DORKASY / Lasy tselatra I
TATITRA SY VAOVAO
Lasy tselatra voalohany no notanterahin’ny sampana DORKASY FJKM tao amin’ny FJKM Ankadifotsy ( SP Iarivo avaradrano 19 ) ny Alakamisy 01 Febroary 2017 .
Nitarika ny Fanompoampivavahana ny Filohan’ny Dorkasy SP 19 , ny Mpitandrina HAINGOMAMPIANINA Volanasoa .
Nitondra ny fanazavana ny Mofonaina nalaina tao amin’ny DEO 21.18-21 , RANDRIAMANANA Valimbavaka , Mpitandrina Filohan’ny Dorkasy FOIBE .Nohazavainy tamin’izany fa ny fihainoana anatra dia mahavelona fa ny tsy fihainoana kosa mahafaty . Koa aoka hankato ny fananarana avy amin’ny Tenin’ Andriamanitra isika mba hahazo fitahiana .
Ny Fampianarana kosa dia naompana tamin’ny lohahevitra hoe: « Fitantanana tokantrano mahomby » , izay novelabelarin’ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka , sady BMF rahateo. Ny vehivavy dia « manager » voajanahary . Rehefa ny vehivavy no tsy mahay mitantana tokantrano dia efa ho lehilahy izy izay .
Roa no tanjona eo amin’ny fitantanana atao dia ny fananana « zotra na vina » (SENS) sy fananana « faniriana » (ENVIE).Ny mahavariana amin’ny sampana Dorkasy , hoy ny mpandahanteny dia manana « envie » hatrany izy ireo ,na misy na tsy misy lehilahy . Ao hatrany ny zotompo mamonjy fivoriana sy manao ny asa fanompoana .
Nandritra izany lasy tselatra izany no nanatanterahana ny fankasitrahana ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja mivady , Filohan’ny FJKM teo aloha , izay nanentanana ny isam-pitandremana mba hanao araka izay atao ho fanehoam-pitiavana noho ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana Dorkasy .Ramatoa RATSIMANDRESY Esther , vadin’ny Filohan’ny FJKM ankehitriny no nitarika izany fotoam-pankasitrahana izany .
Marihana fa tonga nanatrika izany fotoana izany sady nanao ny fanentanana mifanandrify amin’izany ny Filohan’ny Jobily faha-50 FJKM sy ny faha- 200T nidiran’ny LMS teto Madagasikara , Andriamatoa RAVALOMANANA Marc .Nofaranana tamin’ny fiaraha- misakafo ny fotoana
Sahondramalala Vololona
AFIFAB/Site web