SFL / Antso ho Tonia

 SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA FJKM

FIROTSAHANA AMIN’NY FIFANINANANA HO TONIAN’NY S.F.L.

Noho ny fahabangan’ny toeran’ny Tonia dia misokatra ny antso handraisana izay ho TONIA matihanina ao amin’ny SFL hiasa mandritra ny fe-potoam-piasana Mai 2018-hatramin’ny Oktobra 2019. Araka ny voalazan’ny fitsipika  fototry ny SFL and. 9.2.6 dia “anaovana antso dieny mialoha izay ho Tonia ka izay mahafeno fepetra no atolotra ny Zaikabe” na ny Komity Foibe

Toy izao manaraka izao ny tsanganana (profil) sy fepetra takiana amin’izay maniry hilatsaka ho amin’io asa io1.FANAMARINANA ny maha FJKM azy :

  • Mpitandrina FJKM lahy na vavy efa voatokana (vita consécration),
  • na Kristiana FJKM lahy na vavy, Mpandray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny folo (10) taona farafahakeliny
  • Raha tsy mpitandrina dia Mpikambana nandritra ny dimy(5) taona farafahakeliny ao amin’ny Sampana Vondrona Fototra Laika
  • Mahafantatra tsara ny foto-pinoana , ny rafitra, ny tantara ary ny fiainan’ny FJKM .
  • Mahafantatra tsara ny SFL sy ny Fitsipika (fototra sy anatiny) mifehy azy
  • Tsara laza eo anivon’ny Fiangonana sy ny fiaraha monina

2.MARI-PAHAIZANA :

  • Manana ny mari-pahaizana LICENCE na ny mitovy lenta amin’izany raha kely indrindra.
  1. TRAIKEFA
  • Manana traikefa 3 taona fara faha keliny ary mahafehy tsara ny lafiny fitantanana sy ny fandaminan-draharaha ankapobeny teo amin’ny sehatra anatiny na ivelan’ny Fiangonana.
  • Efa nitàna andraikitra teo amin’ny fitantanana sampana na asa hafa teo anivon’ny fitandremana na synodamparitany.

 

  • 4.FAHAIZANA HAFA  ILAINA
  • Manana fahaizana momba ny fifandraisana ary mahay mampiasa sy mahafehy tsara ny Informatique (bureautique, tableurs, powerpoint, internet…)
  • Mahafehy tsara ny teny Malagasy sy ny teny Frantsay ary manana fahalalana ankapobeny ny teny
  • Mahay manentana sy manazava hevitra ary mampianatra sy mampiofana

5.FEPETRA

  • 30 taona noho mihoatra ary latsaky ny 50 taona eo am-panombohana ny asa.
  • Salama tsara sy afaka mandeha mamita iraka ivelan’ny tanan-dehibe sy @ toerana saro-dàlana
  • Afaka manombo-draharaha avy hatrany ny volana Mey 2018 ary manaiky ny fifampitondrana ara-pivelomana eo anivon’ny Foibe FJKM
  • Manao izay anatrehany ny dinidinika –INTERVIEW-izay hatao ao amin’ny Foibe SFL varavana 502 Trano Ifanomezantsoa Analakely ny 10 na 11 Aprily 2018

6.ANTONTAN’NY TARATASY FILATSAHANA:

  • Taratasy maneho ny fahavononana hanao ny asan’ny Tonian’ny SFL (Lettre de motivation)
  • Curriculum Vitae (CV)misy sary , maneho ireo fepetra voalaza etsy ambony indrindra ny ara-piangonana
  • Taratasy fanolorana avy any amin’ny Mpitandrina ao amin’ny fitandremana misy azy manamarina ny maha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy maha Mpikambana ao amin’ny Sampana VFL azy…
  • Taratasy fanamarinana ny maha Mpitandrina amperinasa FJKM azy ( Ho an’ny Mpitandrina )
  • Dika mitovy voamarina (copies certifiées) an’ireo mari-pahaizana na certificats ananan’ny mpilatsaka.

7.FANDRAISANA NY ANTONTAN-TARATASY FILATSAHANA

Ny antontan’ny taratasy filatsahana dia atao anaty valopy mihidy tsy misy anarana ary aterina ao amin’ny Foibe SFL varavana 502 Trano Ifanomezantsoa Analakely na alefa Paositra amin’ny adiresy SFL Foibe BP 623 Antananarivo 101 ka ny Zoma 6 Aprily 2018 no fara fandraisana izany ( Fitomboky ny Paositra no manamarina ).

  1. FANAMARIHANA
  •  Ireo rehetra mahafeno ny fepetra aorian’ny Dinidinika INTERVIEW dia  hanao izay hanatrehany ny fivorian’ny Komity Foiben’ny SFL izay atao ny Zoma 13 Aprily 2018 eto Antananarivo.
  • Izay Tonia voafidin’ny Komity Foibe (KF) kosa dia ho entina ankatoavin’ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM amin’ny volana Aprily 2018.

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SFL

Ny Filoha

RADAVIDSON Andriamparany Benjamin

  

HAFATRY NY KOMITY FOIBEN’NY

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (SFL)

Ny Komity Foiben’ny SFL nivory teto Ambohibao ny 20 ka hatramin’ny 23 Febroary 2018 dia misaotra an’Andriamanitra noho ny zava-bita nandritra iny taona 2017 iny. Isaorana indrindra ny Foibe FJKM, tarihin’ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe, nanaiky ny hanatontosana izao fivoriana’ny Komity Foibe izao ka nanatrika izany Andriamatoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, sy ny Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ny SFL, Ramatoa RAMAROKOTO Haingotiana Mireille Mpitandrina. Tsy adino koa ny VPL sy ny VFL rehetra izay nandray anjara sy nanolo-tanana nahazoana nahatanteraka ireny Asa samihafa ireny.

Nodinihana tamin’izao fivoriana izao ny tatitr’asa sy ara-bolan’ny taona 2017 ary  notapahana ihany koa ny tetikasa sy tetibola taona 2018 mifanaraka amin’ny teny faneva sy ny Vina iainan’ny Sampana.

Tsy ampy ny fepetra nahazoana nifidy  izay ho Tonia vaovaon’ny SFL, koa manao antso vaovao ho an’izay mahafeno ny fepetra mba hametraka ny fangatahany ao amin’ny Birao Foibe SFL. Hivory tsy ara-potoana ny Komity Foibe ny 13 Aprily 2018 hanao ny fifidianana momba izany.

Najoro nandritra izao fivoriana izao koa ny komity mpanomana sy mpanatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taonan’ny SFL amin’ny taona 2019 ka ny Mpitandrina RAMAMONJIARISOA Robert no lany ho Filohan’izany Komity izany.

Tapaky ny Komity Foibe fa afindra any Manakara no hanatanterahana ny Fihaonambe sy Zaikaben’ny SFL amin’ny taona 2019.

Ankoatra ny fandalinam-pinoana sy ny fandinihana Soratra Masina dia nifanarahana ihany koa ny fanohizana sy fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ataon’ny Laika. Nifampizaràna tamin’izao fivorian’ny KF izao koa ny didy aman-dalàna sy ny fombafomba arahina mahakasika ny fananan-tany.

Ireto kosa ny hafatry ny Komity Foibe ampitaina amin’ny Vondromparitany Laika sy ny Vondrona Fototra Laika rehetra:

1-      Hamafisina izay  tokony iainan’ny Laika ny finoana sy ny fampianaran’ny FJKM manoloana ny toetrandro sy ny zava-misy ankehitriny: araka izany dia aoka ny VPL sy VFL hanao ho zava-dehibe sy laharam-pahamehana ny fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fampianaram-pinoana maha- FJKM mandritra ny fotoam-pivoriana rehetra, aoka hisy fiaraha-miasa feno amin’ny Mpitandrina izany fampiorenam-pinoana izany.

2-      Mandray anjara feno amin’ny Vina sy hetsika rehetra ataon’ny FJKM ny SFL ka aoka ny Laika rehetra samy hazoto sy handray anjara mavitrika  amin’ny Asan’ny Fiangonantsika toy ny Fivoriambavaka rehetra, ny asan’ny Synodamparitany, ny hetsika “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara” ary ny jobily faha 50 taonan’ny FJKM.

3-      Manentana ny VPL sy ny VFL rehetra  mba hitondra am-bavaka sy hanohana ny fananganantsika ny trano fiangonana ao Befasy izay ataontsika ho tsangambaton’ny faha 40 taonan’ny SFL amin’ny taona 2019.

4-      Aoka hojerena manokana ny Tanora eny anivon’ny VFL sy ny VPL ka hanao tetikasa hahatonga azy ireny ho tamàna ato amin’ny Sampana Laika  mba hahazoana mitaiza azy ireo ara-pinoana sy iainany ny maha Laika azy.

5-      Anisan’ny antompisian’ny sampana Laika ny fitadiavana loharanombola maharitra hanohanana ny asan’ny Fiangonana, koa ampirisihina hatrany ny VPL sy ny VFL amin’ny fananganana tetikasa momba izany.

6-      Entanina ny rehetra mba hanao ho zava-dehibe ny fanefana ny adidy miakatra rehetra, ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ary ny fifampaherezana eo amin’ny samy Laika.

7-      Efa miroso amin’ny famokarana entana samihafa ny SFL koa aoka samy  hanjifa izany isika rehetra toy ny gazety Laika miaradia, ny polo, ny cravate,  ny lakolosy electronique, sy ny sisa.

8-      Manentana ny Laika sy ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra hampihatra ny hafatra 10 nataon’ny Filohan’ny FJKM tamin’ny fanompoampivavahana natao teny Imahamasina ny 21 Janoary 2018 ary manainga hatrany  ny rehetra hitondra am-bavaka ny tanindrazantsika manoloana ny fahasahiranana sy ny fahalovana misy eto amin’ny Firenena.

 

Ny Komity Foibe dia mampahery ny mpikambana Laika rehetra eto anivon’ny FJKM ary manantena ny fandraisana andraikitry ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra ho fampandrosoana ny Fiangonana ao anatin’ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fanetrentena.  Fa hoy ny Soratra Masina amintsika “ Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba handehanantsika mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra”. (Efe 2, 10a sy Kol 1, 10.).

Ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Ny Filohan’ny SFL

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV