AFIFAB /Herinandron’ny Fifandraisana 2018.

HETSIKY NY ASA FIFANDRAISANA SY

FAMPAHALALAMBAOVAO  FOIBE FJKM

Hankalazaina manerana ny FJKM amin’ ny Alahady faha-25 Martsa 2018 izao ny andro natokana ho an’ ny FIFANDRAISANA FJKM; fotoana itondrana am-bavaka ny asan’ ny Fifandraisana Foibe, any amin’ ny Synodamparitany sy Fitandremana izany.

Ao anatin’ izay ny hankalazantsika ny Herinandron’ ny Fifandraisana ny 20-23 Martsa 2018: fampirantiana ny seha-pifandraisana Foibe, Synodamparitany sy Fitandremana.Indro ny andinindininy sy ny fanasana ho antsika rehetra ho amin’ ny Fifanotronana:

-Fampirantiana ny 20-23 Martsa 2018: Foibe FJKM eto Analakely efitra 201
-Fitondrana am-bavaka sy famangiana Fitandremana (maraina) sy Antsan-kira eny @ FJKM Andravoahangy Fivavahana ny tolakandro.

N.B: raha misy fitandremana na SP na rafitra fifandraisana mbola te-handray anjara hampiranty ny momba azy( Gazety na dia afaka manatona aty amin’ ny Foibe Fifandraisana, rihana faha-6.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV