ny iray. Sakanan’io fampianarana io ny famaliana faty ho zo sy adidy, toy ny fahita fahiny. Azo lazaina fa, loharano niteraka ny Fitsarana, izay afaka hitsara ny famonoana olona izany, ka tsy mifamono intsony ny olona.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV