Fanazavana Perikopa Jan 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo.”

            Vaovao ny taona ka tsy aritra ny tsy hifampirary soa. Hotovin’ny Tsitoha ho anao mpamaky anie ny teniny hoe : « Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao…tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. »

Hoy ny lohahevitry ny perikopa amin’ity volana janoary ity : « Manapaka amin’ny fahefany ny Tompo ». Lohahevitra roa lehibe no tsy azo ihoarana amin’izany, izay samy maneho ny fahambonian’ny Tompontsika. Andaniny, Andriamanitra no manapaka ny Fiangonana. Izy no tompon’ny teny farany amin’izay atao rehetra. Fa ankilany kosa, manana fahefana ny Andriamanitsika. Koa ity fafana ity no anehoantsika izany araka ny perikopa voalahatra amin’ireo Alahady roa farany.

Perikopa Ny fisehoan’ny Tompo manapaka ny Fiangonana Ny Fisehoan’ny Tompo manana ny fahefany eo amin’ny Fiangonana
Salamo 145, 8- 14 -Ny ataony : mamindra fo, manisy soa, no ahazoan’ny olona miroso (And. 8- 9)

-Ny fisian’ny vahoakany no isehoan’ny fanjakany (and.11)

-Mahery sy be voninahitra (and.12)

-Mandrakizay ny fanjakany (and.14)

Levitikosy 14, 1- 9 -Ny Tompo manome andraikitra ny olona hiala amin’ny fahalotoany ka tsy maintsy nanaiky ho olom-baovao izy. Endriky ny fihavaozana ny volo noharatana -Fahefan’Andriamanitra ny manafaka ny olona amin’ny fahalotoany (endriky ny fahalotoana ny habokana) toy ilay vorona velona nandalo ny ran’ny vorona maty (tandindon’ny ran’i Jesoa ilay ra itsobohana)
Lioka 10, 17- 20 -Ny fahombiazan’ny Mpianatra no endriky ny fisehoan’ny fahefan’ny Tompo (And 17)

 

-I Jesoa no tompon’ny fahefana fa mpisitraka fotsiny ny olona (And.19)

-I Jesoa mampanantena fifaliana any an-danitra (And. 20)

Matio 8, 1- 4 -Fisehoan’ny fanapahan’i Jesoa ny Fiangonana (olona) ny fanarahana Azy. Ka afa-manaraka na ny madio na ny maloto (oh. Boka) -Manam-pahefana ny Tompo ka manana ny safidy hanaiky na tsia izay angatahin’ny olona aminy (and. 2 : raha mety Hianao dia…)
Joda 24- 25 -Ny fiarovan’ny Tompo no fisehoan’ny fanapahany (and.24) -Izy no Mpamonjy tompon’ny voninahitra, fahalehibeazana, fahefana, fanjakana (and.25)
Hebreo 1, 1- 4 -Ny fisian’ny olona ampitenenin’ny Tompo (toy ny Mpaminany…and.1)

-Ny fahatongavan’i Jesoa ho antsika dia endriky ny fisehoan’ny fanapahany. (and.2)

-Izy no afaka manadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany (3- 4)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

 

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV