Alarobia 13 Desambra 2017 .
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Ohabolana 3.1-1-12
Ireo fitahiana , fahasoavana , fitiavana omen’ny Tompo antsika
1-Tombonandro :
« Fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao ».Izany teny fikasana izany dia tanterahan’ ny Tompo amin’izao fisitrahantsika ny andro anio izao .
2-Famindrampo :« Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana »(Oha 3.3). Izany famindrampon’ny Tompo izany no tsy mahalany ritra antsika.3-Fitiavana ,fahalalana tsara
« Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’ ny Tompo sy ny olona ianao » (Oha 4.4).Mifampiankina amin’ny fisitrahana ny famindrampon’ny Tompo ny fahazoana eo anatrehany sy anatrehan’ny olona .
4-Filaminana :« Fa Izy handamina ny làlanao » (Oha 3.6b). Mirindra daholo izay atao rehetra , rehefa ny Tompo no mandamina azy .5-Fitahiana :
« Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao « (Oha 3.10) .Sitraky ny Tompo ny hanatanterahany ireo tsodrano voalaza ao amin’ny Deo 28.8 ho antsika .
Fanontaniana :Jereo ny Oha 3.1-12 , ka fantaro ireo fikasan’ Andriamanitra efa tanteraka aminao ankehitriny.Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM