Hafatra taombaovao 2018.

IREO HAFATRA FOLO
HO AMIN’NY TAONA 2018

 1-Ivelomy ny taon-jobily

   Voasoratra ao amin’ny Lev.25.11 hoe: “Jobily ho anareo izany taona faha-50 izany” Koa entanina isika hivelona izao taon-jobily roa sosona izao, dia ny faha -50 taonan’ny FJKM sy ny faha -200 taonan’ny nahatongavan’ny LMS:

     -Asaina isika hanomboka ny fanompoam-pivavahana FJKM rehetra amin’ny alalan’ny firedonana ny hira fanevan’ny Jobily hoe ”Mijoroa”.

     -Hafarana manokana isika mba hajanona manomboka izao ny fanaovan’ny fitandremana sertifika manokana amin’ny sertifikan’ny batisa na sertifikan’ny mariazy na sertifikan’ny mpandray, fa mba ho ny sertifika avoakan’ny Foibe FJKM ihany, izay hany sertifika marina, no iraisan’ny FJKM rehetra. Efa manao ny ezaka ny Trano Printintsika mba hisy hatrany ireny sertifika ireny ary, amin’ity taon-jobily ity, dia hisy ny sary famantaran’ny Jobily izany.

     -Entanina isika isam-piangonana, isam-pitandremana, isan-tsynodamparitany samy handray anjara biriky, araka izay zakantsika avy, ho amin’ny famitana ny tsangambato eny amin’ny Kolejy Teolojika eny Ivato Antananarivo.

     -Asaina isika rehetra ho any Toamasina amin’ny Ivon’ny Jobily izay hosokafantsika ny Alahady 12 Aogositra 2018 ary  hitohy amin’ny hetsika isan’andro hatramin’ny fotoan-dehibe ny Sabotsy 18 Aogositra sy ny Alahady 19 Aogositra 2018. Ary, na mafana tokoa aza any amoron-tsiraka, dia manantena isika fa ho voatandrontsika hatrany ny fahamasinana sy ny fahamendrehana eo amin’ny fitafiana hoentintsika any, indrindra ho anareo vehivavy. Asaina koa isika rehetra ho eto Antananarivo amin’ny famaranana ny Jobily amin’ny volana Oktobra 2018 izao.

     Ary raha miresaka isika ny hoe “ivelomy ny taon-jobily”, dia mamelà anay hitodika manokana aminareo zanaky ny FJKM rehetra, izay, noho ny antony samihafa, dia lasa niely patrana. Miantso anareo  izahay, amin’izao taon-jobily izao, hiverina amin’ny fitiavana voalohany. Tongava fa misokatra ho anareo ny fiangonana FJKM  ary vonona handray am-pitiavana anareo. Ary mampirisika fatratra antsika vahoakan’Andriamanitra sy Mpitandrina aho mba handray amin’ny firahalahiana feno izay rehetra miverina indray hiombona amintsika ato anatin’ny fiangonana amin’izao taon-jobily izao!

2-Karakarao ny Tantara

     Voasoratra ao amin’ny Eks.17.14 hoe: “Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty eo amin’ny boky izany ho fahatsiarovana”. Koa, satria sarobidy amin’Andriamanitra ny fahatsiarovana ny asa nataony teo amin’ny Tantara, dia manafatra ny fiangonana sy ny synodamparitany rehetra mba samy hanomana fampirantiana haseho any Toamasina amin’ny Ivon’ny Jobily ka haseho manokana amin’izany ny fivoaran’ny trano fiangonana, ireo mpitandrina nifandimby ary ireo asa fijoroana ho vavolombelona natao. Fintino ao anatin’ny fafana roa izany. Ary izay hoentinareo any Toamasina dia omàny hajanona ho an’ny Mioze FJKM izay hatsangantsika avy hatrany manomboka amin’io fotoana io.

3-Tohizo ny Tafika Masina Hoy i JESOA: “Mandehana ianareo, ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28.19). Koa ho fankatoavana izany baikon’i JESOA, Tompontsika sady Lohan’ny Fiangonana, izany no:-isaorana antsika rehetra ny amin’izao ezaka maro sy mahavelom-bolo efa natao,-sy mbola anentanana antsika hatrany hanohy ny tafika masina isam-bolana isam-bolana-ary itsofana rano manokana antsika amin’ny ezaka hanatrarantsika miaraka amin’ireo Misionera, ny fanorenana “Fiangonana Olona” izay hitondra ho amin’ny “fiangonana trano” any amin’ireo Kaominina 407. Deraina ny Tompo fa efa nandeha isika ka efa kaominina an-jatony no tratra! Koa manohy isika!4-Mazotoa amin’ny Soratra Masina Hoy i JESOA: “Izaho no voaloboka; ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jao.15.5). Koa ho fanolokoloana ny firaisan’ny Sampana rehetra amin’i JESOA, dia misy bokikely navoakanay ity ho Tari-dalana ho amin’ny fiaraha-mandinika Soratra Masina ho an’ny Sampana rehetra.Izahay dia resy lahatra fa raha tsy mifototra amin’ny fandinihana Soratra Masina isika dia tsy afaka hijoro ho vavolombelona mahomby.

     Izahay dia mampahatsiahy antsika koa fa miombona ao anatin’ny vondrom-piangonana antsoina hoe: “Cevaa” isika, vondrom-piangonana izay nanetsiketsika fatratra ny fiangonana efa an-taonany maro izao ny amin’ny antsoina hoe: “Fanentanana Teolojika”. Ny bokikely izay navoakanay dia endrika iray ho fampiharana izany hetsika iraisana maneran-tany izany. Koa manentana anareo Sampana rehetra mba hiroso hanao ho zava-dehibe ny fandinihana Soratra Masina. Fitaovana iray natao hanampy anareo amin’izany ity Tari-dalana ho amin’ny fiaraha-mandinika Soratra Masina ho an’ny Sampana rehetra ity.

5-Tongava manatrika Ankatoka

     Hoy i Jeremia mpaminany: “Hitako ny teninao ka nohaniko” (Jer.15.16). Koa mitodika amintsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra izahay, dia isika izay mihinana ny Tenan’ny Tompo sy misotro ny rany, mba hahatsiarovantsika fa tsy azo sarahina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Sakramenta masina. Koa miantso manokana izahay : Ry Mpandray Fanasan’ny Tompo ô, tongava manatrika Ankatoka!

     Ho fanomezana aina ny Ankatoka dia misy bokikely navoakanay, mitondra ny lohateny hoe Ireo Didy folon’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Bokikely natao hanampiana antsika hanao fiaraha-mandinika Soratra Masina ho fanomanam-panahy amin’ny fotoanan’ny Ankatoka izany, misy lesona 12.

6-Tsarovy ny synodam-pinoana

     Hoy i Paoly Apostoly: “Tsy menatra aho satria fantatro izay inoako”(2 Tim. 1.12). Ny Synoda Lehibe faha -18 dia nanapaka ny hanaovantsika ny antsoina hoe “Synodam-pinoana” synoda tsy hanaovana fandinihan-draharaha, synoda tsy hanaovana fifidianana, fa hifotorana amin’ny fandalinana izay fampianaram-pinoana tazonintsika amin’ny maha FJKM antsika. Koa hanao ny Synodam-pinoana voalohany eo amin’ny tantarany ny FJKM amin’ity taona 2018 ity ny 15- 18 Mey 2018 izao, raha sitrapon’ny Tompo. Hohalalinina manokana amin’izany ny amin’ny framasao sy ny homoseksoalite. Miantso ny vahoaka kristianina rehetra hahatsiaro izany am-bavaka.

7-Andao isika hidera ny Tompo

     Izao no zava-nitranga tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka: “nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandray ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’i Jehovah” (2 Tim.5.13). Izany  no faniriana lalina ao anatintsika: ny hahatonga ny anjara fanompoan’ny mpitendry rehetra ho tena fiderana ny Tompo ka ho feno ny fanatrehany ny fanompoam-pivavahana ataontsika. Koa mitaona anareo rehetra zanaky ny fiangonana, izay manana fanomezam-pahasoavana hitendry zava-maneno izahay mba ho tonga hivory miaraka aminay amin’ny Alarobia 7 Febroary 2018 amin’ny 12. 30 ao amin’ny FJKM Analakely fa hanangana Fikambanan’ny Mpitendry zava-maneno FJKM isika. Any Toamasina, amin’ny ivon’ny Jobily roa sosona, raha sitrapon’Andriamanitra, no hisantaranareo izany fanompoana masina izany

8-Mahereza manefa ny “adidy”

     Mampahery antsika rehetra isam-piangonana, isam-pitandremana, isan-tsynodamparitany eo amin’ny fanefana ny antsointsika hoe: “adidy”, izay tsy afenina mihitsy fa nisondrotra, araka ny fampiomanana efa natao herintaona lasa izay.

     Tsara ny hahalalantsika fa fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe ny fanatsarana ny fiveloman’ny mpiasam-piangonana. Fanatanterahana izany no nataon’ny Mpiandraikitra Foibe.

     Tsara koa ny hampahatsiarovana antsika fa fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana izao ataontsika izao. Ny FJKM dia ato anatin’ny firenena misy lalànam-panjakana momba ny fitondrana ny mpiasa. Raha tsy omentsika ny mpiasam-piangonana (Mpitandrina, sy tsy Mpitandrina) ny karama farany ambany feran’ny lalànan’ny asa eto Madagasikara dia sady manao ny tsy rariny amin’ireo mpiasam-piangonana ireo isika no mandika ny lalànam-panjakana manan-kery.

     Tena fantatra ny havesatr’izany fisondrotana izany, nefa dia tiana koa ny hampahery antsika amin’ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fijerena ny zava-mahagaga nitranga tao amin’ny fiangonana tany Makedonia tamin’ny nanaovana famoriam-bola ho an’ny kristianina tany Jerosalema. Fa voasoratra hoe: “ny hamafisan’ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony (na fahafoizany) 3… araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany. 4 sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany” (2 Kor.8.2-4).

     Ireto no zava-mahagaga efatra amin’izany toetran’ny kristianina tany Makedonia izany:

     1-Mafy ny fahantran’izy ireo, nefa fatratra ny fahalalahan-tanany! Izany isika kristianina : mahantra nefa Malala-tanana!

     2- Tsy manao izay zakany fotsiny izy ireo, fa “mihoatra noho izay zakany aza”! Izany isika Kristianina : tsy ny “latsaka” fa ny “mihoatra” no atao!

     3-Nahantra ara-bola izy ireo fa nanan-karena fitiavana. Izany  isika Kristianina : an-tsitrapo, fa tsy mba terena no anolorana ny vola omena!

     4-Kristianina sahirana izy ireo, nefa izy indray no nangataka, ary “nangataka mafy” ho anisan’ny handray adidy! Izany isika Kristianina : malahelo raha tsy omena adidy!

     Koa mahereza indrindra, ry havana!

9-Mijoroa ho fanasin’ny tany

Hoy i JESOA “Ianareo no fanasin’ny tany” (Mat.5.13). Koa ho tohin’ny fihaonana tamin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe tamin’ny volana Martsa 2017, fihaonana izay heverina hatao fanaontsika isan-taona, dia manao antso avo etoana izahay ho anareo zanaky ny FJKM rehetra ao amin’ny fitondram-panjakana amin’ny ambaratonga rehetra sy any amin’ny sehatra sosialy, toe-karena, politika toy ny Fandraharahana, Fanabeazana, Fitsaboana, Fitsarana, Fitandroana ny fandriampahalemana, fitantanan-draharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana sy izay rehetra mahatsiaro fa manana andraikitra eto amin’ny firenena mba ho tonga amin’ny Fikaonan-dohan’ny zanaky ny FJKM rehetra. Izany dia hatao nySabotsy 10 Martsa 2018 amin’ny 9 ora mariana ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

10-Aza menatra ny hanao politika

     Hoy ny tenin’i Estera hoe: “Hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko” (Est.8.6). Koa amin’ity taona ity, izay hisian’ny fifidianana samihafa dia anterinay ny antso:

     -ho an’ny Kristianina rehetra mahatsiaro fa nantsoin’Andriamanitra ho vavolombelon’ny Tompontsika eo amin’ny andraikitra politika, mba hirotsaka handray andraikitra amin’ny fiainan’ny firenena!

     -ny kristianina, rehetra, hanefa ny adidy, ka handeha hifidy izay olona matahotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina!

     -ary isika rehetra, mba tsy hanaiky hozarazarain’ny loko politika, fa hiaro toy ny anakandriamaso ny maha vahoakan’Andriamanitra iray antsika noho ny batisa noraisintsika.

     Eto am-pamaranana, dia anterina ny fiarahabana sy firariantsoa amin’izao Taona vaovao 2018 izao mba ho kristianina VELONA, VANONA, VONONA isika no hamakivaky ity taona ity.

     1-VELONA

     Velona satria kristianina marina afaka miteny tahaka an’i Paoly Apostoly hoe: “Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko”(Gal.2.20)

     2-VANONA

     Vanona satria tsy mitahiry ao anaty fotsiny ihany ny finoana izay ambara fa maha kristianina ny tena, fa maneho izany amin’ny atao sy ny fitondrantena rehetra ka azon’i Jesoa tondroina hoe: “vavolombeloko ianareo” (Asa.1.8). “Ianareo no fanasin’ny tany … Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Mat.5.13, 14) ka mandray ho fady ny fahalovana, ny fijangajangana, ny fanompoan-tsampy.

     3-VONONA

     Vonona satria manaiky sy sahy handray andraikitra eo amin’ny tokantrano, ny fiangonana, ny firenena, mba ho firenena kristianina hatrany i Madagasikara amin’ny taona 2118! “Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim.1.8).

Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara !

 

 

     HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY !

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi,

Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV