Talata 12 Desambra 2017 .
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Talata 12 Desambra 2017
EKSODOSY 33.12-23
Tahaka ny fihaonan’ny mpisakaiza no nihaonan’ Andriamanitra sy i Mosesy tao amin’ny tranolay fihaonana , ka nanomanan’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely hiakatra ho any amin’ny tany Kanana . Nambaran’ Andriamanitra tamin’izany ny toky omeny ny vahoakany .
1-Homba azy tokoa ny Tompo (and 12-17)
« Ny tavako no handeha » (and 14) ,hoy ny Tompo . Manambara izany fa ny maha-Izy ny Tompo mihitsy no homba sy hitondra hiakatra ho any Kanana . Andriamanitra manatrika ny vahoakany mantsy Izy . Hisongadina amin’izany ny fifandraisana lalimpaka sy ny fifamatorana lalina eo amin’izy ireo satra nahita fitia teo imasony izy ireo rehefa avy niaiky ny helony (and1-6) .Vonona hatrany i Jesoa Kristy hifandray amintsika raha miaiky ny fahotantsika isika .
2-Handray ny fahatsarana rehetra (and18-23)
« Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao « (and19a). Mitady hahita an’ Andriamanitra i Mosesy , nefa nambara fa tsy afaka mahita izany mihitsy izy raha tsy amin’ny alalan’ny asan’ny Tompo na ny voninahiny ihany . Io asa na voninahitr’ Andriamanitra io no hanolorany ny fahatsarany rehetra : hanonona ny Anarany , hiantra , hamindra fo…( and 19 ). Tombotsoa manokana no atolotr’ Andriamanitra izay manaiky Azy . Marina hatrany izany rehefa miverina mandinika ny fahafoizany hatramin’ny zanany lahitokana sy ny zavatra rehetra ho antsika isika.
Fanontaniana :Ankehitriny , inona no efa hitanao endrika nisehoan’ny tavan’ Andriamanitra ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM