AFIFAB / Vato Fehizoron’ny “Pylone”

 

Voapetraka ny Vato Fehizoron’ny “Pylone”
an’ny Radio Fahazavana

                          Ny zoma 15 Desambra 2017 tamin’ny 12 ora sy sasany  no nametrahana ny vato fehizoron’ny “Pylone”-n’ny Radio Fahazavana teny Ambohibe Ilafy.

Ny Filoha Mpanampy ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM Atoa  RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri no nanatanteraka izany asa vavolombelona izany niaraka tamin’ny mpitandrina teny an-toerana , ny Prezidà synodaly synodamparitany atsinanana, ny filoha komity AFIFAB sy ireo solontenam-panjakana, ireo mpitandrina rehetra tonga, ny Prezidà synodaly Iarivo Avaradrano sy ireo vahoakan’Andriamanitra.

Hirefy 30m hatramin’ny 40m no heverina hatsangana, ao anatin’ny 3 volana no vinaina hanaovan’ny teknisianina izany. Marihina fa 7 m ambonin’ny  Rova no haavon’izany toerana izany.  Voalaza fa natolotry ny Filoha Mpanampy BMF mivady io toerana io.

                        Fanompoam-pivavahana fitondrana am-bavaka ny fananganana ny “Pylone”-n’ny Radio Fahazavana no natao tamin’io fotoana io tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana.

Ny Filohan’ny Komity AFIFAB Atoa RAFANONERANTSOA Valisoa Mpitandrina no nitarika ny fotoana. Ny nitondra ny hafatra Atoa RABENANTOANINA Philibert mpitandrina, Prezidà synodaly synodamparitany atsinanana. “Mitsangana mihazava…. Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Isaia 60: 1a – Matio 5 : 14a. Nambarany tamin’izany fa Izaho sy Ianao ary Isika no fahazavana ka mila Mandray, Manana, Manapariaka ny MAZAVA.

Maro ireo nandray fitenenana toa an’Atoa RAZAFY ANDRIAMASIVERO Faliherizo ,teknisianina, ny mpitandrina avy ao amin’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana RAFIDISON Bariflera, ny talen’ny Radio Fahazavana sady talen’ny AFIFAB ,Rtoa RAZAFIMALALA Tantely Hariliva, ny komity AFIFAB, ny tonian’ny FFKM sy ny FFPM, ny Foibe FJKM, ny avy amin’ny fitondram-panjakana , ny ben’ny Tanàna Ankadikely Ilafy, ny filohan’ny fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana. Anisan’ny notolorana fisaorana tamin’io ny DG RTA izay nanome ny “pylone” mirefy 7 m, ny tarika AMPIFITIA tamin’ny hetsika rehetra nataony.

                        Marihina fa ny tanjon’ny Komity faha-20 taona ny Radio Fahazavana dia ny fananganana ny “Televiziona Fahazavana”. Raha ny an’ny 35 taona ny AFIFAB dia ny fanapariahana ny radio manerana ny synodamparitany 38.

Izany dia mifanindran-dàlana mandrakariva ny amin’ny vinan’ny FJKM,  dia ny famontosana Filazantsara ho an’ny Nosy Madagasikara.

Rojo RAMARO

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV