AFIFAB / fananganana ny « Pylone »

 

Efa vita tanteraka ny “Pylone” eny Ambohibe Ilafy

Nanao fitsidihana ny fizotry ny asa fananganana ny “pylone” ho an’ny Radio Fahazavana eny Ambohibe Ilafy ny Komitin’ny Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao na ny AFIFAB FJKM tamin’ny Alakamisy 01 Martsa 2018 teo.

Raha ny hita teny an-toerana dia efa voatsangana tanteraka ny “pylone” mirefy 35 metatra, fa eo an-dalana kosa ny fanorenana ny trano fametrahana ny fitaovana sy kojakoja ara-teknika miaraka amin’ny trano ho an’ny mpiambina ny toerana ary ny fikarakarana ny faritra manodidina ho fiarovana ity fotodrafitrasa ity. Amin’ny ankapobeny dia afapo amin’ny kalitaon’ny asa sy ny fe-potoana hamitana azy ny mpitsidika.

Anisan’ny tonga teny an-toerana ny Talen’ny Radio fahazavana Rtoa RAZAFIMALALA Tantely Hariliva ary nilaza fa araka izao fandehan’ny asa izao dia ho azo tanterahina amin’ny volana Aprily ny fandraisana ara-teknika sy ny fitokanana azy araka  ny fomban’ny Fiangonana. Ny hany andrasana dia ny fampidirana ny herinaratra hahafahana mampihodina ny fitaovana rehetra hampiasaina eo. Efa voapetraka any amin’ny tomponandraikitry ny JIRAMA ny taratasy fangatahana mahakasika izany koa antenaina fa ho tafiditra miaraka amin’ny fahavitan’ny asa rehetra izany, hoy ihany ny Talen’ny Radio Fahazavana.

Tanjona amin’izao fananganana “pylone” izao ny hanatsara ny fampitana ny feon’ny Radio Fahazavana manerana an’Antananarivo Renivohitra sy ireo Synodamparitany manodidina ary koa ny hananan’ny FJKM pylone ho azy manokana, satria mbola manofa ny Fiangonana hatreto.

Raha sitrapon’ny Tompo mantsy dia hisokatra ihany koa ny “Televiziona Fahazavana” ka efa vonona ho amin’izany koa ity “pylone” eny Ambohibe Ilafy ity. Ny fanentanana dia miantefa amin’ny vahoakan’ny Fiangonana manontolo mba hitrotro am-bavaka izao asa izao sy hifanohana hatrany amin’ny lafiny rehetra ho fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny haino amanjery.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV