Fdl sy Ftspk/ Ny Raharaha sarotra (tohiny)

Ny hamisavisana ny ratsy hono, hiavian’ny soa, hoy ny tenin’ny Ntaolo. Koa ity taona vaovao ity anie, ho taona lavitry ny raharaha sarotra sy manahirana ho an’ny fiangonantsika. Na izany aza, ny fampahafantarana efa natomboka tsy mahasoa raha tsy efaina hatramin’ny farany mba hahazoan’ny tsirairay hihatsara hatrany.

Efa nentina teto tamin’ny laharana farany ny famaritana sy ny antom-pisian’ny raharaha sarotra koa ndeha hotohizana ny tafa.

Eo anoloan’ny raharaha sarotra araka ny famaritana teo aloha dia natsangana ho fitaovana iray hanatanterahana fandaminana ny rafitra antsoina hoe : Filankevitra momba ny fandaminana Fiangonana (FIFAFI) na Mpitandrina (FIFAMPI). Araka izany, raha ny hevitra fonosin’ny anarana dia sehatra ho fakana hevitra izy. Ny hevitra tsy azo tsy amin’ny olombelona. Isehoan’ny ezaka ho fialana nenina amin’ny fandaminana izany.

Taorian’ny fiala-nenina nataon’ny Mpitandrina na ny Prezida Synodaly dia ny Biraon’ny Synodamparitany no mandefa ny raharaha ho alamin’ny FIFAFI. Iray amin’ny andraikitry ny Biraon’ny SP mantsy izany, araka ny FDF And. 209.6 : « Ireto no andraikitry ny Biraon’ny Synodamparitany : 6. Mandefa any amin’ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny Fiangonana ao amin’ny Synodamparitany ny raharaham-piangonana sarotra tsy voalamina. »

Araka ny Foto-dalana amam-pitsipika dia mifanao ambaratonga ny andraikitry ny mpandamina ny raharaha sarotra na eo amin’ny raharaha momba ny Mpitandrina izany na eo amin’ny raharaha momba Fiangonana.

Hiainga any amin’ny Fitandremana ny fialana nenina ho amin’ny raharaha sarotra momba olona ao aminy. Manatona ilay niantefan’ny fitarainana ny Mpitandrina rehefa hitany fa marina ny fisian’ny raharaha sarotra, miala-nenina izy, avy eo entiny eo amin’ny solo-tenan’ny Birao ary hiafara any amin’ny vaomieran’ny fiainam-panahy ny ho fiala-nenina (FDF and.393-ka hatramin’ny 402) Raha tsy mahomby ny dinika vao miakatra ao amin’ny Prezida Synodaly ny raharaha.

Ny FDF and. 213 izay mamaritra ny andraikitry ny Prezida Synodaly dia isan’ny anton-draharahany ny mandamina raharaha sarotra ( FDF 213.6). Izy no midina manao dinika Pastoraly any amin’ny Mpitandrina izay hita fototra ny fahadisoany ary manohy izany eo anatrehan’ny vavolombelona avy amin’ny Biraon’ny SP raha tsy nahomby ny dinika (FDF And.412- 413- 414)

Aorian’ny fiala-nenina nataon’ny Prezidà Synodaly dia manao ny andraikiny ihany koa ny Mpihevidraharaha araka ny FDF. And. 219 : « Ireto no andraikitry ny Mpihevidraharaha : 10. Mandinika sy manapaka ny raharaha sarotra momba ny Mpitandrina avy amin’ny Filankevitra momba ny fandaminana ny Mpitandrina ao amin’ny Synodamparitany. »

Ny Fotodalana sy Fitsipika dia mametra ny fotoana famahana ny raharaha sarotra mba tsy hitarazoka. Eo anivon’ny fitandremana dia telo volana no handaminana ny raharaha araka ny And. 410.

Rehefa tafakatra ao amin’ny FIFAFI SP na FIFAMPI SP indray ny raharaha dia manana roa volana izy ireo handaminany ny raharaha araka ny FDF And. 421. sy ny 449.

Toy izany ihany koa ny fe-potoana handinihan’ny FIFAFI Foibe ny raharaha sarotra ao aminy (FDF And. 433) sy ny an’ny FIFAMPI Foibe (FDF And. 460)

Na ny FIFAMPI na ny FIFAFI eo anivon’ny SP na ny Foibe dia manana ny fahefana handray fandaminana arak’izay hitany fa mety, kanefa amin’ny fanalana zo maha Mpitandrina dia andraikitry ny Mpiandraikitra Foibe irery ihany izany araka ny FDF And. 448 : « Raha misy fangatahana fanalana ny zo maha-Mpitandrina amin’ny fanapahan-kevitra avoakan’ny Filankevitra momba ny Fandaminana ny mpitandrina ao amin’ny Synodam-paritany dia anjaran’ny Biraon’ny Synodamparitany. no manolotra izany amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe. ao anatin’ny folo (10) andro aorian’ny nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ela indrindra. »

Eto am-pamaranana ndeha hotanterahina ny Soratra Masina hisian’ny filaminana lavitry ny raharaha sarotra araka izay voasoratra hoe : « ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. » (Hebreo 10, 24)

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV