Alahady 10 Desambra 2017 .
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Lioka 18.15-17Mahatratra ny sokajin’olona rehetra ny fitiavan’ Andriamanitra . Noho izany :1-Mibebaha amin’ny fanilikilihana (and15)
Manana endrika fanilihana ny zaza ny fandraran’ny mpianatra ireo olona nitondra zaza ho eo amin’i Jesoa . Ny mpianatra nanilika , fa Izy kosa niantso azy ireo hitondra ny zaza ho eo Aminy . Be fitiavana Andriamanitra ka tsy mba manilika na manavaka . Mibebaha amin’ireo endrika fandrarana sy fanakanana ataontsika amin’ny ankizy sy amin’ireo sokajin’olona madinika ka mahatonga azy ireny tsy ho tafiditra any am-piangonana , na tsy hanana anjara amin’izay atao ao am-piangonana.
2-Mandraisa ny toromarik’i Jesoa (and16)
Manana ny anjara toerany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny zaza. Tsy misy na iza na iza rahateo azo sakanana tsy hanatona ny Tompo sy hanana ny anjarany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Lohalaharana amin’ireny ny zaza. Anisan’ny fihetsika nanafitohina an’i Jesoa ny fandrarana ny zaza tsy hanatona Azy ( Mar 10.14). Baiko no omen’i Jesoa antsika fiangonana . Omeo sehatra ivelarany sy itomboany eo anivon’ny fiangonana ny zaza . Fampianarana koa no omen’ny Tompo antsika amin’izay tokony hananantsika toe-po tahaka ny zaza rehefa manatona an’ Andriamanitra .
Fanontaniana :Inona avy ireo endrika fanilihana ny zaza efa hitanao niseho tao am-piangonana?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM