SP 10 / 150T FJKM Anosipatrana

Mankalaza an’Andriamanitra
noho ny faha 150 taona  (1868- 2018)

Tontosa ny Alahady 14 Janoary 2018 lasa teo ny fanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 150 taona ny Fiangonana FJKM Anosipatrana.

Nitarika ny Fanompoam-pivavahana tamin’izany ny Mpitandrina eo an-toerana, Atoa RASAMIMANANA Rivomalala Samüel Mpitandrina sy RADIMISOA Michel Mpitandrina Mpanampy. Ny nitory ny Tenin’Andriamanitra kosa dia Atoa ROBSON RADO Lalaina Johary Mpitandrina Tonian’ny SAFIF Foibe, ny teny notoriana dia ny teny faneva izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16 :10 tapany faharoa manao hoe : « Andriamanitra  no efa niantso anay hitory ny Filazantsara amin’ny olona any », ka nasongadina tamin’izany fa fandresen-dahatra iombonana sy Fiantsoana mampiray ary Fitoriana ny Filazantsara amin’ny « olona any » no entina mankalaza an’Andriamanitra noho ny taon-jobily.

Anisan’ny nanamarihana io fanombohana ny taom-pankalazana io ny fiarahabana ireo zokiolona feno 70 taona noho mihoatra. Nampahafantarin’ny Komity ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izany ihany koa ireo tsangambato miisa telo dia : ny famakiana ny Baiboly manontolo anatin’ny 365 andro, ny fanadiovana sy fanamboarana ny trano Fiangonana, ary ny fanorenana Fiangonana olona sy Fiangonana trano any Belamosina Betafo Antsirabe.

Mitohy hatrany ny fankalazana, ka ny ivony izay iarahana amin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana sy ny Foibe FJKM dia ny Sabotsy 07 Jolay 2018 ho avy izao ary ny Alahady 08 Jolay kosa no iarahana amin’ny eo an-toerana sy ny taranany rehetra ka faranana amin’ny Antsa Fiderana 150 taona ny tolakandro.

RAMAHERY (SANTATRA FAHAZAVANA)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV